Teny nampidirina farany

Bandromena
[admin]
: (Tsm) a: Omby mena fotsy takiba. Ahitsio
Bandrolahy
[admin]
: a.: Olona nobaboina tan'ady na nangalarina, na novidina, ka ampanompoina atao andevo. Ahitsio
Bandro
[admin]
: a.: Jiolahy, mpangalatra sy mpandroba. ¶ M. h.: Androvo, jirika. Ahitsio
Bandrinina
[admin]
: (bandrina) mt. ih. (bandriho): Jerena amin'ny maso mivontirika mivandravandra mahatahotra: Andeha isika handeha fa tsy tiako ny hobandrinin'ir? olona toa adula toa inona Ahitsio
Bandrina
[admin]
: a.: Fifan tohan'ny maso mafy eo am-pijerena; fijery maherihery toy ny misy hatezerana na indraika kosa alahelo. i t. f, f.: Bandrinina, abandrina / mibandrina, fibandrina, mpibandrina / ibandrinana, fibandrinana 1 mahabandrina. Ahitsio
Bandia
[admin]
: na Bandiana a.: Entimilaza rehefa mety ho anentan'entana, fa indrindra anentan-damba. Ahitsio
Banake
[admin]
: (Ski) a.: Anaran-kazo ahazoana hafotra amehezana ny bararata atao trano. Ahitsio
Banàka
[admin]
: ft.: Enti-milaza toetran-javatra mivoha, misokatra tsara. i tif: Banahina, abanaka, voabanaka / mibanaka, fibanaka f manabanaka, fanabanaka 1 anabanahana, fanabanahana 1 manabanaka. Ahitsio
Banaika
[admin]
: p:t.: Enti-milaza toetra fa indrindra fandeha tsy taitra, tsy mihontsina. / t.i.f.: Mibanaika, fibanaika / ibanehana, fibanehana. Ahitsio
Banahina
[admin]
: (banaka) mt. ils. (banaho): Vohaina. Ahitsio
Banabanaina
[admin]
: (banabana) mt. ih.; f. m. (banabanao): Vohaina mibanabana: Nobanabanaina ny varavaram be hidiran'ilay lalimoara. Ahitsio
Banabana
[admin]
: (Ski) a.: Fitondrana zavatra eo amin'ny felatanan-droa ka aingaina tandrifin'ny soroka ho Tomba fanajana. Ahitsio
Bana
[admin]
: Banabana ft.: Enti-milaza zavatra, indrindra varavarana na vavahady, mivoha tanteraka. 1 t.if.: Banabanaina, abanabana, voabanabana / mibanabana, fibanabana 1 ibanabanàna, fibanabanàna 1 mahabanabana. - F.-p.: Bana ny andro: Mazava be ny andro. ¶ M. h.: Banabana, danadana, tanatana, sanasana. Ahitsio
Bamba
[admin]
: p. t.: Miely eran'ny manodidina rehetra, mihanaka hatraiza hatraiza, fampiasa indrindra amin'ilay fiteny hoe: Bamba iray na bambaray, izay mety hanan-kevitra roa: 1) Mitovy tantana hatrany hatrany: Tamin'ilay tondra-drano taona itsl, bamba iray daholo no fijery ny havoana sy ny lemaka. 2) Rakotra hatraiza hatraiza: Barnbarain'ny fery ny tenan'i Joba, Ahitsio
Bamàko
[admin]
: (Ski) a.: Karazan'oviala boribory sady lehibe ny vodiny. Ahitsio
Balita
[admin]
: a.: Anaram-bosotra fa-nome zaza kelikely sady badobado. Ahitsio
Balita
[admin]
: p. t.: Voky sakafo ny kibo. 1 Vetaveta, ratsy fitondran-tena: Touolahy balita haina. ¶ M. h.: Katritra, amboafitritra, batritra, olona tsy ampoka, tsy manjary, mialikalika, mitritratritra, miangiangy, fotsy fanahy. 1 t. t. f.: Mibalitalita. Ahitsio
Baliaka
[admin]
: p. t.: Enti-milaza ny zavatra (maso, voninkazo, vozon'akanjo, masoandro...) izay mivelatra miseho mazava tsara, kanefa raha ny maso no lazaina, dia bary no fampiasa matetika kokoa, ary raha ny vozon'akanjo dia balelaka. Ahitsio
Balelaka
[admin]
: p. t.: Be vava, mivelatra ny vavany nefa marivo aty: Tsy mahalany firy ny harona balelaka. • Misokatra be (fiteny amin'ny vozon'akanjo, maso): Batela-bozona be ilay akanjonao maitsomaitao. / Balela-maso id zaza - t.i.f.: Mibalelaka. Ahitsio
Bàleke
[admin]
: na Bàliky (Ski) a.: Fomba fandavoana amin'ny ringa, raha raisina amin'ny salakany avy ao an-damosiny ilay miady amin'ny tena. Ahitsio