Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Anindambo: (fit-p.) a.: Karazan-drivotra miendrika tadio kely manao faribolana tokony ho efatra metatra ny savaivony, ka rava na simba da holo ny zavatra amin'io faritra io; ataon'ny olona koa hoe aninangatra. Ahitsio
Anindrana: (jar. Indrana). Ahitsio
Aninona: (inona) p.mt.: Entimanontany anaran-tanàna: Aninona re, Andriamatoa, iry tanàna atsimo ir,) ? Ahitsio
Anintafara: (fit-p.) a: Rivotra mitsoka any am oron-tsiraka amin'ny ririnina, avy atsimo mianavaratra na avy atsimo andrefana mianavaratra atsinanana ka mitondra orana; maharitra eo amin'ny hateloana eo ny orana, fa nt' andro ratsy mitohy herinandro; ny anintafara dia amantaran' ny mpanjono ny fiavian'ny zompona Ahitsio
Anio: p.mt.: Enti-milaza ny fotoana tsy mbola nodiavina amin'ny andro itenenana: Hitsangantsangana any antsaha izahay anio. (Ny entimilaza ny fotoana efa nodiavina kosa dia androany: Nitsangantsangana tany an-tsaha izahay androany). Ahitsio
Aniritra: na Anirotrap.t.: Entimilaza fasana atao vonjimaika hametrahana faty ambarapampiditra azy ao amin'ny fasam-pianakaviana, na ny fasan-drazana: Fasana aniritra. * F,-p.: Manao anirotra: miasa am-piezahana fatratra mba hahazoana sitrany ahay, efa mihafy be erp mba hahazoana kely. Ahitsio
aniversera:fitsingerenan'ny andro nahaterahana Ahitsio
Anivo: ppk.: Afovoa: Olona eo aniuon'ny fandrosoana tahaka azy ve ka tsy hahalala izany? * F.-p.: any anivo: any afovoan-tany (rnifanohitra amin'ny any antsisin-tany, any antsiraka). Ahitsio
Anivona: a.: Karazan-kazo fanao terilatsy amin'ny rindrin'ny trano hazo. * Ohab.: Ny avonavona toy ny entan'anivona: ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy toha (maivana ny anivona ka ahazakana be na a-tao anentana lolohavina na lanjaina, saingy manonjanonja kosa ka mahasosotra): tsy mampaninona loatra ny fanambonian-tenan'ny mpiavonavona, fa ny fahitana ny fihetsiny miedinedina no mahaletra. Ahitsio
Anizety: a.: Zavamaniry azo amotsia-nify (Vepris madagascariensis). Ahitsio
Anjady: a. ft.: Enti-milaza aram-po, fanaovana ny sitrapo, ny danin'ny kibo. i Li. f.: mianjady, mpianjady, fianjady / ianjadiana, fianjadiana / mahanjady. Ahitsio
Anjafy: a.: Fizaran-tany iray amin'ny Vakinisahasarotra, ao atsinanan'Anativolo, izay heverin'ny maro ho nahazoana ilay fitenenana hoe: Midona ny orana eny Ankaratra; vaky tsipelana ny eny Anjafy. Ahitsio
Anjaika: a.: Fahavoriana lehibe manetriketrika iraratana amin'ny haingo; lanonana. i Li. f.: mianjaika, fianjaika, mpianjaika 1 iarljaikana, fianjaikana. Ahitsio
Anjaingy: a.: Honkona atao amin'ny loha tehina. 1 Zavatra atao lohany amin'ny kilalao. • Ny antsetran'ny lefona. 1 Kilalao fanaon'ny ankizilahy izay manao antsongoloka mitehina amin'ny tanana. Ahitsio
Anjaka: a.: Fonjan-javatra lava-lava: Anja-bamhina. 1 Anarana enti-milaza hoditra lavalava atao fehin-kibo na lamboridy na solon-kofehy manodidina ny mima makadiry: Anja-koditra. Ahitsio
Anjakanjaka: a.: Fampiasan-kery na tanjaka: Manao artiakanjaka: Manao an'aina sy andrezatra fotsiny. Ahitsio
Anjala: (t.tr.) o.: Salaka, sadika Ahitsio
Anjama: p.mt.: Am-pivoriambe, am-pilanonana. Ahitsio
Anjana: na Anjananjana a.: Halavana, fijoro. Ahitsio
Anjananjana: a.: Zavamaniry fantatra indrindra amin'ny anarany vazaha hoe quatre épingles, ampiasaina ho fisakanana ny fahamafisan'ny aty rindrin'ny aritera (Cassia alata). Ahitsio