Teny nampidirina farany

Takelajozoro
[admin]
: na Takelaka a.: Zozoro maro nalahatra dia notevehina bararata kely lava na fantaka mba hampitambatra azy. (Ny takelaka dia fanaon'ny olona solom-baravarana vonjimaika, na fefy anakonan-javatra, na tontam-parafara lafiky ny kidoro). Ahitsio
Take
[admin]
: (Ski) a.: Hazo amehezana ny ladirisy eo am-pototry ny andrin'ny botry na ny sambolay. Ahitsio
Takatsika
[admin]
: a.: Fisolokiana hamitaka na hangalatra; fitaka; fahaiza-mifetsy hamandrika na hanoro vohony. - t.i.f.: Takatsihina / mitakatsika, fitakatsika, mpitakatsika / itakatsihana, fitakatsihana. Ahitsio
Takatsihina
[admin]
: (takatsika) mt. ih. (takatsiho): Fitahina amimpiraisan-tetika. Ahitsio
Takatra
[admin]
: a.: Voronamitovitovy habe amin'ny vantotr'akoho saingy lava vozona sy lava vava, nefa ny bikan'ny lohany no manaitra avy hatrany fa tazana mandrakariva toa fisaka, nefa ny marina dia ny volony no somary lava eo ankatony sady mitsangan-dava misandrahaka; ny volon' endriky ny tenany rehetra dia manja vasoka. Ahitsio
Takatra
[admin]
: t. ih.: Tratran'ny tanana, azon'ny tanana raisina: Tsy takatro io voankazo io fa avo loatra. / Vakin'io zaza kely io izay rehetra takany. ? Mety ho tratran-javatra atsipy na atoraka: Ho taka-toraka va re iry trano mena-mena, iry? Mety ho vita noho ny fananana saina, vola: Lafo loatra izany ka tsy takatry ny volako - t.i.f.: Takarina, atakatra, voatakatra, tinakatra / manakatra, fanakatra, mpanakatra / anakarana, fanakarana / mifanakatra 1 mahatakatra. Ahitsio
Takataka
[admin]
: p. t.: Lava marotsaka, kely lava. - t.i.f.: Mitakataka. Ahitsio
Takasina
[admin]
: a.: Boribory lavalava sahala amin'ny fanoto. Ahitsio
Takaroka
[admin]
: a.: Kitapo hoditr' omby. Ahitsio
Takariva
[admin]
: a. na p. mt.: Amin' ny harivariva efa madiva ho alina na maizimaizina: Ho-mana takariva izahay. Takariva miavaka. - F.-p,: Takariva mena masoandro: ilazana ilay hariva efa madiva hilentika iny ny masoandro. Ahitsio
Takarina
[admin]
: (takatra) mt. ih. (takaro): Ezahina tratrarina amin'ny tanana: Takaro kely io sary hitsinao io. Ahitsio
Takarina
[admin]
: a.: Fandehanana miresaka na mihinana any antranon' olon-kafa. - t.i.f.: Atakarina, tafatakarina / mitakarina, fitakarana, mpitakaxana / itakarinana, fitakarinana / mahatakarina. Ahitsio
Takamoa
[admin]
: a.: Tamaboha boribory nofoanan-drivotra ao anatiny ary Inlay tsiratsiraka andalovan-drianaratra ka zary mena mivaivay miteraka hazavana; ampola. Ahitsio
Takalozana
[admin]
: (takalo) mt, ih. (takalozy): Soloana zavatra heverina ho mitovy vidy aminy: Notakalozany ny malabariny ny palitaoko. Ahitsio
Takalo
[admin]
: a.: Zavatra mitovy vidy amm'ny zavatra iray ka aso-10 azy: Ity boky ity ve no takalon'ny bokiko vaovao? Tsy hanaiky izany aho. ? h. i.: Fanomezana zavatra iray olona, hatao solon-javatra hafa avy aminy, izay ilain' ny tena: Taloha raha mbola tsy nisy ny vola, dia takalo no nifanaovana fa tsy varotra. i t. Cf.: Takalozana, atakalo, voatakalo / manakalo, fanakalo, mpanakalo / anakalozana, fanakalozana / mitakalo, fitakalo, mpitakalo 1 itakalozana, fitakalozana / mahatakalo. Ahitsio
Takalo
[admin]
: (Ski) a.: Anaran-kazandrano sahala amin'ny bontàna saingy fihinana. Ahitsio
Takalitra
[admin]
: rat.: Kalita. Ahitsio
Takaitra
[admin]
: na Taketra a.: Kilema ara-batana hatrany an-kibondreny na azo tamin'ny voina na aretina nahavoa, ka tsy mety hafenina intsony: Tany an'ady no nahazoan-dRabe an'io takaitra io. ? Fahasimbana, tsiny, kilema: Misy takaitra kely lahy ity lovia porosolaina ity. * F.-p.: Homan-takaitra: mihinana zavatr' olona izay mbola tsy maintsy honerana any aoriana. Ahitsio
Taka
[admin]
:Teny ilazana fanisana ny kofehy voafoly isantokony folo: Kofehy valo taka. Ahitsio
Taiza
[admin]
: a.: Zaza ampinonoina, karakaraina sy kolokoloina manokana: Tsy taiza intsony Ibalita fa efa zaza afamiahy tena. ? Ilazana ny zanak'olon-kafa mipetraka ao amin'ny tena ka atao toy ny zanaka: Taizanay tao an-trano Rakoto nandritra ny fito taona. - t.i.f.: Tezaina, ataiza, voataiza, tinaiza / mitaiza, fitaiza, mpitaiza / itaizana, fitaizana / mahataiza. * F.-p.: Taizan'aretina: farofy lava, marary matetika. / Taizan'andriana: ireo olona na zaza zanaky ny mpanompo teraka tao an-dapa ka ny mpanjaka no mikarakara azy. / Taizan'antitra: ilazana ny zaza omen-tsakafo matetika ka tsy misaina afa-tsy ny hanina. / Aza marofy taiza: firarian-tsoa mba hahasalama ny zaza tezaina. / Maroroha taiza: firariana ny zaza hitombo halehibeazana haingana. Ahitsio