Teny nampidirina farany

Batemy
[admin]
: (fr. baptême) a: (Fiv. kat.) Sakramenta iterahan'ny olona ara-panahy amin'ny fidirana ho isan'ny kristianina zanak' Andriamanitra satria voadion'ny rano tamin'ny fahotana izy. –. Ahitsio
Batavia
[admin]
: a.: Karazan'akondro bozenizeny fa be voa. Ahitsio
Batata
[admin]
: (fit.-p.) a.: Vomanga. Ahitsio
Batanina
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Batàna. Ahitsio
Baténa
[admin]
: a.: Hazo andraiketana ny tolana amin'ny varavarana. ¶ M. h.: Batanina. Ahitsio
Bataina
[admin]
: (bata) mt. ih. (batao): Aingaina amin'ny tanana: Tsy zaka bataina io vata io. Ahitsio
Bata
[admin]
: ft.: Enti-milaza fanaingana zavatra amin'ny tanana. 4 t.i.f.: Bataina, abata, voabata, nobinata J mambata, fambata, mpambata J ambatana, fambatana / mibata, fibata, mpibata / ibatana, fibatana / mahabata. Ahitsio
Baskety
[admin]
: (fr. basket-ball) a.: Lalao fanatanjahantena misy mpilalao dimy an-daniny avy ka ny ifaninanan'izy roa tonta dia izay hampidirana baolina imbetsaka indrindra ao anatin'ny haraton'ny an-kilany avy. Ahitsio
Basivava
[admin]
: p. t.: Enti-milaza: Olona mpiteniteny izaitsizy, mipoapoa-bava toy ny basy: Tsy nahita olona basivava ohatra an'iny Rakoto iny aho: izany lahy ka azy irery ny fitenenana mandritra ny adiny iray. ? Olona mpilaza habobo, mpirehaka. • Olona tsy mahatam-bava ka milaza izay tsy tokony bambara: Ise indray izao, Rabary, no basivaua nitantara izany tany amin-dry zoky tany. Ahitsio
Basirano
[admin]
: a: Karazam-pitaovana ampiasain'ny dokotera hanadiovana amin'ny rano ny ao anatin'ny tena: na ny tsinay izany raha sendra mitohana tsy mahavalana na ny tranonjaza rehefa avy miteraka. (Misy zavatra telo amin'ny basirano dia ny fitoeran-drano, ny fingotra lava fandehanan'nY rano ary ny vavam-basirano). Ahitsio
Basila
[admin]
: (fr, bacille) a.: Mikraoby miditra amin'ny antokon' ny bakteria, miendrika tehina kely kilavalava amin'ny fahitana azy amin'ny mikraoskopy, fototry ny aretina maro toy ny raboka. Ahitsio
Basibasy
[admin]
: a.: Kilalao misarimbasy. Ahitsio
Basy
[admin]
: t. p.: Aoka izay! mangina! Ahitsio
Basy
[admin]
: a.: Fiadiana ampiasaina hitifirana amin'ny bals asesiky ny vanja. (Ny tenan'ny basy dia hazo, fa vy kosa ny fem-basy sy ny vy lavalava boribory fivoahan'ny bala).—•-? F,-p.: Basy ambiaty: kibasibasy atao amin'ny ambiaty. / Basy katsaka: kibasibasy atao amin'ny tahon-katsaka. / Basy kely: basy misy vimiaina manosika balakely, kilalaon'ankizy. / Basy maro voua: basy mahalefa hala ma-ro mifanesy, nefs fahanana indray mandeha monja. I Basy maty: basy efa simba tsy mipoaka intsony. • H. o.: Enti-milaza olona tsy mahalala menatra, tsy valahara, nanaovana ny mt. hoe mibasy maty: Tsy menatra manao ratsy. I Basy pole ta: basy fohazo barika hy azo andefasana hala maro mliesy. I Basy tsy mitent': h.o.: tetika na fiokoana miafina tsy fantatra raha tsy efa tonga ny andro hanatanterahana azy. / Basy volotsangana: kibasibasy atao amin'ny volotsangana ary ampiasaina amin'ny asampinga na amin' ny fanazaran-tena. * Ohab. sY Fiten.: Basy atifikavana ka arangaranga ihany: Enti-milaza fa tsy mba mihatsaravelatsihy ny tena ka na hamely aza dia aharihary ny atao. / Basi-na ariary Tito: tsy takatry nt' ory, tsy tian'ny mpanana (fer. A-triatry)• 1 Basy angalisa roui-haro (ilay hazo tahony io): anaran-tsy very no sisa: entimilaza zavatra, na olona koa aza, izay nahavita be tamin' ny androny, nefa efa antitra na simba ka ny anarany sisa mijanona. Ahitsio
Basesa
[admin]
: (Tsm) a.: Karazan-dihy sy hira mampiavaka ny foko betsimisaraka . Ahitsio
Basasaka
[admin]
: Jer. Bosasaka. Ahitsio
Barota
[admin]
: a.: Vanja fampiasa amin'ny tafondro na amin'ny fampikoavana tany na man-da; vanja alevina. Ahitsio
Barometatra
[admin]
: a.: Fitaovana hâ mantarana ny ho toetran' ny andro amin'ny fahalalana ny lanjan'ny tambesatry ny rivotra. Ahitsio
Baroa
[admin]
: a.: Anarana mpitondra fanjakana iray, izay tsy fantatra marina raha nisy aratantara fa nanaovana ohatra amin'ny fitondrana baranahiny, tsy misy lalàna, ka samy manao izay tiany ny olom-pehezina. Ahitsio
Barisa
[admin]
: a.: Toaka mena. Ahitsio