Teny nampidirina farany

Barika
[admin]
: (fr. barrique) a.: Fitoeran-drano na divay lehibe vita amin'ny hazofisaka mivolantsinana natambatambatra voafehina vy boribory mita-na azy tsy hivaha, atao hoe fehim-barika. - F,-p.: Ambody barika: zavatra apetraky ny mpisotro amin'ny mpivaro-toaka ho antoky ny toaka tsy voaloany vola. Ahitsio
Barika
[admin]
: a.: Areti-mifindran'akoho.: Voan'ny barika ny akohonay. Ahitsio
Baribariàna
[admin]
: p. t.: Tsy mbola mandroso amin'ny fombampiainana ambony, tsy mahalala fomba: Raha tsy otona baribariàna ka hanao ny tongotra eny ambony fiankinana amin'ny seza! • Masiaka sy tsy mamindra fo: Olona baribariàna no nahavita izao uonoana mahatsirauina izao. Ahitsio
Baribary
[admin]
: p. t.: Mitovy hevitra amin'ny Baty. Jer. io teny io. Ahitsio
Bary
[admin]
: Baribary p.t.: Enti-milaza ny maso misokatra sy mihiratra tsara ary falifaly: Bary maso, baribary maso. Ahitsio
Barerarera
[admin]
: (barera) t. u. r.: Entimilaza fanamafisan-kevitra, mibarera matetitetika. Ahitsio
Bareraka
[admin]
: a.: Mitovy hevitra amin'ny Barera. i t.i.f.: Mibaxeraka. Ahitsio
Barera
[admin]
: a.: Roraka, tsy fahazakan-tena na tsy fahazakandamba. - t.i.f.: Abarera, voabarera I manabarera, fanabarera, mpanabarera / anabarerana, fanabarerana / mibarera, fibarera, mpibarera J mahabare. ra J barerarera, Ahitsio
Barea
[admin]
: (Ski) a.: Ombimanga. Ahitsio
Barareoka
[admin]
: a.: Feon'ny ondry maneno. i t, f f.: Abarareoka I mibarareoka, fibarareoka, mpibarareoka J ibarareohana, fibarareohana J mahabarareoka. Ahitsio
Bararata
[admin]
: a.: Karazam-bolotsangana madinika st' malemilemy maniry eny amoron-drano. - F.-p.: Bararata noladinimfbahy: enti-milaza fifankatiavana na firaisam-po tsy pain' inona na inona sarahina. / Bararata tsy loaka: ankamantatra ilazana ny fary. Ahitsio
Bararàka
[admin]
: a.: Fifantsitsiran-drano betsaka, fitobahan-drano mivoaka; fandoavana mafy betsaka. - t.i.f.: Mibararàka, fibaxaraka I ibararahana, fibararahana. Ahitsio
Barara
[admin]
: Bararaka a.: Fiaikena ny marina ka milaza ny tena izy; fisehoan'ny marina ka mampiharihary ny tena izy, - t.i.f.: Abarara, bararaina J mibarara, fibaraxa, mpibaraxa J ibararana, fibararana I mibaraxaka, fibararaka, mpibararaka J ibararahana, fibararahana. - F.-p,: Vaky barara: voapotsitra ka miseho miharjhary ny ratsy na ny lainga natao. ¶ M. h.: Jer. Bantsilana. J Barara feo: Be feo, mamalankira rehefa mihira. Ahitsio
Baranjely
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry misy voany lavalava boribory fanao fangaron-daoka. Ahitsio
Barandro
[admin]
: a.: Anarana enti-milaza ny toaka amin'ny faritany sasantsasany. ¶ M. h.: Toaka, barisa, betsabetsa. Ahitsio
Baranahiny
[admin]
: a.: Tsy fitandremana, tsy firaharahana, tsY fisainana na fiheverana eo am-panaovan-javatra: Aza manao baranahiny raha manao zavatra. • p.t.: Tsy voalamina tsara fa entinentim-poana: Fanjakana baranahiny, Ahitsio
Baramina
[admin]
: (fr. barre à mine) a.: Anja-by atao fanoitra na fandoahana ny vato hapoaka. Ahitsio
Barakoma
[admin]
: a.: Anjombona tsy mba misy tandrok'omby fa volotsangana fotsiny; hasiana lavaka iray na roa, raha tiana hisy feo avo sy iva. Ahitsio
Barakay
[admin]
: a.: Baiko-miaramila enti-milaza fandravana laharana. Ahitsio
Baraka
[admin]
:a a.: Voninahitra: Tsy manaiky aho fa ny barakako mihitsy no nalanao tamin'ny nitenenanao ahy teo imason' ny olona rehetra teo. - F,-p.: Afa-baraka: afa-boninahitra, very haja: Afa-baraka ianareo mianakavy tamin 'ny nafitsoky nt' zanakao. • H. i.: Voafitaka: Afa-baraka aho nitonantonana tany; hay efa nifindra ianareo ka tsy nilaza akory. ? Simba: Afa-baraka ilay laoka vao novidina fa nihosim-bovoka eran'ny tokotany. Ahitsio