Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Antsodina: na Antsody a.: jar. Sodina, Ahitsio
Antsody: a.: Fanodinana ny kofehy na ny landy amin'ny ampela na ny volotara; famolesana ny akoran-dandy ho tonga kofehy. - t.i.f.: antsodina, voantsody / manantsody, fanantsody mpanantsody j anantsodiana, fanantsodiana. Ahitsio
Antsohara: a.: Fanosorana ranon-javatra mba hahamafy ny vilany tany vaovao. - t.i.f.: Antsoharaina f manantsohara, fanantsohara, mpanantsohara, anantsoharana, fanantsoharana. Ahitsio
Antsoharaina: (antsohara) mt. ih. (antsoharao): Hosorana rano mba ho mafimafy kokoa (ny vilany vaovao). 1 h. o.: Fotopotorana na hamafisina tsara: Isika izao: uelona iray trano, maty iray fasana; fihauanana tsy misy hoantsoharaina ny antsika (kabary am-panambadiana), Ahitsio
Antsoina: na Antsovina (antso) mt ih. (antsoy na antsouy): Asaina tonga na manatona amin'ny alalan'ny feo na hofa lamba na fihetsika: Nantsoin-dRakoto ny zanany fa tsy namaly. ~ Ehina, vorina: Nantsoina ny fokonolona hihaino kabary. ~ Asiana, orne-na anarana: Rakoto, izay antaoina koa hoe Rainizafy. ~ Ampanalaina: Nantsoina ny dokotera fa mafy ny aretina. ~ Fidina, tendrena: Nantsoin'ny Filohan'ny Nosy izy hiandraikitra ny fitantanana ny vola. Ahitsio
Antsointsoina: a.: Karazan-iavamaniry fanao ody ratra (E-milia citrina), Ahitsio
Antsojay: p, mt.: Fanararaotana ny fahadisoana kely mba hamelezana: Manao antsojay: manararaotra fahadisoana na tsy fitandremana kely na tsy fahatongavana ara-potoana tsara mba hamelezana ny sasany. ΒΆ M.h.: manao kendry tohina. Ahitsio
Antsona: ft.: Ilazana ny fahatongavan'ny sambo na lakana eo amin'ny morona misy ny fitodiana; fijanonana amin'ny morona. - t.i.f.: antsonina, aantsona, voantsona ( miantsona, fiantsona, mpiantsona ) iantsonana, fiantsonana ) manantsona, fanantsona, mpanantsona ) anantsonana, fanantsonana. Ahitsio
Antsonaina: (antsona), mt, ih.: Vongaihina, aihina. Ahitsio
Antsongoloka: a.: Fanararaotana hahazoana mifetsY sy mangalatra noho ny toe-javatra hita na tsy dia manao ahoana aza izany. Ahitsio
Antsonina: (antsona), mt, ih. (antsony): Ajanona, asaina miantsona: Nantsonina ter? lauidavitro ny sambo. Fiteny kokoa ankehitriny ny hoe: aantsona. Ahitsio
Antsontsany: jer.: Tsontsany. Ahitsio
Antsorina: p.mt.: Angatahana andro mba hieritreretana. Ahitsio
Antsoro: a.: Ahitra lava ravina misy rirany mandidy ary ma-lama ka mety handavo raha voahitsaka, indrindra raha mando; izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: Boka potraka amin'ny antsoro: raha misy fiuoy dia lakana. Ahitsio
Antsoro: (Tsm) a.: Angady kely lava zarana fitondra mandeha. Ahitsio
Antsorohina: (an-tsoroka), mt. ih. (antsorohy): Entina eo an-tsoroka. ? h.o.: Raisina ho adidy, iadidiana, iandraiketana: Antsorohy ny famokarana, Ahitsio
Antsorona: ft.: Enti-milaza filazan-javatra lasa aloha loatra, izay any aoriana vao tokony hambara, na filazana mialoha ny mbola any af ara. 1 tif: antsoronina f miantsorona, fiantsorona, mpiantsorona ( iantsoroana, fiantsoroana f manantsorona, f anantsorona, mpanantsorona. ? F.-p.: Miantsoro-mianotra ny resaka: misy zavatra tokony ho nolazaina tany aloha kanefa izao vao ambara. Ahitsio
Antsoronina: (antsorona) mt. ih. (antsorony): Tenenina na atao alohan'ny fotoana tokony hanaovana azy. Ahitsio
Antsosana: (t.tr.) a.: Fanadinoana, fahafaty arika. Ahitsio
Antsotsany: a.: Fitanana ny fahadisoana mba hahazoana manararaotra Ahitsio