Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitaintaina: (taintaina) mt. s.: Mitebiteby amin'izay hiseho: Nitaintaina izaitsizy izahay teo am-piandrasana ny fiaramanidina. Ahitsio
Mitaitaika: (taika) mt.: Tonga mitsitapitapy: Tsy tiako ny fahatongauanareo mitaitaika toy izao. ! Maneno mitapitapy, midindina: Natao nitaitaika ny lakolosy tamin'ny fiuoahan'ny razana avy tao am-piangonana. Ahitsio
Mitaitay: (taitay) mt. s. (mitaitaiza): Maika ha..., dodona ta...: Mitaitay hiasa ianareo mbola mpianatra, nefa ho leony ihany rahatrizay. * Ohab.: Aza mitaitay homamenaka fa ho lamoka ihany amin 'ny farany: aza maimaika ny hahazo izay tadiavina fa mety hanenenanao any aoriana. / Aza mitaitay ny ho sola, fa uato no hololohavina: aza dodona ny ho lehibe, fa adidy mavesatra no miandry anao rahatrizay. Ahitsio
Mitaiza: (taiza) mt. p. (mitaizà): Mampinono, mamelona: Nitaiza ny zanany rehetra io uehivauy io. ? Mikarakara izay hahasoa, miahy: Rakoto zokiko no mitaiza io lahiantitra io. ¶ M,h.: Mikarakara, mikajakaja, miahy, miraharaha, mikanonkanona, mamelona. • Manao izay haha-olom-banona: Mitaiza tsara ny mpianany io mpampianatra io. - F.-p.: Mitaiza kely: enti-milaza ny vehivavy mitaiza zaza mbola minono. / Mpitaiza andriana: ilazana ny mpikarakara ny mpanjaka, na amin'ny sakafo na amin' ny fahasalamany. * Ohab.: Be herehina ohatra ny mitaiza kely manetsa: enti-milaza ny olona misahana adidy maro, izay sahala amin' ny vehivavy mitaiza kely ka sady manao raharaha no mikarakara ny zanany. Ahitsio
Mitakalo: (takalo) mt. p.: Mivarotra zavatra antsinjarany toy ny vary, sira... Ahitsio
Mitakarina: (takarina) mt. s. (mitakarina): Mandeha miresaka na mihinana any an-tranon'olon-kafa: Aza mitakarina any re fa izay misy ato an-trano ifaliana. Ahitsio
Mitakataka: (takataka) p.t.: La-va mahia mitezotezo. Ahitsio
Mitakatsika: (takatsika) mt. s. (mitakatsiha): Miray tetika mba hamitaka. Ahitsio
Mitakemotra: (takemotra) mt. s. (mitakemora): Miverina tsy mandroso, noho ny henatra na tahotra: Nitakemotra izy raha vao nahita ny lehibeny tao amin'ny efitrano. Ahitsio
Mitakiboka: (takiboka) mt. s.: Feno mibontsina, mizihitra. ? Voahidy, mihandrona. Ahitsio
Mitakiky: (takiky) mt. s.: Lany harena, botry: Nitakiky Ra-koto taorian'ny nandalovan' ilay rivo-doza, ? h.i.: Manjoretra sy mitanondrika. Ahitsio
Mitakila: (takila) mt. s.: Vary antsasany, ny antsasany sisa mijanona. Ahitsio
Mitakimoka: (takimoka) mt. s.: Mitana hehy tsy atao mafy, mihomehy tsy vaky. Ahitsio
Mitakitsoka: (takitsoka) mt. s, (mitakitsoha): Milentika, mitsoboka tanna dia lalina. Ahitsio
Mitakizina: (takizina) mt. s. (mitakizina): Mitoetra amin' ny maizina, tsy mamelon-jiro: Tianao angaha izao mitakizina izao no tsy mampirehitra labozia ianao? Ahitsio
Mitakobaka: (takobaka) mt. s.: Mihetsiketsika ao anaty rano. Ahitsio
Mitakoboka: (takoboha) mt. s. (mitakoboha): Voafina ao anaty filanjana misarona, voafina ao anaty lamba. Ahitsio
Mitakoditra: (takoditra) mt. s.: Andrahoina aman-kodiny: Tiako tokoa ny ovy mitakoditra. Ahitsio
Mitakoko: (takoko) mt. s.: Mipetraka tsy mitombina fa ny tongotra miforitra eo anoloana no mitondra ny tena: Mitakoko eo amorom-patana foana i Dadabe. • Mipetraka, manjonitra na toa manjoretra rera-po, ketraka, kivy:Nitakoko izy noho ny fahoriana nanjo azy. ¶ M.h.: Mijakoko, manjoretra, mijakoretra, manjonitra, manjokaiky, mandoroka, mangetoka, mamokaiky, mivokaiky, mitokiky, mijamoka. Ahitsio
Mitakolaka: (takolaka) mt. s. (mitakolaha): Mitampify, miafina mba hitily: Mitako laka eo am-baravarana Ibalita mba hihaino ny resakay. Ahitsio