Teny nampidirina farany

Tsongoina
[admin]
: (tsongo) mt. ih. (tao ngoy): Terena amin'ny hohon-tanana: Sao dia notsongoinao dry ity zaza ity fa tsy mety mankany aminao intsony. ~ Forana, atao hasoavana. * Ohab.: Tsongoy fon-tena, tsongoy fon'olona: hevero na alaovy an' eritreritra amin' izay mahazo ny tenanao ny mba mahazo ny hafa koa raha manao toy izao sy toy izaoianao. Ahitsio
Tsongo
[admin]
: a.: Fanerena amin'ny hohon-tanana roa; fandraisana amin'ny tandra ka ny ilan-keliny ihany no terena. - t.i.f.: Tsongoina, atsongo, voatsongo, tsinongo j manongo, fanongo, mpanongo / anongoana, fanongoana I mitsongo, fitsongo, mpitsongo / itsongoana, fitsongoana j mahatsongo j tsongotsongo. - F,-p.: Antsongony na antsongony: akisa, tonony, vaniny, antsontsany, tsongo ravina, an-tendry vary. / Mila antsongony: mila kisa. / Tsongo dia: fanarahana, fizohiana fatratra mba hahitana izay olona tadiavina. / Tsongo foitra: teny ilazana koa ny mandala (aretina). / Tsongo ravina: jer. antsongony etsy ambony. f Tsongoin' olom-bolo: olona tsara sy mendrika anatin'ny maro. / Tsongoin-tory: sintonin-tory kely foana, mahita tory vetivety. f Tsongon-drenikely: tsongo fanaon'ny renikely masiaka, izay sady ataony mafy no aomary aolany. Ahitsio
Tsongaina
[admin]
: (tsonga) mt. ih. (tsongao): Fidina fatratra, fantenana: Notsongaina tanatin'ny arivo ianao, Ramatoa. ¶ M,h,: Fantenana, fidina, jobonina. Ahitsio
Tsonga
[admin]
: a.: Ankizivavy (mpanompo) tanora voafantina tamin'ny maro. { t,if.: Tsongaina, voatsonga / mitsonga, fitsonga j itsongana, fitsongana j mahatsonga. Ahitsio
Tsolotra
[admin]
: Tsolotsolotra a.: Fandrosoana sy fihemorana miverimberina. - t.i.f,: Atsolotsolotra j manatsolotsolotra f manolotsolotra, fanolotsolotra, mpanolotsolotra / anolotsolorana, fanolotsolorana / mitsolotsolotra, fitsolotsolotra, mpitsolotsolotra / mahatsolotsolotra. Ahitsio
Tsolotra
[admin]
: a.: Vola omena olona mba hitaomana azy tsy hanao araka ny adidiny: Raran' ny !alàna ny mandray tsolotra. — Ireo mpandray tsolotra dia nomena anarana hoe "lava tanan'akanjo". ¶ M. h, : Gaka, kolikoly, tranon' afokasoka. Ahitsio
Tsoloana
[admin]
: (tsolo) mt. ih, (tsoloy): Dorana amin'ny afo: Notsoloan'olona ny tranony. Ahitsio
Tsolo
[admin]
: a.: Karazan'angady kely lava lela. 1 p, t, : Marani-doha, tsoky. - t.i.f.: Mitsolotsolo, fitsolotsolo. Ahitsio
Tsolo
[admin]
: a.: Fandrehetana afo handoroana zavatra, fandomana amin'ny afo. - t.i.f.: Tsoloana, atsolo, voatsolo / tsolotsolo j atsolotsolo j manatsolotsolo, manolotsolo, fanolotsolo, mpanolotsolo j anolotsoloana I anatsolotsoloana, fanatsolotsoloana/ mitsolotsolo, fitsolotsolo, mpitsolotsolo j itsolotsoloana, fitsolotsoloana. Ahitsio
Tsolitsaka
[admin]
: Mitovy amin'ny Kolitsaka. Ahitsio
Tsoky
[admin]
: sy Tsokitsoky p.t.: Maranidranitra, lava somary kitso ny tendrony: Tsoky molotra ilay vehivavy iny. Ahitsio
Tsoka
[admin]
: a.: Ilay zavatra mltsiranorano be toa menaka ao anaty taolana. - F,-p.: Fano tsoka: mpanankarem-be, mpanefohefo, trama, ngetroka, be fofon' aina. Ahitsio
Tsoka
[admin]
: a.: Fandefasana rivotra avy ao am-bava: na hamonoana na hamelomana afo na hampangatsiatsiahana na hanalana vovoka amin-javatra iray, na koa hampanenoan zavamaneno, toy ny bingo-na, trompetra. - t.i.f.: Tsofina, atsoka, voatsdka/ mitsoka, fitsàka, mpitsbka / itsôfana, fitsàfana / mahatsdka I tsotsoka. Ahitsio
Tsojay
[admin]
: a.: Filam-ban!ny aminjavatra kely tsy misy antony akory. - F.-p.: An-tsojay: amin-kalozana mihoa-pampana./Manao an-tsojay: mila vaniny am!n'izay fahadisoam-potoana kely tsy misy inona. Ahitsio
Tsoitsoy
[admin]
: ft.: Lena, vontondrano, - t.i.f.: Mitsoitsoy, fitsoitsoy. Ahitsio
Tsofotra
[admin]
: p. t.: Milentika, maty, tafasoka, nisoka: Tsofotra ity ny masoandro nefa mbola tsy niverina ihany izy. / Niasa teto aho mandra-pahatsofotry ny andro. 1 Fandentehana zavatra ao anatin' ny... - t.i.f.: Tsoforana, atsofotra, voatsofotra / manatsofotra, fanatsofotra, mpanatsofotra, anatsoforana, fanatsoforana / mitsofotra, fitsofotra / mahatsofotra / tsofotsofotra. Ahitsio
Tsoforana
[admin]
: (tsofotra) mt. pdr. na ih. (tsofory): Sitrihana, lentehana: Notsoforany benitra ny kibon'ilay fahaualo ka maty nitsitra teo no ho eo ihany. ~ Ampirehetina: No ts oforan'ilay mioramtia ny tafondrony dia Jasa nandositra izy, ? Asiana, petahana: Tsoforana uy mena mivaivay ny kekerin 'ny aUka romotra. Ahitsio
Tsofoka
[admin]
: na Sisika: Kianteny kely atsofoka na asisika ao anaty fototeny mba hanaovana sampanteny, oh. -in- atsofoka ao aorlan'ny f amin'ny teny hoe "fidy" dia ahazoana ny hoe finidy. Ahitsio
Tsofoka
[admin]
: o.: Fidirana ao anatin' ny,,.; fandrosoana ho ao afovoan'ny... i t.tf.: Tsofohana, atsofoka, voatsofoka, tafatsofokalmanatsofoka, fanatsofoka, mpanatsofoka 1 anatsofohana, fanatsofohana 1 mitsofoka, fitsofoka, mpitsofoka 1 itsofohana, fitsofohana 1 mahatsofoka 1 tsofotsofoka. Ahitsio
Hamasinina
[admin]
: Efa notsofindrano ny mariazy vaouao. Tsofohana (tsofoka) mt. pdr. (trofohy): Ampidirana: Tsofohona hazo ao anaty lava-ka. Ahitsio