Teny nampidirina farany

Taiza
[admin]
: p. mt.: Enti-milaza ny lasa amin'ny Aiza ka manontany ny toerana naleha: Taiza no nitsangantsangana ianareo omaly? Ahitsio
Taitso
[admin]
: a.: Anaram-borona manga ny volony (Cona coerulea). Ahitsio
Taitra
[admin]
: p. t.: Tsy matory intsony, efa mifoha na mahatsiaro: Tamin'ny dimy aho dia taitra aninaraina. ? Mivadipo, mirongatra tampoka eo am-pahitana zavatra mahatsiravina, na fandrenesana loza tsy nampoizina: Taitra aho nahita ilay aloka nivoaka avy tao anaty kirihitra ka nanitsy nankeny amiko. / Taitra Rakoto nandre ny vadiny voadonan'ny fiarak od ia. * t.i.f.: Tairina, ataitra, voataitra, tinaitra / manaitra, fanaitra, mpanaitra / anairana, fanairana 1 mahataitra / taitaitra / hatairana, fahatairana. - F.-p.: Tai-drembona, taidrempotra: azon'ny alahelo na ny embona tampoka. / Tai-drompotra: taitra amin'ny fikasokasoky ny ravi-na (jar. rompotra), taitra amin'ny tsinontsinona na hendratrendratra amin'ny tsy antony. / Tai-dronono mandroatra: mora taitra, mitabataba amin'ny zava-madinika. / Vonjy taitra: famonjena haingana atao amin'izay asian'ny fahavalo na tratran'ny voina tampoka. * Ohab.: Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra: tsy mirai-ka miaraka amin'ny olona rehetra, ka nony dodona avy eo manimba zavatra. ΒΆ M. h.: Ankona, kehana, mivadi-po, vahotra, varahontsana, tsy maharay tena, hendratra, miontana, mientana iray ihany, midobodoboka, mirongatra, misarongatra, miantsambotra, mitsamboatra, mikopapaka, mikoropaka, mamaky takotra. Ahitsio
Taitaizina
[admin]
: (taitay) mt. ih. (taitaizo): Dodonana, hafainganina. Ahitsio
Taitay
[admin]
: a: Fahadodonana, fahamaimaizana. * t.i.f.: Taitaizina, voataitay, tafataitay / manaitay, fanaitay, mpanaitay 1 anaitaizana, fanaitaizana / mitaitay, fitaitay, mpitaitay 1 itaitaizana, fitaitaizana 1 mahataitay. Ahitsio
Taita
[admin]
: a.: Jar. Tata. Ahitsio
Tairina
[admin]
: (taitra) mt. ih, (tairo): Fohazina: Aza tairina ny ankizy fa mbola maizina, ? Ampitahorina tampoka, ampivadihim-po: Notairiny aho ka nivadika iray ihany ny foko. ? Tabaina tampoka, ka matahotra na vaky mandositra: Aza tairinao ny ombinay. Ahitsio
Taintona
[admin]
: a.: Anaran-kazomaniry izay mamy sy mahafinaritra ny voany ary ny hazony anaovana karazan-karona. Ahitsio
Taintaina
[admin]
: a: Ombotrombotra tsaroan'ny tena amin'ny aretina. ? Tebiteby na tahotra toa miandry loza ihany. - t.i.f.: Manaintaina, fanaintaina / anaintainana, fanaintainana 1 mitaintaina, fitaintaina / itaintainana, fitaintainana. Ahitsio
Taino
[admin]
: a: Fihasimban'ny Haino. Ahitsio
Taingoina
[admin]
: na Taingosana (tain-go) nit ih. (taingosy): Tapahina ny laingony, ny lohany: Taingosy ny kafe mba haniry tsara. Ahitsio
Taingo
[admin]
: a.: Fitangosana ny tsirin'ny zavamaniry, na ny laingony; fanapahana ny lamgon-javamaniry na ny tendrony; fijinjana eny amin' ny hato-bary fotsiny. - t.i.f.: Taingoina na taingosana, voataingo 1 mitaingo, fitaingo, mpitaingo / itaingoana, fitaingoana 1 mahataingo / taingotaingo. Ahitsio
Taingina
[admin]
: a.: Fiakarana eo ambony; fipetrahana eo ambonin'ny zavatra avo; fanongonam-barotra indray. - t.i.f.: Taingenana, ataingina, voataingina, tinaingina, tafataingina 1 manaingina, fanaingina, mpanaingina / anaingenana, fanaingenana / mitaingina, fitaingina, mpitaingina 1 itaingenana, fitaingenana / mahataingina. Ahitsio
Taingaina
[admin]
: (tainga) mt. ih. (taingao): Enti-milaza ny arma avy ao anaty fatana. - t.i.fa mikodia. ? Omena amboniny: Notaingenako efajato avy hatrany ilay boky natao lauanty, ka tsy nisy nahateny ny olona. Ahitsio
Tainga
[admin]
: a.: Soitrafo lava be fisokirana ny arma ao anaty fatana (amin'ny fanaovana arma). - t.i.f.: Taingaina. Ahitsio
Taindambokely
[admin]
: a: Jer. Amboalambokely. Ahitsio
Tainana
[admin]
: na Tainina (taina) mt ih. (taino): Enti-milaza izay ampirehetana afo, izany hoe izay andrahoina: Inona no ao am-patana ao, ry Bozy? Mangahazo no tainiko ao, ry Nenitoa. Ahitsio
Taina
[admin]
: a.: Fampirehetana afo mba handrahoana sakafo. * t.i.f.: Tainana na tainina, ataina, voataina / mitaina, fitaina, mpitaina 1 itainana, fitainana / mahataina. Ahitsio
Taimandriny
[admin]
: a.: Zava-miraikitra amin'ny saod?era. Ahitsio
Tailanina
[admin]
: (tailana) mt. ih. (tailano): Atao tonga tailana, didiana misomaradimbana. Ahitsio