Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Antsibe: a.: Antsy lehibe azo ampiasaina ho toy ny farnaky fikapana hazo. Ahitsio
Antsifiharatra: a.: Antsy fanaratana toy ny hareza fahizay, ny tahony tena iray amin'ny lelany ihany. Ahitsio
Antsifohy: a.: Antsy lehibe lela Ahitsio
Antsifotsy: a.: Antsy fitondran'ny miaramila miady. Ahitsio
Antsika: s.o.: Mpisolo anarana misolo olona enti-manolo ny isika raha atao teny fameno: Mahita antsika Andriamanitra, na raha atao milaza tompon-javatra: Antsika ny fahadisoana ka aoka handefitra isika. * F.-p.: Ny antsika: enti-milaza zavatra ananana: Betsaka ny tanàna fa ny antsika no tsy afaka an-tsaiko. Ahitsio
Antsikely: a.: Antsy madinika, kelikely na ny lelany na ny zarany. - F.-p.: Antsikely be zarany: olona be didoha, be tohika. Ahitsio
Antsimbary: a.: Antsy mifaraingo ny lelany ka ampiasaina hijinjana vary. Ahitsio
Antsimbilona: a.: Antsy lehibe fanapahana vilona. Ahitsio
Antsimpanafody: a.: Antsy kely fandidian'ny dokotera marary. Ahitsio
Antsindahy: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio
Antsinkena: a.: Antsy fandidian'ny mpivaro-kena hena. Ahitsio
Antsio: a.: Anaran-kafa omena ny angely. Ahitsio
Antsipika: a.: Karazan'antsy izay misy lelany mety mipika ka misisika ao anaty tahony efa voavoatra ho amin'izany. Ahitsio
Antsitrika: (sitrika), a.: Fomba filomanosana milentika any anaty rano sady misosa ao ka raha tsy elaela tsy mitranga er? lavidavitra. Ahitsio
Antsiva: a.: Anjombona vita amin'ny akorandriakandranomasina, fampiasan'ny any amorontsiraka indrindra mba hamory fokonolona. Manana anjara lehibe eo amin'ny fia* ahan-javamaneno koa ny antsiva amin'ny foko sasany: sambatry ny Antambahoaka, antsan-tromba, baheza... Ahitsio
Antsivy: a.: Anaran'ny fanorona misy tsipika sivy fipetraham-bato ny lavany, ary dimy ny sakany. Ahitsio
Antso: a.: Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin'ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy. - t.i.f.: Antsoina, voantso ! miantso, fiantso, mpiantso f iantsoana, fiantsoana. a F.-p.: Antso valala: antso avo ren'ny vahoaka betsaka ¶ M.h.: aika avo; / mamaly antso: mamaly raha misy miantso ¶ M.h.: manoina. Ahitsio
Antsoalany: p.mt.: Vita tomombana tsara daholo (teny ampiasaina indrindra amin' ny filazana ny fombafomba rehetra tsy maintsy atao amin'ny fandevenana). Ahitsio
Antsoantso: t.v.r.; a.: Fitenenana mafy, fivazavazana. - t.i.f.: antsoantsoina / miantsoantso, fiantsoantso, mpiantsoantso ) iantsoantsoana, fiantsoantsoana. Ahitsio
Antsobo: a.: Karazan'ahitra. ~ lefona. Ahitsio