Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Aolonolona: (olonolona) mt.at. (aolonolony): Ahataka, avahana. Ahitsio
Aolotra: (olotra) mt. at. (aolory): Akaikezina. Ahitsio
Aoly: (oly) mt.at.: Atao miolikolika. Ahitsio
Aomana: (omana) mt. at. (aomano): Omanina, atao vonona. Ahitsio
Aomba: (omba) mt. at. (aombano): Asaina momba na amporisihina homba (antoko na olona iray): Rakoto no naombany ny antokonay. Ahitsio
Aombika: (ombika) mt.fit. (aombiho): Entina manombika, maka potipotiny na silatsilany kely: It? antsy kely i-t? aombika ny hena. Ahitsio
Aombona: (ombona) mt. at. (aombony): Asaina akambana amin'ny hafa. Ahitsio
Aombotra: (ombotra) mt, fit. (aomboty): Entina manongotra, manala amin-kery: Tandramokitra no naombotra ilay fantsika Leva afaka. Ahitsio
Aompa: (ompa) mt. fit.: Entimilaza ny olona anozonana hifotitra amin'ny tena: Ny anabauiny mihitsy no naompany azy. Ahitsio
Aompa: ompana, voaompa / manompa, fanompa, mpanompa / anompana, fanompana / miompa, fiompa, mpiompa 1 iompana, fiompana 1 mahaompa 1 mifanompa. ΒΆ M.h.: Ozona. Ahitsio
Aompana: (ompana) mt. at. (aompano): Atao miompana, aankina: Naompany tamin' ny vody hazo izy talohan'ny hikapohany azy. ~ h.o,: A-raikitra, ankinina: Azo aompana amin'ny fahaizana teknika fotsiny ire ny fandrosoan'ny firenena? Ahitsio
Aondana: (ondana) mt. at. (aondany na aondano): Atao ondana: It? ondan-jaza it? aloha aondana azy von/y maika. Ahitsio
Aondrana: (ondrana) mt. at. (aondrono): Alefa hiampita, amin'ny lakana na sambo: A-kondro oalo taonina no naondrana omaly. Ahitsio
Aondrika: (ondrika) mt. ot. (aondreho): Atao milefitra, mitanondrika: Aondreho ny loha fa aza miandrandra Ahitsio
Aonena: (onena), mt.at.: Entimilaza ny olona ampihetsehim-po, atao tonga onena, mihetsi-p o. Ahitsio
Aongaka: (ongaka) mt. at. (aongaho): Aesotra, entina. Ahitsio
Aongana: (ongana) mt.at. (aongano): Azera ambony ambany: Naongan'ilay tadio omaly ny hazo tao atsimontrano. ~ Aetry amin'ny voninahitra: Nisy manam-boninahitra maro naongan'ny fanjakana fa saika hanao hevitra hafahafa. ~ Esorina amin'ny raharaha: Naongana tsy ho lehiben'ny fivondronana intsony izy, Ahitsio
Aongonongona: (ongonongony) mtat. (aongonongony): Atao miavoavo, mivohibohitra. Ahitsio
Aongotra: (ongotra) mt.fit. (aongoty): Enti-manongotra: Tandra no aongotra ny nify raha mafy. Ahitsio
Aonitra: (onitra) mt.fit. (aorte-ro): Entina manonitra: Aiza ianao no hahita vola haonitra io fiaran'olona nosimbanao tanteraka io? Ahitsio