Teny nampidirina farany

Razandry
[admin]
: a.: Teny iantsoana amim-panajana sy amim-pitiavana ny zandrin'ny tena. Ahitsio
Razana
[admin]
: a.: Ny ray aman-dreny niaviana fahagola: Tany nitsembohan'ny razana itony ka tsy havelako ho lava volo. ? h.i.: Ny faty: Mandritra ny telo na efatra andro ijanonan'ny razana ao an-tanàna, indrindra amin'ny alina, dia manjaka ny tabataba, ny osika, ny dihy, ny tsikirepoka. - t.i.f.: Faharazana. - F.-p.: Lasan-ko razana: ilazana ireo efa maty nodfmandry. / Ko-drazana: enti-milaza ireo fomba isan-karazany navelan'ny razana tsy maintsy arahin'ny taranaka mandimby — indraindray koa, ny vola na zavatra omena ny mpamadi-drazana. / Manando-drazana: olona misoloky ho avy amin'ny firazanana ambony kokoa noho izay niaviany. / Mitahia fa lasanko razana: teny tenenina ataon'ny olona miresaka ka manonona ny anaran'olona efa maty amin'ny andro alina. J Sao-drazana: ny omby vonoina ka zaraina amin'ny olona amin'ny famadihana — atao koa hoe sao-drazana ny vola omen'ny olona ny mpamadika. I Zana-drazana: ireo taranaky ny olona avadika, na ireo solofony sisa eo amin'ny vohitra nisy ireo razam-be. * Ohab.: Lambo soso-nifY; nentim-paharazana: enti-milaza ny zanaka na taranaka manahaka ireo ray aman-dreniny eo amin'ny toetra na fomba nolovana taminy. /Ra-ha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga: nino fatratra ny fitahian'ny razana ny Ntaolo ka nesoiny ireo noheveriny fa tsy miraharaha.ny hitahy ny taranany velona. Ahitsio
Ravoravoina
[admin]
: (ravoravo) rot. ih. Raz (rayoramoy): Falifalina; dokafana. Ahitsio
Ravoravo
[admin]
: a.: Tany fotsy fandalorana, izay fantatra koa amin'ny anarana hoe taniravo. Ahitsio
Ravontsira
[admin]
: Jer. Vontsira. Ravoravo p.t.: Jer. Ravo. Ahitsio
Ravona
[admin]
: a.: Fampitoviana tantana; fanovonana ny iva ary fisorohana ny avo ho marintampona; fizarana zavatra mba hitovy tsy hisy kely sy lehibe. - t.i.f.: Axavona, voaravona, tafaravona / mandravona, fandravona, mpandravona 1 andravonana, fandravonana / miravona, firavona / maharavona J ravondravona. Ahitsio
Ravoka
[admin]
: a.: Fitotoana vary betsaka. ? Ady maharitra amin'ny fifamélezana amin' ny hazo, ary tsy mifampitsitsy amin'izany. - t.i.f.: Ravohina, voaravoka / mandravoka, fandravoka, mpandravoka / andravohana, fandravohana / maharavoka / ravodravoka. Ahitsio
Ravohina
[admin]
: (ravoka) mt. ih. (ravohy): Totoina ela, kapohina tsy an-kiato. Ahitsio
Ravo
[admin]
: sy Ravoravo p.t.: Entimilaza ny olona miseho ety ivelany ny hafaliany; miramirana. i tif: Ravoravoina, aravoravo, voaravoravo, tafaravoravo / mandravoravo, fandravoravo, mpandravoravo / andravoravoana, fandravoravoana 1 miravoravo, firavoravo, mpiravoravo / iravoravoana, firavoravoana / maharavoravo / haravoana / faharavoana. - F.-p.: Miravoravo manana: manana tsy amin'ahiahy. Ahitsio
Ravitra
[admin]
: a. Fampitambarana ny ravindravina samihafa na voan-javatxamaro. i t.i.f.: Mandravitra, fandxavitra, mpandravitra / andravitana, fandravitana / miraviira, firavitra, mpixavitra / iravitana, firavitana / maharavitra / ravidravitra. Ahitsio
Raviravy
[admin]
: a.: Rozaroza, fihantonan-javatra miramborambo; enti-milaza koa ny fanolikolena na fampanantenana zavatra entina hitaomana olona. - t.i.f.: Raviravezana, araviravy, tafaraviravy / mandraviravy, fandraviravy, mpandraviravy / andraviravezan, fandraviravezana; fandraviraviana / miraviravy, firaviravy, mpiraviravy / iraviravezana, firaviravezana; fixaviravian / maharaviravy. ¶ M.h.: Mihantona, mikiraviravy, mirazorazo, mikirazorazo, miramborambo, mikiramborambo, mirozaroza, mikirozaroza, mitarozaroza, mikirombaromba, mitarozaka, mikivilivily, misahondrahondra. Ahitsio
Raviravezana
[admin]
: (raviravy) mt. pdr. (raviravezo): Enti-milaza izay asiana zavatra mikirazorazo eo amboniny: Noraueramezana sabatra ny lohany ka tsy nahita tory izy na dia indray mipy maso aza ? Enti-milaza ny olona tiana hotaomina, amin'ny fampisehoana vola aminy. Ahitsio
Ravintsara
[admin]
: a.: Karazan-kazo lehibe. (Agalophyllum aromaticum) Ahitsio
Ravintoto
[admin]
: a.: Ravi-mangahazo totoina, izay andrahoina miaraka amin'ny hena. Ahitsio
Ravindravina
[admin]
: a.: Ahitra alaina etsy sy eroa hanaovana fanafody. ¶ M.h.: Raokandro. Ahitsio
Ravinana
[admin]
: (ravinaq mt ih. (rauino): Asiana sarin-dravinkazo. Ahitsio
Ravinala
[admin]
: a.: Karazan-kazo lehibe izay mivelatra lehibe tahaka ny fikopaka ny raviny. Misy ilana azy avokoa ny tenan' ny ravinala manontolo: ny hodiny (rapaka), ny tahondraviny (falafa), ny raviny (raty); ary raha tsatohana antsy eo am-pototry ny raviny, dia misy rano madio sady mamy azo sotroina miboiboika. Ahitsio
Ravina
[admin]
: a.: Tendron'ny ankabeazan'ny zavamaniry, izay lavalava etiety mitsilotsilo marani-doha ny bikany ary ny atiny malamalama, fa ny vohony maraorao: Kely ravina ny rambiazina. ? h.i.: Takela-javatra: Ravin-taratasy. - t.i.f.: Ravinana / mandravina, fandravina, mpandravina 1 andravinana, fandravinana / ravindravina. - F.-p.: Rauinkazo: anarana iantsoana matetika koa ny ravina araka ny voalaza erp ambony. / Ravin-dam ba: lamba jerena amin'ny maha-fitambaran'ny kofehy — tenany sy fahany — mifampidipiditra: Aleo mividy ravindamba dia mampanjaitra izany ho akanjo, toy izay miuidy akanjo efa uita. / Ravintaratasy: ny felan'ny taratasy fanoratan, / Ravin-tsofina: ny faritra mitapelaka amin'ny sofina. J Tsy mandray ravin'auaratra na ravindeno: enti-milaza ny olona mpanankarena tsy mety hitakosina amin'ny raharaha ambanimbany. / Hataoko tsy mahita rayin'auaratra auy amiko: hataoko tsy mahita zava-tsoa avy amiko. / Heuidravina: hevitra tsy izy, fiheverana kitoatoa sy raikiraiky. / Roka ravin-tseva: teny entin'ny mpanao farahehy mamarana ny hehiny. / Maimbohondrauina: ny fotoana vao maxaina, alohan'ny vaky masoandro, izay efa misy hafanana kely mahamaina ny vohon'ny ravina vao nisy ranonando./Mitoritory ravina: midinidinika raharaha amimpifaliana. / Rauindraviny han y: tsy tena zavatra fa fisehoana marevaka sy maitso ivelany fotsiny ary manodoka. / Vololondrauina: ny ravina mitsimoka sy vao mipoitra amin'ny akondro. ? h.f.: enti-milaza ny endrika malandilandy sy malemilemy. * Ohab.: Mainka izany raha parasily, ravin-katsaka aza mikasoka: fiteny enti-maneso ireo be hambohambo foana amin'ny zavatra tsinontsinona. ¶ M.h.: Mainka izany raha ranomasina, ranompotaka aza manonja. J Ny isauasauana ny raviny hahitana ny fotony: enti-milazany famakafakana izay tsy maintsy hatao raha te hahafantatra zavatra iray. / Tsy mbola nalazo akory ny ravi-nihinanana: enti-milaza fa vao haingana no niara-nihinana sy niara-nifaly dia nisy fiovana sahady ny fihavanana sy ny flfankatiavana. / Atao rauinkazo nanintsana: hadinoina tanteraka. Ahitsio
Ravimbody
[admin]
: a.: Ireo faritra roa be nofomamaritrany lamosina ambany, ny fitombenana. Ahitsio
Ravimbelo
[admin]
: a.: Anaram-bakana kely. Ahitsio