Teny nampidirina farany

Tafarohona
[admin]
: mt.: Mandeha miara-be. Ahitsio
Tafaina
[admin]
: (tata) mt.ih. (tafao): Resahina entina mandany andro: Inona indray no notafainareo roa tao tapak'andro maninjitra? Ahitsio
Tafahitsoka
[admin]
: (hitsoka) mt, th.: Latsaka na milentika amin' ny toerana tsy ahafahana miala: Tafahltsoka ao anatin' ny fotaka ny fiara. Ahitsio
Tafabifona
[admin]
: mt.: Nitsipika nandositra. Ahitsio
Tafa
[admin]
: (fit.-p.) a.: Ota, fahadisoana — Ny zavatra entimanohitra ny tafa dia atao hoe fatafa. Ahitsio
Tafa
[admin]
: Resaka somary entina mandany andro. - t.i.f.: Tafaina, voatafa / mitafa, fitafa, mpitafa / itafana, fitafana / mahatafa / tafatafa. Ahitsio
Tafa-
[admin]
: Tovona fanaovana matoantenin'ny iharana, milaza asa efa vita tanteraka, toy ny voa- ihany koa (tafavory, voavory), saingy izy matetika milaza fa ny tena ihany no manao ny asa. Mizara karazany roa ny mt. ih. misy tovona tata- raha ny heviny no jerena: 1) raha tsy misy mpanao ny asa voalaza, dia milaza asa toa tsy an-tsitrapo sendra lasa tsy nahy ny tafa-: Tafalentika tao anaty hohoko ny tsilo. 2) raha misy mpanao kosa ny asa voalaza, dia manisika ny hevitra hoe "azo (atao)" ny tafa-: Tsy tafauoakanay intsony ilay farafara fa uizana izahay. Ahitsio
Taenimpolo
[admin]
: a.: Enti-milaza ny isa tsy mba mandeha tsifolofolo ny venty sy ny jotso na songatombony fa tsienimpoloenimpolo; oh. 1 ora = 60 minitra, 1 min. = 60 segondra. Ahitsio
Tadivavarana
[admin]
: a.: Tady avôna tsy atao fato-maty fa atao mora vahana raha vao voasintona ny laniny; ampiasaina amin'ny fandri-borona na amin'ny faningorana omby... Ahitsio
Tadio
[admin]
: a.: Rivotra mitambolimbolina sy haingam-pandeha, mitondra vovoka na ravinkazo: Toy ny tadio ny fandehan'io zazalahy io. - F.-p.: Tadio miaraka amin' ny afo: loza miampy loza ha-fa indray. Ahitsio
Tadiny
[admin]
: a.: Ny lava-tsofina. - F.-p.: Manentsin-tadiny: manampin-tsofina, tsy mety mihaino na mody tsy mandre izay lazaina aminy. Ahitsio
Tadina
[admin]
: (tady) mt, ih. (tadio): Atao tady: Hotadina no ambolena ireto rongony ireto fa tsy hofohina. ? Fatorana, rohizana: Nptadina mafy llay mpangalatra. Ahitsio
Tadimpintana
[admin]
: (Btl) a.: Randram-bolo betsileo miendrika tadim-pintana. Ahitsio
Tadidindrazana
[admin]
: (Btl) a.: Lovantsofina. Ahitsio
Tadidina
[admin]
: (tadidy) mt. ih. (tadidio): Enti-milaza zavatra izay atao ny hahatsiarovana azy; tsarovana; tsahivina: Tadidio kely izay rehetra nataonao omaly hariva. Ahitsio
Tadidy
[admin]
: a.: Fahatsiarovana, arika: Vary tadidy. ? mt. ih, (tadidio): Tsaroana, tsy hadino: Tsy tadidiko intsony ny trano nipetrahanay teto taloha. - t.i.f.: Tadidina, voatadidy / mitadidy, fitadidy, mpitadidy / itadidiana, fitadidiana / mahatadidy. Ahitsio
Tadiavina
[admin]
: (tady) mt. ih. (tadiauo): Atao izay hahitana azy: Notadiavin'ny polisy efa ho roa uolana io mpangalatra io. ¶ M.h.: Zahana, karohina. ? Tiana, irina: Lazao inona no tadiauinao, anaka, fa homeko anao. ? Kasaina: Tadiauin-drainy hatao kilasimandry Isamb?lo. Ahitsio
Tady
[admin]
: a.: Kofehy; ireo kiranjavamanirY samihafa azo atao kofehy amatorana: Makà tady hamehezana ny enta-na. ? h.i.: Famolaina: Efa nahitsy tamin'ny tady ity lalana ity. - t.i.f.: Tadina, voatady, tinady/manady, fanady, mpanady / anadiana, fanadiana / manatady, fanatady, mpanatady / anatadiana, fanatadiana / mitady, fitady, mpitady / mahatady. - F.-p.: Tady manaraka: kofehy kely ampiasaina rehefa manenona. / Tadim-bozona: ireo hozabe amin'ny vo-zona. / Tady mita: 1) tady asain'ny mpanao sikidy henjanina avy eo amin'ny zorontrano atsimo andrefana mankamin'ny zorony avaratra atsinanana mba hiarovana amin'ny loza. -2) tady henjanina avy amin'ny môrondrano iray mankamin'ny morony er? am-pita ka arahina rehefa miampita an-domano. / Tady mody: vonantady izay manenda rehefa mihenjana. / Tadim-poitra: hozatra mitarehin-tady, ary mampitohy ny zaza ao an-kibo amin-dreniny eo anelanelan'ny ahitra. / Maty an-tady: maty am-pifatorana, izany hoe am-pigadrana, ary koa enti-milaza ny tsara fototra. / Tora-tady: ilazana ny lalana mahitsy tsy misy melomeloka, ka mifanandrlfy amin'izay iaingana ny er? am-pita. Ahitsio
Tady
[admin]
: a.: Fizahana, fikarohana. * t.i.f.: Tadiavina, voatady / mitady, fitady, mpitady/itadiavana, fitadiavana / mahatady. Ahitsio
Tabotetaka
[admin]
: p. t.: Fipetrahana mibahana; fipetrahana, ka ny fitombenana mivelatra sy mitsotra amin'ny iva sy ambany. * Atabotetaka / manatabotetaka, fanatabotetaka, mpanatabotetaka / anatabotetahana, fanatabotetahana / mibotetaka, fibotetaka, mpibotetaka / ibotetahana, fibotetahana. Ahitsio