Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ankay: a.: Toerana mangadihady tsy misy voly na hazo, eo amoron'ny ala be. Ahitsio
Ankazo: a.: (fer. Ankazondrary), Ahitsio
Ankazondrary: na Ankazo a.: Teny enti-milaza ny familian-dalana ny fizotran'ny rary mbs. ho haingony na ho soranY. * Fiten.: Sady mijery ny ankazony no mandinika ny andalandrombony: be asa sy be herehina ka sady manao an' it? no mamonjy manao an' iroa. ¶ M.h.: Sady mifofotra no mively vy. Ahitsio
Ankehitriny: p.mt.: Enti-milaza izao vanim-potoana ivelomana izao: Betsaka ankehitriny ny tanora izay tsy miraharaha ny heuitry ny zokiolona. - F,-p.: Izao ankehitriny izao: amin'izao fotoana itenenana izao, izao isika miteny izao. Ahitsio
Ankibe: a.: Ny rantsana lehibe indrindra amin'ny tanana na ny tongotra. Ahitsio
Ankifidy: a.: Kilalaon'ny Ntaolo ara-tsaina nitsapana ny fahaiza-maminany sy mitsara zavatra amin'ny alalan'ny fampifidianana amin-javatra anankiroa izay lazaina somary an-kifonofono ka raha tsy mahay dia mahazo ny ratsy: Alao izay ho anao: be maso anaty vero sa kely maso anaty uato? (omby sa kary ?). Ahitsio
Ankihi-karana: p.mt.: Antsefatsefaky ny haram-bato. Ahitsio
Ankikely: a.: Ny kely indrindra amin'ny rantsantanana na ny rantsantongotra. Ahitsio
Ankina: a.: Fitehenana amin-javatra mba hahafahana mijoro tsara: Tsy mahay mijoro tsara ny olona efa antitra raha tsy manao ankin-drindrina. ~ Antoka: Ankim-bolan'olona it? trano it?, ka tsy azonao am idy. - F. p.: Ankin-teny: fepetra, anjoanjon-teny: Resy izao Rabe ha manao izao ankinteny izao aho aminareo mpitsara: raha tsy azoko amin'io fetr'andro io ny uolako dia tsy mahita afa-tsy ianareo mpitsara aho hakako ny uolako. - t.i.f.: ankinina, aankina, voankina, tafankina I manankina, fanankina, mpanankina / anankinana, fanankinana / miankina, fiankina, mpiankina / iankinana, fiankinana, I mahankina / ankinankina. Ahitsio
Ankinina: (ankina), mt, ih. (ankino): Atao miankina amin' ny..., ka amin'ny hevitra an' ohatra indrindra no ampiasana azy: Aza ankininao amiko irery io rahamha io. (Ampitahao: Aza aankina amin'ny rindrina ny sahafa sao maloto ny rindrina). Ahitsio
Ankizy: a.: Teny ilazana ny zaza na ny olombelona mbola kely ankapobeny: Indraindray saro-pantarina ny ho auin'ny ankizy. (t Teny ilazana rehefa mety ho zanaka, na dia efa mitokan-trano ara, raha mbola velona ray amandreniny: Ireto ankizy ireto koa manahirana, hoy Rainikoto tamin-dRasoa vadiny, mantsy an-dRakoto mivady. 1 Teny nilazana taloha, amim-pomba mitory halemem-panahy, nympanompo, ny andevo: Noheverin-dRabe ho Ikotovao ankizy fahiny i~ lay nifanena taminy, kanjo hay tsy izy. 1 Ankehitriny, teny ilazana ny vady amanjanaka, ny vady (vehivavy): Lasa any an-tsena ny ankizy ka mangingina ny trano. - F.-p.: Ankizy madinika: ireo zaza mbola kely, ry Koto kely sy ry Bozy na Ketaka; / Ankizilahy na ankizivauy: ireo zaza efa lehibebe, sakan-jaza; / ankizilahimadinika: teny nilazana fahiny an' ireo olona nahatoky ny Praiminisitra, ny dekà; / ankizimahatsoakafo: teny nilazana fahiny ihany koa an'ireo olona manana ny ampy teo amin'ny fiainana, efa manambola, mana-mpanompo, mahavelon-tena tsara. Ahitsio
Ankoala: p.t.: Lehibe ary mahia: Omby anhoala. Ahitsio
Ankoatra: ppk. na p. mt.: Enti-milaza toerana any ambadika: Any ankoatra ny tendrombohitra (ppk.). E-fa lasa any ankoatra any ilay fiaramanidina (p.mt.). - F.-p.: Any ankoatra, any amin'ny fiainana any ankoatra: any amin'ny fiainana tsy hita aorian'ny fahafatesana, ankoatra an'it? fiainana itp. Ahitsio
Ankoay: a.: Karazam-boromahery. Ahitsio
Ankobanandro: a.: Ny andro anelanelan'ny alahady roa amin'ny herinandro; ny andro amin'ny herinandro ivelan' ny alahady na ny fety: Tsy mitsahatra ny miasa izy amin'ny ankobanandro. Ahitsio
Ankody: a.: Fomban-kilalao ilokana vola ka toy izao no fandehany: raha maty ilay milalao, dia very daholo ny efa ananany, fa raha mahazo kosa, dia tongavina roa heny ny vola napetrany. Ahitsio
Ankohonana: a.: Fitambaran' ny olona rehetra izay iadidiana ao anatin'ny tokantrano: vady aman-janaka, ray amandreny antitra, mpiasa, hava-na na zana-kavana mipetraka ao amin'ny tena. Ahitsio
Ankohonohono: (t.tr.) a.: Resadresaka miely ankinina amin'ny honohono, sahoa. Ahitsio
Ankoma: (Btm) a.: Karazambibilava lehibe. Ahitsio
Ankona: a,: Karazana bibilava lehibe. Ahitsio