Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Antsambotra: a.: Fitsambikimbikina, fisavoamboana. - t.i.f.: Tafantsambotra 1 miantsambotra, fiantsambotra, mpiantsambotra 1 iantsamborana, fiantsamborana f mahantsambotra. Ahitsio
Antsamotady: a.: Tady voarandrana atao fandefasana vato amelezana: tokony ho roa metatra eo ho eo ny halavany ka eo afovoany, amin'ny fisasahany, izay atao hoe foitr'antsamotady no ametrahana ny vato; ny ilan'ny antsamotady dia atao miforitra a. min'ny ankikely, fa ny tendrony iray kosa izay atao hoe tsapok'antsamotady dia mivaha tsy misy mitana azy mba hahafahan'ilay vato miantoraka amin'izay kendrena hasiana. Ahitsio
Antsampy: ft.: Fiantsamborana, fisavihana amin'ny... - t.i.f.: Tafantsampy, 1 miantsampy, fiantsampy, mpiantsampy 1 iantsampazana, fiantsampazana 1 mahatsampy Ahitsio
Antsanga: a.: Tany na fako entin'ny riaka na ny rano ka miangona be. - F.-p.: Antsanga tsy aman' orana: zavatra tsy misy antony. Ahitsio
Antsangaina: (antsanga) p. t.: Enti=milaza ny tany izay avela ho rakotry ny fasika, tany, antsanga. • H. o.: Resaka asafotofoto amin'ny adihevitra tsisy farany. Ahitsio
Antsangorina: (antsangory) mt. ih. (antsangorio): Atao antsangory: Mitomany hoantsangorina foana io zaza io. Ahitsio
Antsangory: a.: Enti-milaza fitondrana olona eo an-tsoro-I ka ka ny fen'ilay entina mikiraviravy ny iray an-kavia, ny iray an-kavanan'ny lohan' ilay mitondra. Ahitsio
Antsantsa: a.: Trondron-dranomasina lava vatana sady matanjaka no masiaka - indrindra ireo karazany antonontonony - ka atahoran'ny olona izaitsizy, fa ireo lehibe kosa, izay mety mahatratra hatramin'ny 15 m. ny halavany, dia maro mpihaza fa mora be. Ahitsio
Antsany: (t.tr.) ppt. feh.: Dieny, dieny mbola. Ahitsio
Antsasahina: (antsasaka) mt. ih. (antsasaho): Enti-milaza ny ravim-paraky avala hilona elaela mba ho masaka tsara. Ahitsio
Antsasaka: ft.: Enti-milaza zavatra simba, lo, masiso (fiteny indrindra amin'ny ravinkazo, lokon-javatra manopY vony). i tif,: antsasahina, voantsasaka 1 manantsasaka, fanantsasaka, mpanantsasaka 1 anantsasahana, f anantsasahana 1 mantsasaka. Ahitsio
Antsasaka: Antsasany a.: Ila na tapa-javatra nozaraina roa mitovy: Nozarainy ny mofo ka nomeny ny zandriny ny antsasany. Ahitsio
Antsatoka: a.: Karazana diamanga toy izao: aingaina miakatra ny tongotra, dia aidina, ka ny ombalahintongotra no mamely ny amboampen'ny Ray asiana ka raha indroa na intelo io no voa, tsy mahainga fe intsony. Ahitsio
Antsavily: a.: Tady ahantona ka mikipilipily na mivezivezy mitondra ny tena handroso na hihemotra. - t.i.f•: miantsavily, fiantsavily, mpiantsavily I iantsaviliana, fiantsaviliana. —( Ahitsio
Antsàvony: p. Levons na lany foana, very voaka (tsy fampiasa mandeha irery io teny io fa miaraka mandrakariva amin'ireto teny ireto: lany, very, manary: Tsy hita ny alehan'ireo vola nangonina fa very antsavony tsy hi-ta pop6ka. Ahitsio
Antsefa: a.: Kilalao isehoampahakingana amin'ny tanana izay alefa ka asandrahaka, toa mikainkona, mba hamelezana ny ankilany, izay manao toy izany koa: samy mikendry izay hahatratrarana ny an-daniny avy ny mpilalao. Ahitsio
Antsefaka: a.: Halavan-drefy mitovy amin'ny elanelan'ny fanondro sy ny anky, izany hoe mitovy amin'ny voantondro efatra. Ahitsio
Antsetra: a.: Vy miendrika lelan'angady kely izay atsatoka eo andohan'ny tehina na amin'ny vody lefona mba hanavesabesatra azy ka hahamora ny fikendrena mahitsy aminy. 1 Honkon'ny zarandefona na angady. Ahitsio
Antsiantsy: a.: Karazan'androngo madinika kely, fahita eny amin'ny ahitra na eny amin'ny tamboho efa raya. Ahitsio
Antsiaraha: a.: Antsy lehibe maranitra. 1 h.o.: olona fihara-bava. Ahitsio