Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Antena: ft.: Toky. - t.i.f.: antenaina ( mimante-na, fanantena, mpanantena ( anantenana, fanantenana. Ahitsio
Antenaina: (antena), mt. ih. (antenao): Inoana am-pitokiana: Antenaiko fa ho avy izy. • Ampoizina: Fandresena no nantenaintsika rehetra, hoy ilay mpitari-tafika, kanjo faharesena ity no hita. • Andrasana: Rakoto no nantenain'ny mponina kanjo Rabe no tonga. Ahitsio
Antenatena: ppk.: Enti-milaza toerana eo ampovoan'ny fiakarana na fidinana iray: Niverina nody izy na dia efa tonga teo antenatena lalana axa. • h.i.: Rihana tsy ambony na ambany indrindra: A-nontanio ao antenatenany fa ao izy no mipetraka. Ahitsio
Antendriahitra: a.: Lalao fifaninanana madinidinika toy izao: alaina ny tendron'ny ahitra roa ka terena eo anelanelan'ny fanondro sy ny ankibe; raha efa izany, dia ampifidianina izay halainy ny ankizy rehetra eo, na ny fanondro na ny ankibe; vahana amin'izay ny tanana ka izay nifidy ny rantsantanana iraiketan'ny ahitra no mahazo. Ahitsio
Antenimiera: a.: Fivorian'olona vitsivitsy ao anatin'ny fikambanana iray mba hihevidraharaha. ¶ M.h.: komity. - F,-p.: Antenimieram-pirenena: anarana iantsoana ny fivorian'ny Solombavam-bahoaka, izany hoe ireo olona nofidin'ny vahoaka tamin'ny latsabato ho solontenany amin'ny famolavolana sy fanaovana lalàna. Ahitsio
Antentona: a.: Zavamaniry manampina ny fivalanan-dra ny fakany (Phyllanthus asti-eu m). Ahitsio
Anterina: (antitra), mt. ih. (antero): Atao tonga antitra, hamafisina: Nanteriny er? ny fiteniny (Ny fampiasa matetika anefa dia ny teny verindroa antitranterina). Ahitsio
Antily: na Antilimbohitra a.: Antoko mpanao raharahampanjakana nisolo ny Sakaizambohitra (jar. it~) tamin' ny taona 1884 ka ankoatra ny raharahan'ireo nodimbiasany (fikarakarana ny fandriam-pahalemana) dia mbola niandraikitra indray ny fanoratana ny teraka, ny fanambadiana, ny maty sy izay rehetra fanaon'ny Tomponarivo tat? aoriana izy ireo. • Mpiambina na mpitsikilo. Ahitsio
Antily: a.: Antokon-jatovolahy katolika anaty fikambanana iray manam-pitsipika mikendry ny hanampy ny namana mandrakariva amin'ny fanaovaria asa mahasoa ary mianatra ny hahay manavia manavanana. (Ny mifamaly amin' ny Antily, amin'ny antokom-pinoana protesta dia a-tao hoe Tily fotsiny). ~ Ahitsio
Antima: a.: Karazana varika mifandray indrindra amin'ny simpona. • H. o.: Olona ratsy tarehy aoka izany. Ahitsio
Antitra: p.a. na a.: Be taona, e-la niainana: Efa antitra dia antitra i dadabe fa ila tsy afaka mandeha intsony. • Zavamaniry fihinana toy ny katsaka, tsaramaso, mangahazo... efa azo hanina, tonga amin'ny fotoana efa ahazoana mihinana azy: Efa antitra ireto mangahazo ireto fa hadio. ? (loko) Tsy matsora, fa matevintevina: Soloy manga antitra it? lambam-baravarankely • Lany andro, tsv fampiasa intsony: Efa lamaody antitra izany dihinareo izany, hoy i Koto tamindRainy. ¶ M.h.: Antitra, tranainy, goga, konka, golagoay. - F.-p,: Anti-panahy, antitsaina: entina hilazana olona manana toetra na fisainana hendry, matotra; / trara antitra: teny fiarahabana andriana fahizay ary mbola fampiasa koa ankehitriny rehefa hanao veloma mba ho firariana ho ela velona; / ny mamerina indroa manana ny an-titra: fitenenana enti-milaza fa ny fiverimberenan-javatra dia mety hahasoa (nalaina avy amin'ny fomba fandokoana lambamena izay handroina ao anaty rano-nato ka raha tiana ho antitra tsara ny lokony dia averina indroa indray izany). - t.i.f.: anterina 1 manantitra, manantitrantitra 1 miantitra, mifanantitra. Ahitsio
Antlavany: (jer. An-tsakany). Ahitsio
Antoana: ft.: Enti-milaza fanomezam-boninahitra sy haja na koa talantalana mifanao ambaratonga. i t,i. f.: antoanina, voantoana ( miantoana / iantoanana, fiantoanana / manantoana, fanantoanana. Ahitsio
Antoandro: a.: Enti-milaza ny fotoan'andro aorian'ny ma-raina ka hatramin'ny mitataovovonana (hatreo amin' ny 8 ka hatramin'ny 12 ora): Mifohaza, rankizy, fa efa antoandro ny andro. - F.-p.: antoandrobe: efa te-na antoandro ny andro (9-10 ora); / antoandrobenanahary: efa tena antoandrobe ny andro ka mibahaka aoka izany ny masoandro (11-12 ora). Ahitsio
Antoanina: (antoana), mt. ih. (antoany): Omem-boninahitra sy haja: Antoanina sy anjoanina ianareo tonga manatrika eto, tompokolahy sy tompokovauy. Ahitsio
Antoka: a.: Fiantohana, izany hoe fanondroana zavatra ho solon'ny zavatra iray raha toa misy fahaverezany na fahasimbany it? faharoa: Tsara antoka ny famantaranandronao fa mandria ivohon'ny vato. f• Zavatra na vola izay tanana raha tsy voaloa ny vola nosamborina: Anto-bolan'olona io trano io ka tsy azonao vidina. 1 Andraikitra: Antokao raha tsy vita ara-pbtoana it? trano i-t?, • Adidy: Antoky ny ray aman-dreny ny fianaran-janany. - t.i.f.: miantoka, fiantoka, mpiantoka / iantohana, fiantohana. Ahitsio
Antoko: a.: Andiany, sokajiny iray: Antokôn-tafika. 1 Fikambanana voafaritra tsars hiavaka amin'ny hafa: Antoko politika. 1 h.i.: Mpiaraka na mpikambana miray amin'ny tena, mpiara-dia: Antokonay ry Ranona ireny. Ahitsio
Antomorina: (antomotra) mt. ih. (antomory): Akekezina akaiky dia akaiky: Aza antomorinao io hady io. 1 Hafainganina, dodonana. Ahitsio
Antomotra: p.t. nap.mt.: Akaiky, tsy ho ela intsony: Efa antomotra ityr ny krismasy. • Akaiky dia akaiky, an-tsisiny, amorona, ambivitra: Antomotra loatra io vilia eo ambony latabatra io fa akisaho. ? F.-p.: Antomotra ohatra ny oron-tsaka: akaiky dia akaiky: Efa antomotra ohatra ny oron-tsaka it9 ny fonadinana. / Antomo-dava ohatra ny andro fandroana: enti-milaza andro iray malaza na mahafinaritra ao anatin'ny taona ka eritreretina foana, fa lasa ny eo dia ny manaraka indray no heverina hany ka toa akaiky foana no fiheverana azy. - t.i.f.: antomorina, voantomotra ) manantomotra, fanantomotra, mpanantomotra 1 anantomorana, fanantomorana. Ahitsio
Antondraina: a.: Aretina ao amin'ny foto-tsofina avy amin'ny tevika tsy nety tsara. Ahitsio