Teny nampidirina farany

Tsiratsira
[admin]
: ft.: Eso, fanâovana tsy ho zavatra, fanaovana tsinontsinona, tevateva, - t.i.f.: Tsiratsiraina, voatsiratsira 1 maniratsira, faniratsira, mpaniratsira 1 aniratsirana, faniratsirana. Ahitsio
Tsirara
[admin]
: ft.: Toetran'ny olona potraka tafandry mitsilany ka ny tongotra sy ny tanana mitsidradraka. - t.i.f.: Atsirara, voatsirara, tafatsirara / manatsirara, fanatsirara, mpanatsirara 1 anatsirarana, fanatsirarana 1 mitsirara, fitsirara / itsirarana, fitsirarana 1 mahatsirara 1 tsirararara. Ahitsio
Tsiranorano
[admin]
: a: Zavatra mitsika na manamika. - t.i.f.: Mitsiranorano, fitsiranorano. Ahitsio
Tsiranirany
[admin]
: Mitovy amin'ny Ranirany. Ahitsio
Tsirangorango
[admin]
: Mitovy amin' ny Rangorango. Ahitsio
Tsirangaranga
[admin]
: a.: Zavatra mitsangantsangana sy miranirany etsy sy eroa. ~ p. t.: Matahotra: Matory tsirangaranga izy amin'ny alina noho ny habetsahan'ny mpangalatra. i Li. f.: Mitsirangaranga. Ahitsio
Tsirambina
[admin]
: a.: Tsy fitandremana: Manao an-tsirambina, • p. mis: Befahatany, tsy amim-pitandremana, zara fa vita: Ataony tsirambina daholo ny raharaha rehetra o-mena azy. - t.i.f.: Mitsirambina, fitsirambina, mpitsirambina 1 tsirambindrambina. Ahitsio
Tsirakorako
[admin]
: p.t.: Jer. Tsixakaraka. Ahitsio
Tsirakarakaina
[admin]
: (tsirakaraka) mt. ih. (tsirakarakào): Asafotofoto, asaritaka. Ahitsio
Tsirakaraka
[admin]
: p. t.: Misafotofoto, misaritaka. - t.i.f.: Tsirakarakaina, atsirakaraka, voatsirakaraka, tafatsirakaraka I manatsirakaraka, fanatsirakaraka 1 mpanatsirakaraka 1 anatsirakarakàna, fanatsirakarakàna 1 mitsixakaraka, fitsirakaraka 1 mahatsirakaraka. Ahitsio
Tsiraka
[admin]
: a.: Ny fasika eny amorondranomasina, ny moron-dranomasina: Monina any aretsiraka efa ho telo tao-na mahery izy izao. 1 Tanjona. ? Lefona lava zarana amakiana varavarana, - F.-p.: An-tsiraka: amorondranomasna. / Harena antsiraka: fananana any an-tany lavitra izay tsy azo ianteherana. / Vady an-tsiraka: vady tokantranomaso amindehilahy mandranto any anindran-tany any. Ahitsio
Tsiraka
[admin]
: na Tsirat3iraka a.: Hozatroza-javatra azo elakelahina toy ny kira. - t.i.f.: Mitsiraka, mitsiratsiraka, fitsiraka, fitsiratsiraka. Ahitsio
Tsiraidraika
[admin]
: a.: Fidoladola, fitolatola. - t.i.f.: Mitsiraidraika. Ahitsio
Tsipozipozy
[admin]
: ft.: Niavian'ny teny hoe: Mitsipozipozy: Tsy vanona tsara, mandrorona: Mitsipozipozy ny varony hatramin'izay tsy nisian'ny entana avy ana, ampita izay intsony. Ahitsio
Tsipotipotika
[admin]
: (tsipotika) p. mt.: An-tsombintsombiny: Tsy mivarotra entana tsipotipotika intsony izahay izao. Ahitsio
Tsipotika
[admin]
: a: Potipoti-javatra, sombin-javatra (jer. Potika). i t.i.f.: Tsipotipotika I mitsipotipotika. Ahitsio
Tsiporetika
[admin]
: p. t.: Tsy milamina sy misaratsaraka, tsy misa, filaharany. - t.i.f. : Mitsiporetika. Tsiporitika a.:Potipoti-javatra; zavatra tsinontsinona. Ahitsio
Tsipopotany
[admin]
: p. mt.: Hatramin' ny ela be, fahagolan-tany. Ahitsio
Tsipopontany
[admin]
: a.: Jer. Tsipopotany. Ahitsio
Tsipolitra
[admin]
: a.: Teny enti-milaza ny voa sy ny vonin'ny anantsfnahy rehefa antitra; misy toa faraingo kely vitsivitsy ny tendron'ny tsipolitra izay raha vao voakasiky ny lamba dia miraikitra aminy. * Ohab.: Tahaka ny tsipolitra: antitra vao tia sangy: enti-milaza ny olona efa zokinjokiny ihany nefs mbola manao zavatra na fihetsika tsy antonona ny taonany intsony. Ahitsio