Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ankafizina: (fy), mt. ih. (ankafizo): Ankasitrahana, ankamamina: Ankafiziko ny toroheuitra omenao. ~ Tiavina: Ankafizo ny hauanao. Ahitsio
Ankahalaina: (hala), mt. ih, ankahalao): Iniana tsy tiana: Ankahalao ny fahotana. Ahitsio
Ankahiazina: Hahiazina (hahia), mt. ih.: Atao tonga mahia: Tsy maintsy ankahiazina, hono, Rasoa fa matauy loatra. Ahitsio
Ankamantatra: a.: Filazan-javatra izay tiana hovinanin'ny hafa ka ny toetoetran'ilay zavatra hofantarina no lazaina amin'ny teny somary lavalava: Inona àry izany: Manam-bava hihinana, fa tsy manan-kibo hasiana? (Hety na antsy). Ahitsio
Ankamaroany: (Ny) a.(jer. Ny ahkabeazany), Ahitsio
Ankambivitra: jar.: Ambivitra. Ahitsio
Ankandrefanina: (and refana), mt. ih. (ankandrefano): Ampandehanina mankany andref ana. Ahitsio
Ankanonona: a.: Mitovy amin' ny Ampanonona. Ahitsio
Ankapobe: An-kapobe na Ankapobeny, An-kapobeny a.: Ny tontaliny, ny ankamaroany: Amin'ny ankapobeny mahay mihira ny MalagasY. ~ p. mt.: Amin'ny ankamaroany, amin'ny ankabetsahanY: Noteneniny an-kapobe fotsiny ny mpianatra, fa tsy nanondro an-dRakoto na Ranaiuo manokana akory izy. Ahitsio
Ankararina: (rary), mt. ih. (ankarario): Atao izay tsy hahasalama, omena aretina; orne-na alahelo. Ahitsio
Ankaratsiana: a.: Zava-manjo (aretina, fahafatesana) midona amin'ny fianakaviana: Mifamangy ny Malagasy amin' ny ankaratsiana ? An-karatsiana p. m t.: Tsy tokony hanary ny hauana an-karatsiana Ahitsio
Ankaromiafina: a,: Enti-milaza zavatra tsy tiana ho fantatr' olona, afenina mafy; tsiambaratelo: Tsy tratra namosaka ny ankaromiafiny izy raha uao nahare izany teny izany. Ahitsio
Ankasa: p.t.: Azo zaraina roa: Ny isa roa ambin'ny folo dia isa ankasa. / Rehefa tonga ny fotoana fompakarana, dia miainga Ralehilahy sy ny lehilahy vitsivitsy na maro, isa tsy ankasa, izay atao hoe ny mpaka. Ahitsio
Ankasarotana: (sarotra), a.: Faritra eo ambanin'ny kibomalemy misy ny fananahana amin'ny tenan'ny olombelona: Anisan'ny maharary raha misy voadona eo amin'ny ankasarotana. Ahitsio
Ankasarotina: (sarotra) mt. ih. Atao izay hahasarotra azy, a-tao tonga sarotra. Ahitsio
Ankasiahina: (siaka, masiaka), mt. ih. (ankasiaho): Atao izay hampahasiaka na hampahalozabe azy: Aza ankasiahinareo eo io alika io, ranki zy a! Ahitsio
Ankaso: a.: Fanaovana izay hahavoa ny sasany na izay hahasimba ny ataony na ny fananany: Aoka tsy hifanao ankaso. ¶ M.h.: hetraketraka, filambanony, sotasota, hasomparana. Avy amin'it? farany it? indrindra no niavian'ny hoe ankaso: an-kasomparana, an-kaso, ankaso. - Fahavoazana mihatra amin'ny tena noho ny afitsoky ny fiainana: Loza ny ankason'ny tany. Ahitsio
Ankasoavana: a: Zava-tsoa mahafaly tonga amin'ny fianakaviana: Mety raha falifaly sy rauorauo rehefa mamangy amin'ny ankasoauana ? Ankasoavana p, mt.: Tia mifamangy an-kasoauana sY ankaratsiana ny Malagas y. Ahitsio
Ankasomparana: a. (fer.: Ankaso). Ahitsio
Ankatoavina: (to), mt. ih. (ankatoavy): Ekena, ankasitrahana, sitraka: Ankatoauinao ve ny heuitra naposako? Ahitsio