Teny nampidirina farany

Reparepa
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra mirefarefa amin'ny tany; mitaritarika lava be. - t.i.f.: Areparepa, tafaxeparepa I mireparepa, fireparepa, mpirepaxepa / ireparepana, firepareppna I fahareparepa. Ahitsio
Repaka
[admin]
: Mitovy amin'ny Reraka, noana. Ahitsio
Reotra
[admin]
: a.: Ny feo mipiaka sy mirefotra heno amin'ny fahatapahan'ny rantsan-kazo na taolana. - t.i.f : Mireotra, fireotra, mpireotra / reodreotra. Ahitsio
Reona
[admin]
: sy Reondreona a.: Ny feon-javamaneno maro na ny mpihira betsaka indray miaraka. Enti-milaza koa ny feon'ny kotrok'orana manakoako manao lavareny. - t.i.f.: Mireona, fireona, mpireona / mheondreona, fireondreona, mpireondreona 1 mahareona, mahareondreona. Ahitsio
Rentina
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Renty. Ahitsio
Renty
[admin]
: a.: Ravaka na haingo manaitra mamirapiratra: Be renty loatra ity trano ity ka tsy tiako indray. ? Teny marevaka feno sarin-teny sy angolam-pitenenana: Be renty izany raha lahateny. ? Haingonkaingony, angolankira: Hira feno renty. i t.t.f.: Rentena, voarenty 1 mandrenty, fandrenty, mpandrenty I andrentena, fandrentena f mirenty, fixenty, mpirenty / irentena, firentena / maharenty i rentirenty. Ahitsio
Rentena
[admin]
: (renty) mt. ih. (renteo): Haingoina, ravahana. Ahitsio
Renoka
[admin]
: p.t.: Variana dia varia-na amin'ny asa, amin-javatra iray: Renoky ny raharahany izy ka tsy nahaheno ahy niditra akory. ¶ M.h.: Revo, sondriana. ~ Rendrika: Renoky ny torimaso. 1 Raiki-pitia: Efa renoky ny fitiavana anao izy. i tif: Renohina, arenoka, voarenoka I mandrenoka, fandrenoka, mpandrenoka / andrenohana, fandrenohana / mirenoka, firenoka, mpirenoka 1 irenohana, firenohana / maharenoka 1 renodrenoka. Ahitsio
Renohina
[admin]
: (renoka) mt. ih, (renohy): Varianina, sondrianina. Ahitsio
Renivorona
[admin]
: a.: Anarana entimilaza vorona vavy alain-taranaka. Ahitsio
Renivola
[admin]
: a.: Vola apetraka amin'ny banky mba hiteraka zanabola; petra-bola. 1 Vola ampiasaina hahazoana tombony. Ahitsio
Renjvohitra
[admin]
: a.: Tanàn-dehibe misy foiben'ny fitondrampanjakana amin'ny tany iray: Antananarivo no renivohitr' i Madagasikara. Ahitsio
Renivitsika
[admin]
: a.: Jer, Renimanditra. Ahitsio
Renivitsika
[admin]
: a.: Karazam-bibilava mipetraka amin'ny lava-bitsika ary voalaza fa fahanan'ny vitsika ka rehefa matavy tsy afa-mivoaka ny lavany dia haniny; somary manjamanja ny volony ary fisapisa-doha ny bikany. Ahitsio
Renivintana
[admin]
: a.: Anarana orne-na ireo vintana efatra lehibe sady mahery, dia ny Alahamady, Asorotany, Adimizana ary Adijady. Ireo renivintana ireo, amin'ny fanandroana izay anisana ny andro amin'ny iray volana, dia mi-tondra andro telo avy: vavany, vontony ary vodiny; oh. Vava alahamady, vonton'alahamady, vody alahamady. Ahitsio
Renireny
[admin]
: a.: Fandehandehanana etsy sy eroa tsy misy antony; fivezivezem-poana. - t.i.f.: Arenireny, tafarenireny 1 mirenireny, firenireny, mpirenireny I irenirenena, firenirenena / maharenireny. Ahitsio
Renirano
[admin]
: a.: Rano mandeha lehibe avy amin'ny fitambaran'ny sakelidrano marc>, ka mivarina any an'ony: Ikopa sy t Mahajilo dia samy renirano, fa ny iray mivarina any amin'ny onin'i Betsiboka, ny iray any amin'ny onin'i Tsiribihina. Ahitsio
Renin-jaza
[admin]
: a.: Anarana 1) niantsoana fahizay ny renin' ny zaza natao hasoavana; 2) ilazana ny renin-drazazavavy amin'ny fotoana fampakarana; 3) iantsoana ny mpampivelona na ny mpanome tambavy. Ahitsio
Renin-janaka
[admin]
: a.: Enti-milaza vady nisarahana nefa niterabana. Ahitsio
Reniny
[admin]
: a.: Teny fiantsoan' ny lehilahy ny vadiny ao an-trano rehefa miresaka: Aoka re, reniny, fa mahatsikaiky ity lazainao. Ahitsio