Teny nampidirina farany

Tsingatsa
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry mitovy amin'ny kingatsa (Crinum defixum). Ahitsio
Tsingatotra
[admin]
: a.: Toetran'ny olona potraka ka miainga ny ilany vao mianjera; zavatra mianjera ka mitsingadina mankany an-damosina ny fidabony. 4 Atsingatotra, tafatsingatotra 1 manatsingatotra, fanatsingatotra, mpanatsingatotra 1 anatsingatorana, fanatsingatorana 1 mitsingatotra, fitsingatotra, mpitsingatotra 1 itsingatorana, fitsingatorana / mahatsingatotra f tsingatongatotra. Ahitsio
Tsingaroka
[admin]
: a.: Mitovy amin' ny Tsikaroka. Ahitsio
Tsingaroka
[admin]
: a.: Anarana hafa ilazana ny mokafohy. Ahitsio
Tsingarivary
[admin]
: (Tsm) a.: Anaranjavamaniry sahala amin'ny vary; tsimparifary. Ahitsio
Tsingarangadona
[admin]
: a.: Karazambalala vaventiventy volonkary matroka, fahita eny amin'ny tany be vato misy kotofohfn'ahitra na dombato, ka avy amin'izany no nahatonga ny anarany. Ahitsio
Tsingaoka
[admin]
: a.: Hatina madinika mamorofotra amin'ny hoditra. - t.i.f.: Tsingaohina. Ahitsio
Tsingaohina
[admin]
: (tsingaoka) p.t.: Voan'ny tsingaoka. Ahitsio
Tsingangaina
[admin]
: (tsinganga) mt. ih. (tsingangao): Aingaina ny ilany iray. Ahitsio
Tsinganga
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra miainga na miakatra mitsangana ny ilany iray fa iva kosa ny ilany iray. - t.i.f.: Tsingangaina, atsinganga, voatsinganga, tafatsinganga / maninganga, manatsinganga, fanatsinganga, mpanatsinganga / anatsingangàna, fanatsingangàna 1 mitsinganga, fitsinganga 1 itsingangàna, fitsingangàna f mahatsinganga 1 tsinganganganga. Ahitsio
Tsingalahala
[admin]
: a.: Fihetsiketsika, fitrifantrifana. Ahitsio
Tsingala
[admin]
: a.: Bibikely mivelona any anaty rano, mety hanaraka ny rano sotroina ka mahafaty raha voatelin'ny olona na biby. - t.i.f.: Tsingalahala, mitsingalahala 1 itsingalahalana, fitsingalahalana. * Ohab.: Aza manao tsingala mahalala ombin-tena: A-za miangatra ka ny sasany tiatiana sy asian-tsoa kokoa fa aoka samy hasiana soa daholo tsy misy avakavaka. Ahitsio
Tsingadina
[admin]
: a.: Fianjerana, fahapotrahana, ka mikodia eny amin'ny tany mihitsy, - t.i.f.: Atsingadina, voatsingadina, tafatsingadina 1 manatsingadina, fanatsingadina, mpanatsingadina 1 anatsingadinana, fanatsingadinana 1 mitsingadina, fitsingadina, mpitsingadina I itsingadinana, fitsingadinanalmahatsingadina 1 tsingadingadina. Ahitsio
Tsinentsina
[admin]
: (tsentsina) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsentsina, tsentsenana. Ahitsio
Tsindronina
[admin]
: (tsindrona) mt ih. (tsindrony): Loahana na asiana amin'ny lohan-javatra maranitra: Notsindronin'1-koto tamin'ny fitrebika ny omby ka nitroatra. 1 Trobahana amin'ny fanjaitra loaka fidiran'ny fanafody: Notsindronin'ny Dokotera ny zandrinay nanavy omaly. Ahitsio
Tsindrona
[admin]
: a.: Fandoahana na famelezana amin'ny lohanjavatra maranitra: Ny tsindron'ny paingotra. • Fitsaboana amin'ny fampidirana ranom-panafody amin'ny te-na amin'ny alalan'ny fanjaitra misy loaka: Ny tsindrona no nahasitrana azy. - t.i.f.: Tsindronina, atsindrona, voatsindrona 1 manindrona, fanindrona, mpanindrona 1 anindronana, fanindronana 1 mitsindrona, fitsindrona, mpitsindrona 1 itsindronana, fitsindronana I mahatsindrona 1 tsindrontsindrona. Ahitsio
Tsindroka
[admin]
: a.: Voan-javatra eny amin'ny tany tsaingohin'ny vorona amin'ny vavany; hanina latsaka amin'ny tany raisina amin'ny tanana. - t.i.f :Tsindrohina, atsindroka, voatsindroka j mitsindroka, fitsindroka, mpitsindroka 1 itsindrohana, fitsindrohana 1 mahatsindroka 1 mitsindrotsindroka I tsindrotsindroka. Ahitsio
Tsindrohina
[admin]
: (tsindroka) mt. ih. (tsindrohy): Tsaingohin' ny vorona amin'ny vavany: Notsindrohin'ny vorona ireo voan-katsaka raraka teo antokStany. • Raisina amin' ny tanana (hanina latsaka amin'ny tany): Aza tsindrohina ireo vatomamy ireo fa efa feno vouoka. Ahitsio
Tsindrodrotra
[admin]
: a.: Karazan'ahitra fanaovana satroka (Sporo bolus indicus). Ahitsio
Tsindroanina
[admin]
: (tsindroana) mt. ih. (tsindroany): Alaina tsy misy filaharana, fidina alaina atsy alaina aroa: Tsy nalainy befahatany treo zavatra ireo fa notsindroaniny tetsy sy teroa. Ahitsio