Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitambelona: (tambelona) mt. s.: Mody miaina rehefa avy torana: Efa nitambelona ue ilay ankizy safotra anikeheo? Ahitsio
Mitamberina: (tamberina) mt. s.: Mandeha dia miverina. • Mivezivezy, mivoivoy. ? Mihodinkodina eo an-toerana ihany. Ahitsio
Mitamberivery: (tamberiuery) mt. s. (mitamberivere): Misodisody, mihaodihaody. Ahitsio
Mitambesatra: (tambesatra) mt. s.: Manindry na miankina mafy amy...: Axa mitambesatra amin'ny soroko ianao. Ahitsio
Mitambezo: (tambezo) mt. p. (mitambezoa): Mangataka fatratra tsy misy fiatoana sy sesilany, miverina amin'izay nangatahiny ihany: Na dia akifikifika aza izy dia mbola mitambezo ihany. Ahitsio
Mitambina: (tambina) mt. s.: Misy tambiny, misy fanampiny. Ahitsio
Mitambitamby: (tambitamby) mt. s. (mitambitambaza) mt. s.: Manao izay hahafalifaly olona ka manasohaso azy sa-tria misy zavatra tian-ko azo aminy: Tsy mitambitamby aminao aho fa rehefa tsy manaiky ianao dia aoka ho rava ny zaua-drehetra. Ahitsio
Mitambolimbolina: (tambolina) mt. s.: Mitangolingolika: Mitambolimbolina izany ny tsinaiko. Ahitsio
Mitambolina: (tambolina) mt. s.: Mihodinkodina na miolanolana eny am-pandehanana. Ahitsio
Mitambongana: (tambongana) mt. s.: Mitambatra mivongambongana: Mitambongana ny rononomandry. Ahitsio
Mitambororotra: (tambororotra) mt s. (mitambororota): Mikororosy, mietry, miletsy: Mitambororotra ilay tany nikoa tetsy atsimo tetsy. ? Miriotra midina: Mitambororotra ny fahalalam-pomba amin'izao andro izao. ? Mitaredretra. / Maty tsikelikely. Ahitsio
Mitambotsotra: (tambotsotra) mt. s. (mitambotsora): Midi-na ambany: Mitambotsotra ny pataloanao fa akaro. ? Mikorisa midina: Asondrotra foana io zaza io rehefa ma-tory fa mitambotsotra lava izao. ? Mitaredretra: Nitambotsotra tany an-dalana ny anao ka tsy nahatratra sakafo. ? Mihena, mihaosa: Efa mitambotsotra ny sain'io antidahy io. ? Tsy mahajoro ka mianjera: Raha vao nahare ny nahafatesan-drainy izy dia torana ka nitambotsotra. * Mitakemotra tsy sahy manohy fa miverina ilalana: Nitambotsotra Rakoto ka nia-la tsy hofidina indray. /Telo no nitambotsotra tamin'ireo mpifaninana hazakazaka amin'ny tongomalady. Ahitsio
Mitamby: (tamby) mt. s.: Mikarama. Ahitsio
Mitampesona: (tampesona) mt. s. (mitampesona): Mangataka sesilany, mitambezo tsy miato ka manao hata-piso: Zatra nitampesona tamindreniny izy ka nanjary mpihantahanta Ahitsio
Mitampify: (tampify) mt. s. (mitampifia): Mitampisaka miery eo anila: Aza mitampifY amin'ny vody hazo rehefa avy ny orana ka mikotroka ny andro. ? Misisika ho eo anila noho ny tahotra na ny tsy fahampiana: Nanatona ilay rangahy be volombava, ka nitampify tamin-dreniny ilay zaza. / Nitampify tao amin'ny rafozany izy nandritra ny enimbolana taorian'ny fanambadiany. ? Miankina, mipetaka, mifanoroka amy...: Nataony nitampify tamin'ny tranony ny fisoko ka tsy neken'ny mpiandraikitra ny toe-pahasalamana. Ahitsio
Mitampina: (tampina) mt, s.: Misy tampina, izany hoe misy sarona na tsentsina na sakana: Mitampina ny mason'ny ankizy atao raosijamba. / Efa mitampina ve ilay varavarankely atsinanana tsisy fitaratra? Ahitsio
Mitampisaka: (tampisaka) rat. s. (mitampisaha): Miraikitra amin-javatra iray ka toa mipetaka na mifetaka amin'io mihitsy: Mitampisaka amin' ny vody vilany ny ampango. * Miankina akaiky dia akaiky: Nitampisaka tao am-baravarana tao izy. Ahitsio
Mitampody: (tampody) mt. s. (mitampodia): Miverina amin'ny toerana Malaria ny andro niaingana ihany. Ahitsio
Mitampoka: (tampoka) mt, p.: Miampy rano: Nitampo-drano ity ronono ity izany. Ahitsio
Mitana: (tana) mt. p. (mitàna): Mangeja na mitondra zavatra eny an-tanana: Nitana ny satrony tamin'ny tanany ankavia izy. ? Mihazona zavatra tsy ho afa-mihetsika: Iza no hitana ity omby ity fa mi-la hitroatra ilay izy? ? Tsy mamela hivoaka na handeha na handositra: Ny reniny ihany no nitana ny zanany tao an-trano. ? Mandraikitra ao an-tsaina, mahatsiaro lalandava: Aoka ianao hitana tsara izao teny izao. ? Mitahiry: Mitana lolompo, ¶ M.h.: Mihazona, mitangazona, mitangozana, mamikitra, mamahatra. Ahitsio