Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Angoro: na Ankonjo (Tan) a,: Teny ilazana ny fihary ao amin'ny organa maha-lehilahy na maha-lahy, izay tapahina rehefa mamositra akoholahy na ombilahy. Ahitsio
Angorodao: na Ankorodao a.: Zavamaneno iray tarika amin'ny harmonia, izany hoe tendrena, ka ny rivotra mivoaka amin'ny takela-by mifanao ambaratonga no mamoaka feo, saingy izy azo bataina ka entina mandehandeha: Mitendry angorodao. ¶ M.h.: taralila. Ahitsio
Angorodaovava: a.: Zavamaneno kely misy kilavadavaka maro, izay tsofina amin'ireo kilavadavaka ireo ka mamoaka feo maro efa mifanaraka rahateo hahavitana izay hira tiana. Ahitsio
Angoronan-damba: a.: Enti-milaza olona mampiahiahy fatratra fa efa fantatra ho mpangalatra ka raha vao mandalo dia tsy tratra ahoron'ny olona ny lambany sao angalariny. Ahitsio
Angoty: na matetika kokoa Angotingoty a.: Hantahanta atao amin'ny olona mba hitiavany ny tena, fihetsika.éntina manambitamby, haitraitram-pitia aseho amin'ny fihetsika sy fiteny miaingitra: Mahakamo indray ny mijery an'ir? zazavavy be angotingoty. ¶ M.h.: angola, angentsana, hantahanta. - t.i.f.: miangoty, fiangoty, mpiangoty 1 iangotiana, fiangotiana. Ahitsio
Angovavy: (Tsm) a.: Anabavin-dray. Ahitsio
Angovy: a.: Fanaovana na fampanaovana zavatra mafy sy an-tery, izany hoe amin-kery fotsiny izao: Manao angovy. ¶ M.h.: anditra, angidana, ambozizy. Ahitsio
Angozony: a.: Hoditr'omby nohamainina. Ahitsio
Aniana: a. Tt.: Filazana am-pahibemaso fa tsY hiova amin' ny teny natao, na koa mari-na izay lazaina. - t.i.f.: mianiana, fianiana, mpianiana / ianianana, fianianana. Ahitsio
Aniany: a. ft.: Enti-milaza ny fihalehibeazana noho ny fibontsinana na ny fivontosana. - t.i.f.: Anianiany I mianiany, fianiany. angorodaovava Ahitsio
Anie: p.mt.: Entina: milaza firariana, ka amin'izay miaraka amin'ny matoanteny milaza ny ho avy mandrakariva izy: Ho tonga anie ny fanjakanao! 1 Manantitrantitra ny hevitry ny matoanteny na ny mpamaritra eo alohany ka ny heviny amin'izay dia mitovitovy amin'ny hoe tokoa, izany mihitsy: Kapohiko a-nie ianao e. / Tandremo fa maranitra anie io antsy io e. Ahitsio
Anifa: (Ski) a.: Vay amin'ny nonon'ny vehivavy vao teraka. Ahitsio
Anihina: (anika), mt. ih. (aniho): Iakarana: Tendrombohitra telo no anihina vao tonga any aminay. Ahitsio
Anika: ft.: Enti-milaza fiakarana, fanaovana izay hahatafakarana amin'ny toerana avo, eny ambony hazo... it t.i.f.: anihina, voanika, tafanika / mananika, fananika, mpananika I ananihana, fananihana I mianika, fianika, mpianika ( ianihana, fianihana / mahanika. Ahitsio
Anikeheo: p.mt.: Mpamaritra matoanteny enti-milaza fotoana vao haingana ao anatin'ny andro iresahana ihany: Tonga anikeheo i dadatoanay. Ahitsio
Anilany: na Ankilany a.: Ny anankiray amin'ny zavatra na olona roa tonta (mifamaly amin'ny andaniny: Ny anilany, ny ankilany manaiky, ny andaniny anefa mandà.- 1 ppk.: Akaiky: Eo anilan'ny tranonay. Eto ankilanao aho no hipetraka. Ahitsio
Anina: ft: Enti-milaza fiatoana, fijanonana fa afa-po; fitsaharana tsy mandroso intsony. i t.i.f.: tafanina / mianina, fianina, mpianina / ianinana, fianinana. Ahitsio
Anina: a.: Rivotra mitsoka amin'ny faritra amoron-dranomasina. - F.-p.: anim-balaka: anina avy atsimo; / anim-baratra: anina avy avaratra; / animbalala: rivotra avy andrefana (mazàna mpitondra valala); / animbato: rivotra avy atsimo andrefana. Ahitsio
Aninangatra: (fit.-p) a.: Jer. A-nindambo. Ahitsio
Aninaraina: p.mt.: Anikeheo maraina. Ahitsio