Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Antsovina: (antso) jar.: Antsoina. Ahitsio
Antsy: a.: Fiasana misy lelany maranitra sy zarany, andidian-javatra na andrasana hena. Ahitsio
Any: ft.: Enti-milaza fanantsodiana kofehy anenomana. i Li. f.: anina, voany / manany, fanany, mpanany l ana-Mana, fananiana. Ahitsio
Any: p.mt.: Enti-milaza fotoana izay fampiasa mba hilazana: Fe-potoana efa lasa amin'ny andro itenenana ka mbetika mikambana amin'ny anarana iarahany izy, mbetika misaraka: Aninaraina, anikeheo, any tontolo andro. 1 Fotoana mbola ho avy, ka eto koa izy mety ho lasa aloha na aorian'ny anarana iarahany: Any andro hahatongavako dokotera. / Taona any. Ahitsio
Any: p.mt.: Enti-milaza toerana tsy hita maso, azo tovonana t raha enti-milaza ny lasa: Any Toamasina i dadatoa. / Lasa any an'ala izy. / Tany Fianarantsoa aho no teraka. Ireto avy ny fampiasana ha-fa ny any: Raha averina aloha sy aorian'ny teny milaza toerana ny any, dia milaza toerana lavitra dia lavitra tsy bita maso: Lasa nanidina any ambony any ilay fiaramanidina. 1 Indraindray kosa mifanohitra amin'ny at9 ny any: Salama tsara izahay at? fa ianareo any no manao ahoana. 1 Eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza olona izay andefasan-taratasy: Any Randria, manao ahoana icinareo? Ahitsio
An§amerana: a.: Anaram-biby any anaty rano, mafy hoditra. Ahitsio
Ao: p,mt.: Enti-milaza toerana akaikin'ny misy ny tena fa tsy anatrehana: Misy uoronkely ao an'efitra ao. ~ Toerana tsy dia lavitra Ioatra fa takona: Misy tanàna ao ambadik'io tendrombohitra io. ~ Toerana anaty: Malahelo ao am-po ny olona tsy tantera-panantenana. Ahitsio
Aobonobona: (obonobona) mt. at. (aobonobony): Abontsina. Ahitsio
Aodina: (odina) tilt. at. (aodino): Asaina mikomy: Naodin'ireo naongana tamin'ny toeram-boninahiny ny mponina tany amin'ny faritany atsinanana. Ahitsio
Aofana: (ofana) mt. at. (aofano): Atsoboka ao anaty rano na diloilo mangatsiaka rehefa avy nodorana mba ho tonga mafimafy kokoa; hamafisina, Ahitsio
Aogositra: (angl. august) a.: A-naran'ny volana fahavalo amin'ny taona, misy andro 31 Ahitsio
Aohatra: (ohatra) mt. fit. (aohary): Akana refy, andrefesana: Ity kofehy ity aohatra ny lohanao. Ahitsio
Aoitra: (oitra) mt. fit. (aoiro): Entina manainga: 10 bara vy io aoitra ilay uato. Ahitsio
Aoka: t.p.: Enti-mampitsahatra na mampijanona asa na zavatra: Aoka izay ny tabataba! p.mt.: miaraka amin'ny ho: Enti-mitaona na mitarika hanao asa na hanan-toetra toy izao na toy izao: Aoka ho malina fatratra isika. - F.p.:Aoka izany: izaitsizy: Mafy aoka izany it? hena Ahitsio
Aokalahy: a.: Zavamaniry fanao ody aretin'ny fantson'ny filahiana ny hodiny (Neotina isoneura). Ahitsio
Aolaka: (olaka) mt.at (aolahy na aolaho): Avily, asafelika; atao mibiloka. Ahitsio
Aolana: (olana) mt. at. (aolano): Ahodina ny ilany miankavia, ny ilany miankavanana: Aza aolana ny tanako fa maharary. ~ Atao mifadiditra. Ahitsio
Aolika: (olika) mt.at. (aoleho): Atao tonga mivilivily, misafelipelika. Ahitsio
Aolilolo: a.: Zavamaniry mampandositra ny bibikely toy ny parasy, hao, sns (Croton meridionalis). Ahitsio
Aolo: p. t.: Tsy misy olona, tsisy mponina: Tanàna aolo. Ahitsio