Teny nampidirina farany

Tailana
[admin]
: p. t.: Vilana, tsy mitovy ny an-daniny roa avy, mitongilana ny ilany, somaradimbana, tafy: Tailana ity latabatra ity izany fa mitongilana ny ilany noho ny iray. * t.i.f.: Tailanina, atailana, voatailana / manatailana, fanatailana, mpanatailana / anatailanana, fanatailanana 1 mitailana, fitailana, mpitailana / fitailanana, itailanana / mahatailana / tailantailana. ? F.-p.: Tailam-pandeha: mamindra somary mihorirana kely. l Tailam-pijery: mitongilana eo am-pijerena, ka ny ilany ihany no voajery. / Taila-nandrenesana: nandre ny ilany fotsiny fa tsy ny rasa-ka manontolo ka miova ny hevitry ny zavatra re noho izany. / Tailan-doha: mivilan-doha. / Tailan-tsoritra: sori-bolo tsy mahitsy, na va-va asa mivilana. Ahitsio
Taila
[admin]
: (angl. tile) a.: Tanimanga voadoro vita efa-joro fisapisaka atao tafo na fandiavana solo-ngorodona. Ahitsio
Taikotaiko
[admin]
: a: Ranjo lava. ? Hakevohana, tsy firaharahana, fiavonavonana. * t.i.f.: Mitaikotaiko, fitaikotaiko, mpitaikotaiko / itaikotaikoana, fitaikotaikoana. Ahitsio
Taikomby
[admin]
: na Taik'omby a.: Fivalanan'ny omby, dikin' omby. - F.-p.: Taikombin-doha: hofakofaka mainty mitakovana eo amin'ny lohan'ny zazakely vao teraka, eo ambonin'ny handriny. / Tain' omby mivadika: fiteny fandre matetika entina mahatsiahy ny fahamarinan'ny Ntaolo fahizay . (Nilaina na-tao zezika ny tain'omby ka samy naka izay hitany ny olona; raha misy tain'omby nivadika kosa anefa, dia tsy nisy sahy nikasika satria fambara izany fa tain'omby efa nofandrihan'olona io). Ahitsio
Taikomby
[admin]
: na Taikombindoha a.: Hofakofaka mainty mitakovana amin'ny lohan-jazakely ka mety miendaka ho azy na kikisana mba hiala. Ahitsio
Taikataika
[admin]
: a.: Fandeha somary mitsamboamboatra, ka ny tanana sy ny tongotra mikipilipily. * t.i.f : Tafataikataika / mitaikataika, fitaikataika, mpitaikataika 1 itaikataikana, fitaikataikana / mahataikataika. Ahitsio
Taika
[admin]
: a.: Enti-milaza ny vongan-dranonorana indray mi-tete latsaka; patraka. - t.i.f.: Mitaika, fitaika / taitaika / mitaitaika. Ahitsio
Tay
[admin]
: a.: Loto maimbo mivoaka amin'ny vavafivalanana, zay tsy inona fa faika tsY levona avy amin'ny sakafo nohanina: Lava-tay. ? Loto amin'ny...: Tain-koho, taintsofina. ? Faika: Tain-kafe. - F.-p.: Tai-maso: tsiranorano fotsifotsy manjary mivaingana eo amin'ny sisin' ny maso rehefa mifoha, amin'ny maraina. / Taim-bankona: Hofakofa-kazo manify sy mihorongorona avy amin' ny hazo vankonina. / Taimbodina: enti-milaza ny akoho kely na zanak'ondry izay mbola miraikitra amin'ny vavafivalanany ny maloto avy aminy. / Taim-by: ilazana ny harafesina na tain-drendrika avy amin'ny vy. / Tai-moty: fivalanana mafy sy boribory toy ny tain'ondry. / Taimboraka: 1) ny sakafon'ny omby na ny ondry mbola hi-ta ao amin'ny rorohany rehefa vonoina izy; 2) zavatra tsy misy vidiny. / Tain-delo: zavatra fotsifotsy mitambatra manentsina ny orona, firingan-delo efa maina. / Taindrabaraba: ilazana ny taimboalavo. / Tain-drano: dilatra miraikitra amin'ny tena raha avy mandro amin'ny rano be fotaka na dilatra miraikitra amin'ny zavamaniry sy ny vato rehefa misintona ny rano. / Tain-droroha: diky na fivalanana tavela ao anaty tsinaiben'ny omby na biby vonoina rehefa rasaina. / Tai-nify: loto avy amin'ny zavatra nohanina mipetaka amin'ny vatan'ny nify. / Tain-kankana: tany mivongambongana na miangonangona avy amin'ny kankana. / Tain-kena: zavatra mitsiranorano voahidy ao anatin' ny tsinay kely amin'ny biby vonoina. / Tain-kilanjy: ny faika miafitra amin'ny fanambanin'ny tavy fifohan' ny mpifoka rongony. / Tainkoho: ny loto hita amin'ny hohon-tongotra sy tanana. / Tain-tany: ranontany avy amin'ny lavaka nohadina na noloahana. / Tain-tatatra: tany na fotapotaka nesorina avy amin'ny lalan-driaka na lakan-drano manondraka ny tanimbary. / Tain-toaka: ny faika miafitra amin'ny fanasitiliana fanaovan-toaka. / Tain-tombana: rano mivoaka ny tanimbary noho ny fahasimban'ny bainga niaro azy. / Tain-tsarika: ny potipotiky ny rmdra na silatsilaky ny kiran-dratsy nesorina tamin' izy ireo, nialoha ny handrariana sy hanenomana azy. / Tain-tsofa: ny vovoky ny hazo avy amin'ny nanatsofana azy./Tain-tsigara: ny lavenona mihintsana avy amin'ny sigara fohina. / Tain-tsofina na tain-tadiny: loto mitambatra mavomavo ao anaty sofina. / Tay tsy raha: zavatra tsy misy antony, tsinontsinona. / Homan-tain'orana: enti-milaza ireo olona fohy kely tsy mitombo halavana. / Tay be am-bauan'ny mpamosauy: teny ilazana ny zava-dratsy maharikoriko sy maloto eo am-pitantarana ny loza mety hihatra. / Tay manala sasatra: ilazana ny olona kamo ka manararaotra ny fandehanana mivalana any an-tranokely mba hakana ai-na, olona mijanona ela loatra ao an-tranokely rehefa mivalana. Ahitsio
Tahozana
[admin]
: Jer. Tangozana. Ahitsio
Tahotra
[admin]
: a.: Fahatsiarovana ny tena ho manahinahy eo anoloana na eo am-pieritreretana loza iray: Tahotra ny alika no tsy hidirako ao amin' io tanàna io. - t.i.f.: Matahotra, fatahotra, mpatahotra / atahorana, fatahorana / mampatahotra na mampitahotra / mahatahotra / tahotahotra / hatahorana, fahatahorana. * F.-p.: Afa-tahotra: tsy ma-nana ahiahy intsony. / Raiki-tahotra: feno horohoro. / Saro-tahotra: mora miahiahy sy mangorohoro. / Taho-bozona: Hakanosana tafahoatra na horohoro amin'ny tsinontsinona. / Tsy tahotra tsy henatra: ilazana olona tsy manan-katahorana ary tsy valahara tsy mahalala menatra. * Ohab.: Saro-tahotra ny masony ka te hividy ny lohany: enti-milaza ny olona matahotra noho ny zavatra nataony ihany. hon-tsotro: ny fitazonana ny Ahitsio
Tahontahona
[admin]
: p. t.: Tsotra loatra, miveravera rehefa manao zavatra, mitavozavoza, midrah o drah o ; manta vava. * t, if.: Tafatahontahona / mitahontahona, fitahontahona, mpitahontahona / itahontahonana, fitahontahonana. Ahitsio
Tahonanganala
[admin]
: a.: Anaram-bakana lavalava manopy manga. Ahitsio
Tahoina
[admin]
: (taho) mt. ih. (tahoy): Zaraina na tantanina (toaka): Dia nalain'Isorana ny laposety iray tsy mbola nivaky, sady dia notahoiny (Rabary: Raketaka zandriko). Ahitsio
Tahoana
[admin]
: (Btm) a.: Hazo na volotsangana atohy amin'ny vozon'alika ka itondrana azy lavitra. Ahitsio
Taho
[admin]
: a.: Ny rantsan'ny zavamaniry mihazona ny ravina sy ny voa: Tahom-boaloboka. ? Ny ilan'ny zavatra anankiray andraisana azy, mitovy amin'ny hoe zarana, na harana, na tango, saingy matetika samy manana ny efa fampiasa miaraka aminy avy ireo: Zaram-pamaky, haran' angady, tangon-tsotro, tahom-penina. Ireto avy ny teny ampiarahina matetika amin'ny taho: elo, filesy, penina, sotro, zinga... 1 F.-p.: Tahon'elo: ny fita- zonana ny elo. / Tahon-jin- ga: ny zaran'ny zinga. / Ta- sotro. / Tahom-penina: ny zaran'ny penina. / Tahon- tsaina: ny hazo ipetahan'ny saina. / Tahon'afokasoka: i- lazana ny zanak'afo tsirairay ao anatin'ny tranony. / Tahon-kofafa: ny zaran'ny kofafa lava. / Poa-taho: hazo tsy misy atiny toy ny volotsangana. / Taho lena: ilazana ny vary mbola maitso jinlaina ho an'ny biby fiompy (omby, ans...). ¶ M. h.: Tango, tangoza, tangozana, harana, zarana, varombo, honkona, anjonja. Ahitsio
Taho
[admin]
: a.: Fizarana na fitantanana ny toaka amin'ny mpisotro. * t.i.f.: Tahoina, voataho / mitaho, fitaho, mpitaho / itahoana, fitahoana/ mahataho. Ahitsio
Tahitahina
[admin]
: a.: Karazana sodina fa natao tamin'ny voatavo arivolahy na vilany tany kely ohatra ny totohondry ny habeny, misy lavaka roa na te-Io. (Mora vaky izy io raha mianjera ka tahitahina fatratra). Ahitsio
Tahisienina
[admin]
: (fr. tahitien) a.: Ny mponina tompon-tany any amin'ny tanin'i Tahiti, nosy lehibe indrindra amin' ireo nosy any Pasifika mifanakaiky amin'ilay tany antsoina hoe Polinezia frantsay.: Malaza amin 'ny fahaiza-mandray vahiny ny Tahisienina. ? p. t.: Mikasika an'i Tahiti, an'i Tahiti, avy any Tahiti. Ahitsio
Tahirizina
[admin]
: Tehirizina (tahiry) mt. ih. (tahirizo, tehirizo): Atokana amin'ny toerana iray mba tsy ho very na ho simba na ho lany: Notahiriziny tao am-bata ny firavaka vao novidiny, / Tahiriziko hataoko uatsy ireto uola ireto raha mandeha aho. * Tanana: Tahirizo tsara ao am-ponao ireo tenin'ny maty ireo. Ahitsio
Tahiry
[admin]
: a: Zavatra sarobidy na vola angonina amin'ny toerana iray hitsinjovana ny ho avy; rakitra: Nolaniny ny tahirin-dray aman-dreniny. * Fitandremana na fitanana ainin'ny toerana iray: Hataoko tsara tahiry ireo bokinao ireo fa aza matahotra. • t. if.: Tahirizina na tehirizina, voatahiry / mitahiry, fitahiry, mpitahiry / itahirizana, fitahirizana / mahatahiry. Ahitsio