Teny nampidirina farany

Tsipetrika
[admin]
: a: Volotsangana mitovy habe amin'ny valiha: 1 metatra sy sasany ka hatramin'ny 6 metatra ary velesina amin'ny tsorakazo kely anankiroa: olona maromaro no indray mively ka samy manana ny fipailrany avy ary dia tahaka ny tehak'olona zato any ho any ny feony. Misy fomba telo fampiasana azy: apetraka amin'ny tany, ka mipetraka amin'ny tany ny mpively azy — asiana tsatoka roa hiantonany ka mitsangana ny mpively azy — tazonin'olon-droa (iray avy isaky ny tendrony) ka mahazo mamindra na manao fihetsehana ny mpively azy. Saika fampiasa hatraiza ha-'traiza izy ity fa ny anarany no samy hafa: Tsikaretika (Antsiranana). Karatsaka (Soalala), Kimbolo (Antsohihy), Peripetika (Betsimisaraka). Ahitsio
Tsipeloka
[admin]
: a.: Famelezana ankolaka, teny an-tsafelika. 1 t,i.f: Atsipeloka, voatsipeloka 1 manatsipeloka, fanatsipeloka, mpanatsipeloka J anatsipelohana, fanatsipelohana J mitsipeloka, fitsipeloka 1 itsipelohana, fitsipelohana 1 mahatsipeloka. Ahitsio
Tsipelina
[admin]
: (angl. spelling) a.: Fanononana miavaka ny tarehintsoratra tsirairay avy ao amin'ny teny iray: Ataovy tsipelina ny teny hoe "neny„ Ahitsio
Tsipelika
[admin]
: a.: Hetsiketsika, savilivily, pelipelika. - t.i.f.: Tsipelehina, atsipelika, voatsipelika, tafatsipelika 1 manatsipelika J mitsipelika. Ahitsio
Tsipelehina
[admin]
: (tsipelika) mt. ih. (tsipeleho): Hetsiketsehina, asavilivily, pelipelehina. Ahitsio
Tsipelatra
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Tsipelaka. Ahitsio
Tsipelana
[admin]
: a.: Voninkazo maniry ho azy eny amoron-drano sy amin'ny tany mandomando, izay mifandraidraika ainin'ny lisy vazaha ny felany: fotsy misy sorany volomparasy kely mitsoriaka eo afovoany ary iray monja isan-tahony fa ankavitsiana no mba misy roa. Zavamaniry nanaitra loatra ny Ntaolo ny tsipelana ka nampidiriny amin'ny hain-teny, toy ny hoe: "Midona ny orana any Ankaratra / Vaky tsipelana ny eny Anjafy / Tomanitomany Razanaboromanga" Ahitsio
Tsipelaka
[admin]
: a.: Hazavana miserana ohatra ny helatra na tselatra. - t.i.f.: Mitsipelaka, fitsipelaka. Ahitsio
Tsipazana
[admin]
: (tsipy) mt. pdr. (tsipazo): Omena zavatra izay atoraka: Notsipazako fotsimbary ny akoho kely ka nifandrombaka izaitsizy. Ahitsio
Tsiparaparaka
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Tsininganingana. Ahitsio
Tsipapaka
[admin]
: a.: Kilalaon'ankizy. Ahitsio
Tsipaopaoka
[admin]
: p. t.: Maikamaika foana, tsy mahandry tsara ny teny lazaina na hafatra fa vao mandre laniny kely dia lasa. Ahitsio
Tsipanga
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Sompanga. Ahitsio
Tsipampamaka
[admin]
: (Tsm) a.: Tranom-borona makarakara fiompiana voronkely. Ahitsio
Tsipalotra
[admin]
: a.: Hita mandalo vetivety, hita sendrasendra, tsy nampoizina; tsikaritra: Tsipaiotro teny an-tsena i Dadanao aninaraina. - t.i.f.: Atsipalotra, voatsipalotra 1 manatsipalotra, fanatsipalotra 1 mitsipalotra, fitsipalotra 1 mahatsipalotra. ¶ M. h.: Tsipaloka. Ahitsio
Tsipaloka
[admin]
: a.: Jer. Tsipalotra. Ahitsio
Tsipalapala
[admin]
: na Tsipalapalaka: Mitovy amin'ny Palapala. Ahitsio
Tsipaka
[admin]
: a.: Fandakana; fanoherana amin'ny tongotra; fanoherana, fandavana. - t.i.f.: Tsipahina, voatsipaka, tsinipaka 1 manipaka, fanipaka, mpanipaka 1 anipahana, fanipahana I mitsipaka, fitsipaka, mpitsipaka J itsipahana, fitsipahana 1 mahatsipaka 1 tsipatsipaka. - F,-p.: Tsipaky ny hehy: miolanolan'ny hehy; toran' ny hehy. * Ohab.: Ny ana-dray amandreny toy ny tsipak'ombalahy: raha mahauoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina: enti-milaza ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny tenin-dray aman-dreny. Ahitsio
Tsipahina
[admin]
: (tsipaka) mt. ih. (tsipaho): Dakana: Notsipahiny ny rahalahiny. ? Atosika amin'ny tongotra: Tsipahiny foana ny lamba firakofana rehefa matory izy. t• Tsy raisina, tsy ekena, lavina: Notsipahiko ny heviny ka tezitra izy. ? Ariana: Notsipahiny tsy ho zanany intsony Randria fa maditra loatra. - t.i.f. :Mitsipaikona, fitsipaikona / tsipaikompaikona. Ahitsio
Tsiotsiory
[admin]
: a.: Karazan-trano mora vita nefa mateza (avy amin'izany no nahatonga ny anaran y: fitsitsiana natao ho an'ny olona ory ilay trano). Ahitsio