Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Aonja: (onja) mt,at.: Asaina ahetsiketsiky ny onja. Ahitsio
Aonjinonjina: (onjinonjina) mt. at, (aonjinonjeno): Adoladola am-pamindrana somary miaingitraingitra kely. Ahitsio
Aonona: (onona) mt, at. (aonony): Atony, atao tonga tony. Ahitsio
Aorana: (orana) mt.at. (aory): Fotsina, diovina (enti-milaza firavaka volamena na volafotsy). Ahitsio
Aoranorana: (orana) mt,at. (aoranorano): Abosibosika, arapadrapaka. Ahitsio
Aoriana: ppk, na p.mt.: Entimilaza toerana na fotoana mifanohitra amin'ny aloha, izany hoe manarakaraka ny toerana, ny fotoana hafa iray teo aloha: Ny zomà dia aorian'ny (na aorianan'ny) alakamisy (ppk. milaza fotoana). ~ Mipetraha ianao avy eto aoriana (p.mt. milaza toerana). 1 Jereo ao aoriananao fa misy alika kely manaraka anao (ppk. milaza toerana). Ahitsio
Aorika: (orika) mt.at. (aoriho): Asaina miakatra, mitsena ny rano. Ahitsio
Aorina: (orina) mt.at. (aoreno): Atsangana, atsatoka: Tamin'ny taon-dosa no naorina it? tsena it?. Ahitsio
Aoritra: (oritra) mt.fit. (aoroty): Entina manongotra. Ahitsio
Aoritra: (oritra) mt. at. (aoreto): Atao tonga mioritra; pitsohina, aforitra. Ahitsio
Aoritsa: t.p. Teny entina mamporisika ny alika mba hiady. Ahitsio
Aoroka: (oroka) mt. fit. (aorohy): Entina manoroka: Ara-ka ny fomban'ny Ntaolo dia ny orona no aoroka fa tsy ny molotra Ahitsio
Aorotra: (orotra) mt,fit. (aoroty): Entina manorotra, manongotra, manombotra. Ahitsio
Aory: (ory) mt.fit. (aorio): Entina mampahory, misangy, manorisory. Ahitsio
Aosa: (osa) mt.at.: Atao tonga osa. Ahitsio
Aositritsy: (fr, autruche) a: Kaxazam-borona avo no sady lava tends, 2m60 ny haavony, goaibe (100kg), izay mivelona an'andiany any an-tany efitra; fohy dia fohy ny elany fa ny tongony kosa mahery mandeha fa mety hahavita 40 km isan'ora. Ahitsio
Aostralianina: (fr. Australien) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Aostralia, nosy lehibe any Oseania, izay anisan'ny fizaran-tany lehibe eto amin'izao tontolo izao. ? p.t.: Mikasika an'i Aostralia na an'i Aostralia na avy any Aostralia: Ny aositritsy dia biby aostralianina no niandohany. Ahitsio
Aotina: (otina) mt, at. (aoty): Ahozongozona, ahetsiketsika. Ahitsio
Aotobisy: (fr• autobus) a: A- 4 narana omena ireo fiara ngeza natao hitondra mifamezivezy ny mponina an-tanàndehibe, manaraka zotra efa raikitra ho falehany avy; fiaram-bahoaka. Ahitsio
Aotomobilina: (fr, automobile) a: Karazana fiara mandeha amin'ny maotera, fitondrana olona na entana. Ahitsio