Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Antadiny: a.: Anaran-javamaniry madinika, fihinana ny vodiny. Ahitsio
Antafara: a.: Zavamaniry ampiasaina ho fampakarana tosidra ny hoditry ny fakany (Cabucala madagascariensis). Ahitsio
Antaifasy: a.: Anaram-poko kely amin'ny morontsiraka atsimo atsinanana, monin amin'ny tany anelanelan'1 Manampatra sy Mananara atsimo, izany hoe latsaka eo afovoan'ny Antaimoro, avaratra, sy ny Antaisaka, atsimo; renivohiny: Farafangana. Ahitsio
Antaimanambondro: a.: Foko kely dia kely, atao koa hoe Antaivondro, manodidina ny ony Manambondro, anelanelan'Iavibolo sy Masihanaka, voalaza ho iray razana amin' ny Antambahoaka. Tanna foibeny: AmparihY. Ahitsio
Antaimoro: a.: Foko lehibebe amin'ny morontsiraka atsimo atsinanana, anelanelan'i Namorona sy Manampatra. Taranak'Arabo ny Antaimoro, malaza noho ireo soratra rakitry ny ela atao hoe sorabe (teny malagasy voasoratra amin'ny tarehintsoratra arabo) mitahiry ny tantarandrazany hatramin'ny nahatongavany teto amin'ny Nosy. Tanàn-dehibe: Vohipeno, Manakara. Ahitsio
Antaisaka: a,: Foko lehibe amin'ny morontsiraka atsimo atsinanana, monina amin'ny tany voafaritr'i Mananivo, avaratra; Itomampy sy Ionaivo, andrefana; ary lavibola, atsimo. Mizara ho zana-poko vitsivitsy ny Antaisaka, izay mitsinjara ho fianakaviana maromaro indray atao hoe kibory (/er, io teny io), Tanàndehiben'ny Antaisaka: Vangaindrano, Midongy atsim o. Ahitsio
Antalarano: (Tsm) a.: Karazan' androngo mivelona anaty rano. Ahitsio
Antalihazo: na Mafaikopaka a.: Zavamaniry tena poizina azo ampiasaina ho fampakarana ny tosidra ny hoditry ny fakany sy ny tahony, nefa mbola mila fanamboarana fa tsy atao amin'izao (Ranuolfia media). Ahitsio
Antamba: a.: Bibidia masiaka sahalahala amin'ny saka ary ~ fambara loza ny fahitana azy Ahitsio
Antambahoaka: a.: Anaram-poko kely, lazain'ny lovantsofina ho taranaky ny Arabo ary mitoetra manaraka ny morontsiraka atsimo atsinanana anelanelan'i Sakaleona sy Namorona. Renivohiny: Mananjary. Ahitsio
Antambo: a.: Loza lehibe mahavoa antokon'olona maro: Trano folo no indray nirehitra! Tsy misy antambo ohatra izany! ? Zava-doza, zavatra hafahafa na zavatra mety hitondra fahavoazana: Inona indray it? antambo lazainao? a F.-p.: antambon'olona: olona tsy vanona; / loza amin' antambo: loza lehibe dia lehibe, fahoriana mihoa-pampana. Ahitsio
Antandroy: a.: Foko lehibebe amin'ny tendron'i Madagasikara atsimo indrindra mitoetra amin'ny tany voafaritry ny ony Menarandra, andrefana; Mandrare, atsinanana, ary ny havoana Vohimainty, avaratra. Ny anarany dia avy amin'ny hoe "androy", karazan-draketa be ranony, izay hany zavamaniry azo hanina amin'io tany ngazana sy maina mandavan-taona io. Tanàn-dehibebe: Ambovombe, Beloha. Ahitsio
Antankarana: a.: Foko kely amin'ny tendrony avaratr'i Madagasikara, izay mitoetra amin'ny tany manaraka ny tsipika tomandavana avy eo Ampasimena (andrefana) ka hatrany Vohemaro (atsinanana); mpiompy sY mPamboly ny Antankarana. Tanàn-dehibe: Antsiranana, Vohemaro. Ahitsio
Antanona: a.: Fahantomotra, toetran'ny zavatra mitatao akaiky dia akaiky. i t, f. f.: Manantanona, fanantanona. Ahitsio
Antanosy: a.: Foko lehibebe arpin'ny tendron'ny Nosy atsimo atsinanana indrindra; voalaza ho taranaky ny Arabo koa ny Antanosy, toy ny Antaimoro, fa niely tarnin' ireo nosy madinika manodidina; ny tany onenany betsaka indrindra ankehitriny dia eo anelanelan'i Masihanaka sy Mandrare; renivohiny: Tolaiiaro. Ahitsio
Antara: (t.tr.) a.: Dobo lalina sady mangatsiaka izaitsizy. - F.-p.: antaravelona (fer. io teny io). Ahitsio
Antaravelona: p. t.: Mangatsiaka tanteraka, mamanala aoka izany: Efa antaravelona it9 varinao fa ndeha re hano. Ahitsio
Antefa: ft.: Enti-milaza fianjerana fiantraikana, fidonana. - t.i.f.: miantefa, fiantefa, mpiantefa / iantefana, fiantefana. Ahitsio
Antehe: (Ski), a.: Ny ankavanan-dakana na sambo. (Ny mifanohitra aminy: ampiveza). Ahitsio
Antehitra: ft.: Enti-milaza fiankinana,fitokianasy tohana. à Li. f.: miantehitra, fiantehi• tra, mpiantehitra j ianteherana, fianteherana. Ahitsio