Teny nampidirina farany

Taborotsaka
[admin]
: Jar. Borotsaka. Ahitsio
Taborobaka
[admin]
: p.t.: Loaka, voaloaka, voagorobaka. - t.i.f.: Manataborobaka, fanataborobaka, mpanataborobaka / anataborobahana, fanataborobahana / mitaborobaka, fitaborobaka, mpitaborobaka / itaborobahana, fitaborobahana / mahataborobaka. Ahitsio
Taboroaka
[admin]
: a.: Loaka tanteraka, gorobaka. - t.i.f.: Taboroahana, ataboroaka, voataboroaka / manataboroaka, fanataboroaka, mpanataboroaka / anataboroahana, fanataboroahana / mitaboroaka, fitaboroaka, mpitaboroaka / itaboroahana, fitaboroahana / mahataboro aka. Ahitsio
Taboroahana
[admin]
: (taboroaka) mt. ih. (taboroahy): Loahana tanteraka; tanterahina; gorobahana. Ahitsio
Tabory
[admin]
: a.:Ny boribory eo ambanin'ny filabiana, atao koa hoe vihina. Ahitsio
Taboretaka
[admin]
: ft.: Fipetrahana miboletaka, malemy toa reraka. * t.i.f. : Ataboretaka / manataboretaka, fanataboretaka, mpanataboretaka / anataboretahana, fanataboretahana / mitaboretaka, fitaboretaka, mpitaboretaka / itaboretahana, fitaboretahana / mahataboretaka. Ahitsio
Tabonaka
[admin]
: a.: Fibontsinana makadiry, malemilemy miroradroraka. * t.i.f. : Atabonaka, voatabonaka / mitabonaka, fitabonaka, mpitabonaka / itabonahana, fitabonahana / mahatabonaka / tabonabonaka. Ahitsio
Tabonaka
[admin]
: a.: Anaran'ny karazan-toho lehibe indrindra. Ahitsio
Taboika
[admin]
: na Tabo?-drano a.: Fivoahan'ny rano avy any anaty tany; boiboika. * t.i.f. : Mitaboika, fitaboika, mpitaboika. Ahitsio
Taboaka
[admin]
: a.: Loaka atao arnin' ny valamparia mba handehanan'ny rano any an-tanimbary. Ahitsio
Tabilao
[admin]
: (fr. tableau) a.: Fampisehoana indray mijery. Ahitsio
Tabika
[admin]
: (fit.-p.) a.: Lakan-drano. Ahitsio
Tabiha
[admin]
: a.: Olona heverina ho voninahitra ny fananana azy, rehareha: Ho tabihan'ny tanindrazana ianao rahatrizay raha mianatra tsara. Ahitsio
Tabiha
[admin]
: na Voatabiha a.: Zavamaniry fihinam-boa, andrahoina mba hampahatsiro ny laoka. Ahitsio
Tabebaka
[admin]
: p. t.: Mivelatra sy makadiry ny vavany, nefa i-va ny halaliny: Haron-tabeb ak a. * Ohab.: Lasan-ko uauany toa haron-tabebaka: enti-milaza zavatra izay anarany fotsiny no toy izao sy toy izao fa tsy arakaraka izany ny tena izy. Ahitsio
Tabatera
[admin]
: (fr. tabatière) a.: Fitoeran'ny paraky kisoka arapaka;tongobolo. Ahitsio
Tabatabaina
[admin]
: (tabataba) mt. M. (tabatabao): Tairina amin' ny horakoraka na kotaba: Aza tabatabaina ny uoronkosamborina. ? Helingelenina: Notabatabainao, hono, izy ka nanjary tsy hainy ny fianarany. Ahitsio
Tabataba
[admin]
: a.: Horakoraka, kotaba: Aoka tsY hisy hanao tabataba fa matory ny marary. ? Fikorontanana, fihetsiketsehana: Noraran'ny fanjakana ny filaharan'ny mpianatra fa mety ho nampisy tabataba teto an-tanàna. ? Fikomiana na fanoherana ny fitondrana: Nahafaty olona an'aliny maro ny tabataba tamin'ny taona 1947. - t.i.f.: Tabatabaina, atabataba, voatabataba, tinabataba / manabataba, fanabataba, mpanabataba / anabatabana, fanabatabana / mitabataba, fitabataba, mpitabataba / itabatabana, fitabatabana / mahatabataba / mampitabataba / mikotaba. Ahitsio
Tabariaka
[admin]
: a.: Fiparitadritahanjavatra etsy sy eroa. - t.i.f.: Atabariaka, voatabariaka, tafatabariaka / manatabariaka, fanatabariaka, mpanatabariaka / anatabariahana, fanatabariahana / mitabariaka, fitabariaka, mpitabariaka / itabariahana, fitabariahana / mahatabariaka. Ahitsio
Tabakoly
[admin]
: a: Vakim-bakoly, tavilotra. Ahitsio