Teny nampidirina farany

Avony
[admin]
: (fit.-p.) p.t.: Afenina, misokosoko. Ahitsio
Avongo
[admin]
: (vongo) mt, at. (avongàhy): Atoby, atao mifanongoa. Ahitsio
Avongitrika
[admin]
: (vongitrika) mt, at. (avongitriho): Avandravandra mampitahotra toy ny hamono ers' (maso). Ahitsio
Avongika
[admin]
: (vongika) mt. at. (auongeho): Vesarana entamavesatra: Aza avongikao ahy daholo ireto sobika feno voasary ireto. Ahitsio
Avongana
[admin]
: (vongana) mt. at. (avongàno): Atao mivongana. Ahitsio
Avongaingy
[admin]
: (vongaingy) mt. at. (avongaingeo): Enti-milaza ny entana na ny zava-mavesatra atao eo an-damosina ka mampilefitra azy. Ahitsio
Avongady
[admin]
: (vongady) mt. at. (auongadio): Amidy mitambatra, miaraka: Moa ts.y navongadin'ilay mpivarotra daholo ny vary tao aminy ka ny kely vola tsy mba nahazo mihitsy! / Atao miharihary, mitokana er?, asongadina (filaza amin'ny zavatra lehibe, makadiry): Nauongadiny ter? an-tokotany ilay lao-na vato vao novidiny. Ahitsio
Avondrona
[admin]
: (vondrona) mt. at. (avondrôny): Atambatra mba hikambana ho iray: A-uondrôny daholo ny olonairay tanàna mba tsy hahombiazan'ny mpampisara-bazana Ahitsio
Avàna
[admin]
: (vona) mt. at. (avonao): Asiana vôna: Avonao isaky ny iray matera io tady io. Ahitsio
Avona
[admin]
: Avonavona a: Fiheverana ny tena ho ambony ka manao ny sasany ho tsinontsinona: Vonton'ny avonavony ny anao lahy ka mahatsikaiky indray. 1 Eboebo, tohatoha, dohadoha: Ny avonavon'ny firinga mievotra 1 Anjonanjona: Tsy azoko le-farina ny avonauony. 1 Tsy firaharahana ny hafa: Nandray ahy tamin'avona ilay olona nefa tsy norahorahaiko. i t.i.f.: Miavona, fiavona, mpiavona / iavonana, fiavonana. - F.-p.: An'ovona: am-piavonavonana. / Avom-po: fanaovana ny tena ho zavatra. / A-von-kevitra: hambo, fihamboana. / Auom-bava: fitenenana feno avona. Ahitsio
Avona
[admin]
: a.: Akalam-bay, votoatiny. Ahitsio
Avoloha
[admin]
: p. t.: Teny enti-rnilaza fahafenoana raha marnatra zavatra ka mitafotafo miavosa be ilay zavatra. Ahitsio
Avolo
[admin]
: (volo) mt. fit. (avoldsy): Entina mamolo, manala ny volo amin'ny tena. Ahitsio
Avolimbolina
[admin]
: (volimbolina) mt at. (avolimboleo): Atao mitambolina. Ahitsio
Avokombilahy
[admin]
: a: Zavamaniry manampina ny fivalanan-dra (Eriosema procumbens), Ahitsio
Avokoka
[admin]
: (vokoka) mt. at. (avokbhy): Atao tonga vokoka. Ahitsio
Avokoa
[admin]
: (avy hoa), p. nit,: Rehetra tsy an-kanavaka (Tsara homarihina fa mifandray mandrakariva amin'ny teny lazaina ny hoe avokoa: Nihinana paiso avokoa ny mpianatra (Ny mpianatra rehetra no nihinana); Nohanin'ny mpianatra avokoa ny paiso (ny paiso rehetra no nohaniny). ¶ M. h.: daholo. Ahitsio
Avoko
[admin]
: a.: Voninkazo dia maniry eny an-tanety, mandadina, mavokely ny voniny ary ny vodiny sahala amin'ny vomanga fotsy, sady fihinana koa. Ny avoko dia sarin'olona tsotsotra na manetry te-na. Ahitsio
Avoky
[admin]
: (voky) mt. fit. (avokiso): Entina mamoky. Ahitsio
Avokavoka
[admin]
: der. Havokavoka). Ahitsio