Teny nampidirina farany

Baobaba
[admin]
: (fr. baobab) a.: Hazo makadiry indrindra eto Madagasikara, fahita amin'ny faritra andrefana sy avaratra andrefana; fohifohy fa be vatana ny baobaba, fa mahatratra hatramin'ny 20 m ny faribolana manodidina ny vatany. Ahitsio
Bao
[admin]
: a.: Tahon-drofia izay ma-teinta ampiasaina hitondrana entana an-tsoroka, izany hoe hilanjana azy. Ahitsio
Bantsilana
[admin]
: a.: Karazan-kazo. Vaky bantsilana: Amin'ny fotoana amonian'ny bantsilana. 1 H. o.: Miseho miharihary ny nafenina. ¶ M. h.: Vaky am-batolampy, vaky barara, vaky betroka. Ahitsio
Bantina
[admin]
: (banty) mt. ih. (bantio): Haratsina, hamavoina, esoina. Ahitsio
Banty
[admin]
: a.: Angelivavy. ¶ M. h.: Kabatritra. Ahitsio
Banty
[admin]
: a.: Teny tsy fampiasa afa-tsy raha miaraka amin'ny Any: Any banty, any banty any: Any lavitra any, any andakira. Ahitsio
Banty
[admin]
: a.: Fanaratsiana, fanamavoana, fanesoana. - t.i.f: Bantina, voabanty 1 manabanty, fanabanty, mpanabanty / anabantiana, fanabantiana. Ahitsio
Banbka
[admin]
: a.: Karazan'ahitra fanaovan-tsatroka. Ahitsio
Bankiroty
[admin]
: p. t.: (Jer, Bankirompitra). Ahitsio
Bankirompitra
[admin]
: na Bankiroty a.: Olona tapi-pananana na olona tsy nahaloa trosa ka namidy ny fananany rehetra. Ahitsio
Banky
[admin]
: a.: Trano fitehirizambola izay ametrahan'ny olona vola, isamboram-bola misy antoka, miraharaha ny fifamoivoizan'ny vola, ary manonta vola koa aza indraindray. Ahitsio
Banky
[admin]
: p. t.: Enti-milaza olona tsy manana na inona na inona intsony noho ny fahavoazana nihatra taminy. (Jan Bankirompitra, bankiroty). ¶ M. h.: Foan-tanana, man-fa ny fananana, lany fatotra amam-pondrana, tsy am-bariraiventy, kisoa bory rambo, tsy kitay tsy vary maina, tsy filo tsy fihatsaka, tsy kibay tsy fively, mangadihady toy ny vilany nahandroam-patsa. Ahitsio
Banjina
[admin]
: a.: Fijerena mifantoka tsara amin'izay jerena; filera-na tsara maharitra, tsy mipy; fijerena ombam-pandinihana feno fisainana fatratra. - t.i.f.: Banjinina, abanjina, voabanjina ) mibanjina, fibanjina, mpibanjina ( ibanjinana, fibanjinana ) mahabanBanjinina (banjina) oit. ih. (banjino): Jerena maharitra tsy mipy: Mankarary maso ny masoandro raha banjinina. • Jerena ombam-pandinihana feno fisainana fatratra: Banjino ny sarin'i Kristy mihantona eo amin'ny hazo fijaliana. Ahitsio
Bangoina
[admin]
: (bango) mt. ih. (ban-goy): Raotina dia randranina: Mba bangoy ny vobonao, ry Ketaka, uao miantsena! Ahitsio
Bangoana
[admin]
: a.: Eran-tanana ila. Bangoankatoka a.: Fombandrandram-bolo tsotra: bangoina ny volo dia atambatra amin'ny randrana telo ao aonana ka izay halavan'ny volo no fetrany; mari-pisaonana ny bangoankatoka. Ahitsio
Bango
[admin]
: (BI) a.: Randram-bolo betsileo fanaon'ny vehivavy maro ankehitriny; mivona ao an-katoka ny volo. -0Bango Anakova (Bi) a: Randram-bolon'ny zanak'andriana betsileo, mipetaka manodidina ny sofina sy ny hatoka ny randrana. Bango (Sih) a.: Fomba fanaovana moraingy amin'ny fomba miadana sy milamina (mi-fan: Dodoria). Ahitsio
Bango
[admin]
: a.: Ny volo voaraotra sy voatambatra ho randrana tokana na roa, na efatra. - t.i.f.: Bangoina, voabango, nobinango / mambango na manabango, fambango na fanabango, mpambango na mpanabango / ambangoana na anabangoana, fambangoana na fanabangoana / mibango, fibango, mpibango / ibangoana, fibangoana 1 mahabango. - F.-p.: Bango roa: randrambolo roa mirotsaka an-kavia sy an-kavanan'ny loba. / Ban-go an-katoka: randram-bolo tokana manomboka eo ankatoka ka mirotsaka manaraka ny lamosina, fanao raha misaona. 1 Raha atao bango tokana: raha atao indray milaza fa tsy miditra amin'ny antsipiriany. Ahitsio
Bangaina
[admin]
: (banga) mt. ih. (bangao): Asiana banga, atao tsy ampy: Tandremo bangainao ny volako amin'ny faran'ny uoiana fa tsy nanapaka mihitsy aho na dia indray andro aza Ahitsio
Bangabanga
[admin]
: (banga) p. t.; t.u. r.: Enti-milaza fahabangana etsy sy eroa. Ahitsio
Banga
[admin]
: p.t.: Afa-nify, afaka: Lahiantitra banga. / Ny eo anoloana no banga ny nifindRamatoa io ka maharatsy azy aoka izany.• Nahafahana, simaka, rombina: Misy banga it? tamboho it/ ka tokony hamboarina. / Tsy misy banga hofenoina ny uoalazanao na madilana hotentenana. 4 Nisy niala ka tsy ampy: Tsy manaiky aho raha misy banga ny volako, na ariary aza. - t.i.f.: Bangaina / manabanga, fanabanga, mpanabanga 1 anabangana, fanabangana 1 bangabanga. - F.-p.: Banga ridana: tsY misy nify na dia iray aza. / Banga ridana tsy am-bodiakoho: enti-milaza ny ankizy banga mifo-nify (heverina manko fa ny antitra ihany, izay omena ny vodiakoho, no tokony ho banga). * Ohab.: Banga mihomehy: miamboho uao mitokelaka: Enti-milaza ireo olona mba mahalala menatra ihany ka tsy sahy mampiseho ny toetra ratsy imasom-bahoaka. / Ganga ny nify, adidin'ny loha: Izay akaikin'ny zavatra simba no tompon'andraikitra amin'izany. / Banga sendra voatavo: sendra ny antonona azy: Fifandrifian-javatra roa araka ny nahariana azy (masa-bary maito kitoza); na olona tsy mahay sendra raharaha mora antonona azy. / Banga very antsy: ny ho ken-da no ampoizina: Rehefa tsy manam-pitaovana, aoka hanampo fahavoazana. / Manaram-po ohatra ny banga mihomehy maizina: Enti-milaza ireo olona ratsy toetra ka manararaotra izaitsizy ny toe-javatra sendra. Ahitsio