Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitakona: (takona) mt. s.: Enti-milaza olona roa na telo na maro miara-mitondra zavatra iray. Ahitsio
Mitakona: (takona) mt. s.: Tsy hita fa misy manakona, miafina. Ahitsio
Mitakoritsoka: (takoritsoka)mt. s.: Manao teny tsy atao ren'ny olona maro; mandefa tsaho an-takona. ¶ M.h.: Mibitsibitsika, miritsodritsoka, manao toho-tsofina. Ahitsio
Mitakosina: (takosina) mt. s.: Mifotetaky ny loton'ny vovoka na fotaka: Aza auela hitakosina amin'ny uouoka io zaza io. Ahitsio
Mitakositra: na Mitakosotra (takositra na takosotra) mt. s.: Voalambolambo tsara ka lasa mangirana sy mamiratra. Ahitsio
Mitakotra: (takotra) mt. s.: Misy takotra; manana ny takony, misarona. Ahitsio
Mitakotroka: (takotroka) mt. s.: Mipoaka mafy, midoboka mafy. Ahitsio
Mitakovana: (takovana) mt. s.: Mipetaka mifanosontsosona, mivangongo. Ahitsio
Mitaky: (taky) mt. p. (mitakia): Mampandoa trosa na izay nindramina: Mitaky ny trosako aho. • Mila, mitady, mangataka mafy: Mitaky ka-rama ambony loatra ireo mpiasa ireo. ¶ M.h.: Mampandoa, mamoritra, maka ny an'ny tena, manaraka, mihady levenambola, manao takin'adala, manao tadidin'ny mpanaraka. Ahitsio
Mitalaboboka: (talaboboka) mt. s.: Be dia be, zavon-tany (ohatra ny vahoaka mihahohaho, na ny valala, na ny fasika...). Ahitsio
Mitalagaga: (talagaga) mt. s.: Mampiseho figagana izaitsizy: Nitalagaga izy nahita ity vy be miainga avy ety ambonin'ny tany dia miakatra eny ana habakabaka. Ahitsio
Mitalaho: (talaho) mt. p. (mitalahoa): Mangataka arahimpiangaviana fatratra, mangataka mafy, miambezo, mitampesona: Nitalaho tamiko izy mba horaisiko ny zanany. 1 Mangata-pitahiana amin-Janahary ho ana marery, olona 'ndeha hivahiny...: Mitalaho aminao izahay, ry Tompo, mba sitrano ny zanakay. Ahitsio
Mitalanjona: (taianjona) mt. s. (mitalanj6na): Migaga varia-na. Ahitsio
Mitalantalana: (talantalana) mt. s.: Mitoetra ambony talantalana. Ahitsio
Mitalapetraka: (talapetraka) mt. s. (mitalapetraha): Mipetraka atao mivelatra ny lohalika roa ary miforitra manaraka izany ny ranjo ka mifanindry ny tongotra. Ahitsio
Mitalapioka: (talapioka) mt. s.: Misioka, misamonina mafy. Ahitsio
Mitalelaka: (talelaka) Mivelatra be ny vavany (lovia... ). Ahitsio
Mitamatama: (tamatama) mt. p. (f.t.m.): Enti-milaza olona mitavozavoza raha manao zavatra. Ahitsio
Mitambaby: (baby) mt. s.: Ma- Mit mikitra, mifikitra eo an-damosina, eo ambony: Jereo ange ireto voaloboka mitambaby amin'ity rantsana ity e. ? Manahirana, mahavaky tratra, mianjera (amy): Mitambaby aminy daholo ireo zaza fito navelan'ny maty. • Mahavoa, mianjera (amy): Mitam baby am inao n y fiampangana. Ahitsio
Mitambatra: (tambatra) mt. s. (mitambàra): Mikambana: Mitambatra qo anatin'ity uata ity ny akanjonao. ? Mitohy, miady: Mitambatra tsara ny hazo nandrafetanao ity latabatra ity. f' Miharo: Misy hatramin'ny dimampolo ny mpianatra mitambatra ato amin'ity efitrano ity. Ahitsio