Teny nampidirina farany

Tsitapitapitrizay
[admin]
: p. mt: Vetivety foana taorian'izay, poa toy izay, tsielaela taorlan'izay. Ahitsio
Tsitapitapy
[admin]
: Heno mahalankalana (jar. Tapitapy). Ahitsio
Tsitakonala
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny fisisika. Ahitsio
Tsitakonala
[admin]
: (Btl) a.: Omby ranjanana, avo dia. Ahitsio
Tsitakatrankiaka
[admin]
: (Tsm) a.: Karazan'androngo madinika haingam-pandeha izaitsizy. Ahitsio
Tsitaitaika
[admin]
: a.: Filatsahan-javatra tsy misesy fa mielanelana; fitetevana. •Fanenon-dakolosy maneno dia miato. ~ Fahatongavana tsy maro miaraka fa tsikelikely, miandalana. - t.i.f.: Atsitaitaika, tafatsitaitaika 1 manatsitaitaika, fanatsitaitaika, mpanatsitaitaika j anatsitaitaihana, fanatsitaitaihana I mitsitaitaika, fitsitaitaika, mpitsitaitaika I itsitaitaihana, fitsitaitaihana 1 mahatsitaitaika. Ahitsio
Tsisy
[admin]
: mt.: Fifintinan'ny teny roa hoe "tsy misy". Ahitsio
Tsisangisangy
[admin]
: a: Tsilalao fisangisangiana, tsivazivazy. Ahitsio
Tsiroroka
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Tsorofoka. Ahitsio
Tsirokonangatra
[admin]
: a: Karazanjavamaniry fanao fanafody mampivalana sy mampahatsemboka (Cassia). Ahitsio
Tsirofo
[admin]
: p. t.: Tsy lany harena; tsy mandany fahatany. Ahitsio
Tsirodona
[admin]
: Mitovy amin'ny Rodona. Ahitsio
Tsiro
[admin]
: a.: Toetran'ny zava-pihinana, na mamy na mangidy na matsatso, tsaroan'ny lela: Samy hafa mihitsy ny tsiron' ny voasary sy ny goavy. - t.i.f.: Manatsixo I matsiro. Ahitsio
Tsirivo
[admin]
: a.: Zavamaneno kasohina toy ny tsikadraha: volotsangana vaventy toy ny haben'ny sandry no alaina; asiana dian-tsofa mitetitetika manodidina ny vatany ary tariby henjana toy ny vy amin'ny tahon'elo no atao fikasoka; mikaxantsana mafy ny feon'ny tsirivo satria feom-by, kanefa azo atao amin'izay feo ilaina rehetra izy, na malefaka na tohilava, na marisika na manambitamby eo amin'ny fiarahan-javamaneno. Ahitsio
Tsiriritra
[admin]
: ft.: Faniriana fatratra hanana na hihinana. - t.i.f.: Tsirixitina, voatsiriritra, tafatsirhitra 1 mitsiriritra, fitsiriritra, mpitsiriritra 1 itsiriritana, fitsiriritana 1 mampitsiriritra / mahatsiriritra. Ahitsio
Tsiriritina
[admin]
: (tsiriritra) mt. ih. (tsiririto): Irina fatratra ho azo na hohanina: Notsiriritiny aoka izany iiay kilalao tar? amin'ny mpivarotra. Ahitsio
Tsiririka
[admin]
: a.: Fantsitsftra. • Fivalanana miporiatra. - t.i.f.: Atsirhika, tafatsiririka 1 mitsiririka, fitsiririka, mpitsiririka 1 itsiririhana, fitsiririhana. Ahitsio
Tsiriry
[admin]
: a.: Karazan'ahitra mpaniry eny amoron-drano. (Ny fitovian'ny teny roa "tsiriry" no nahatonga ilay fitenenana maro mpahalala hoe: "Tsy mba tsiriry vorona anie aho, ka hanifi-drano dia la-sa, fa tsiriry ahitra, miorimpaka amin'ny tany mando dia maitso", izay entina mampitaha ny soa mandalo amin'ny soa maharitra. Ahitsio
Tsiriry
[admin]
: a. Jar. Raobine Ahitsio
Tsiriry
[admin]
: a.: Karazana vorona andrano mitovitovy amin' ny ganagana, saingy madinika ary miara-be manao andiany. b: misy ihany koa n'y karazan- javamaniry antsoina hoe Tsiriry. jereo hira: .....tsiriry ahitra hono e tsy mba tsiriry vorona .... Ahitsio