Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Antonera: (Tsm) a.: Fomba filanjana zavatra ka mitovy lanja tsara ny aloha sy ny aoriana. Ahitsio
Antonery: a.: Filanjana entanat ka ny tendron'ny bao ihany no asiana entana dia atao andamosina. Ahitsio
Antongomby: a.: Karazana diamanga sahala amin'ny antsatoka (jer. it?), fa izy kosa tsy mba ny ombalahintongotra no mamely fa ny faladia. Ahitsio
Antoniny: Antonintoniny p. mt.: Tsaratsara, metimety ihany, tsy tsara tsy ratsy: Nanao ahoana ny fanadinanao? Antonintoniny. Ahitsio
Antonona: p.t.: Ampy: Antonona azy ve io vary io? • Tsy kely tsy lehibe; tsy mafy tsy malefaka, mifanentana tsara: Izay vao antonona tsara ny hafanana. / Tsy antonona anao velively iny akanjo iny fa milobaloba aoka izany. • Sahaza, mifanaraka tsara: Tsy antonona anao io raharaha io fa ialao. Ahitsio
Antonta: (tonta) p. t.: Voatomboka, notombohina. Ahitsio
Antonta: na Antontany, a.: Zavatra mifanongoa: Antontam-bato. it p. mt.: Aza atao antontany toy izao ny vary fa merika ny andro ka tsy ho maina. Ahitsio
Antony: a.: Izay nahatonga zavatra iray: Tsy fantatro ny antony nandavany ny fangatahako. (Fanoratra koa ny hoe: ny anton'ny nandavany ny fangatahako). • Zavatra kendrena hotratrarina amin' ny asa iray na izay ilana zavatra iray: Ny taranaka no antony ilofosantsika amin'ny asa isan'andro. / Tsy fantatro ny anton'it? milina - F.-p.: antom-pivelomana: fototry ny fahazoana vola hivelomana, hohanina; / anton-draharaha: fototr'asa a-tao, Ahitsio
Antoraka: ft.: Enti-milaza fiantsampazana. - t.i.f.: miantoraka, fiantoraka, mpiantoraka f iantorahana, fiantorahana. Ahitsio
Antra: o.: Alahelo, fangorahana, fitserana, fihetseham-po te-hamonjy na hanampy: Lehi?ahy be antra iny lasa iny! • p. t.: Fatra-pangoraka, fatra-pihetsi-po mahita ny fahorian'ny hafa: Antra olona iny uehivauy iny fa tsy mitsahatra ny manome zavatra an'izay mangataka aminy. i t. t.f.: Miantra, fiantra, mpiantra / iantrana, fiantrana 1 mahantra / fahantrana. Ahitsio
Antrebotrebony: p.mt.: Foana, tsy misy antony: Novonoina antre botre bon y. Ahitsio
Antrendry: a.: Zavamaniry fianakavian'ny paimie maniry amin'ny tany mafana ary misy voany fihinana tsara. Ahitsio
Antsa: a.: Hira fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka na fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika. - t.i.f.: Antsaina, voantsa / miantsa. fiantsa, mpiantsa I iantsana, fiantsana I mahantsa. Ahitsio
Antsafa: a.: Fanontaniana toepahasalamana na toetoe-javatra: Aorian'ny arahaba no matetika atao ny antsafa. 1 Fanontaniana zavatra efa fantatra rahateo, nefa mba tiana h ofotop otorana. - t.i.f.: Antsafaina, voantsafa I manantsafa, fanantsafa, mpanantsafa f anantsafana, fanantsafana f mahantsafa. Ahitsio
Antsafaina: (antsafa) mt. ih. (antsafao): Anontaniana toepahasalamana; anontaniana momba ny zavatra efa fantatra rahateo: Nahoana no antsafainao momba izany aho, nefa efa fantatrao tsara ny momba izany? Ahitsio
Antsahabeny: a.: Ankabeazany Ahitsio
Antsaina: (antsa) mt ih (antsao): Anaovana hira fiderana miaraka amin'ny zava-maneno toy ny angaroa...: Noantsaina ny mpanjaka niverina auy niantafika. Ahitsio
Antsakaina: (tsaka), mt.ih. (antsakao): Tovozina any andoharano: Rano madio no nantsakaiko anikeheo ka mahagaga fa toa naloto tao anaty siny fotsiny tao ilay izy. Ahitsio
Antsalina: (antsaly) mt. ih. (antsalio): Hiraina amin'ny feon'ny antsaly. Ahitsio
Antsaly: a.: Karazam-borona toa angano ihany malaza ho tsara feo aoka izany.l Feonkira ritsohina amin'ny valiha; hira mitoreoreo. Ahitsio