Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitavana: (tavana) mt. s.: Mikotaba, mihinjakinjaka, mitsinja-pifaliana. 1 Manarampo amin'ny fihinanana. Ahitsio
Mitavoka: (tavoka) mt. p.: Mikapokapoka (zavatra) mba hanalana ny vovoka aminy. Ahitsio
Mitavona: (tavona) mt. s.: Mihosotra, mihosina menaka; mifotetaka. Ahitsio
Mitazana: (tazana) mt. s. (mitazàna): Mijery lavitra, mitsinjo: Mitazana ny mpangalatra avy eto am-baravarankely eto aho. Ahitsio
Mitazona: (tazona) mt. P. (mitazdna): Mitana olona na zavatra amin'ny tanana mba tsy hihetsiketsika na hivaha: Iza no hitazona ny zaza? ? Manery hipetraka, tsy marne-la hivoaka: Nitazona azy tsy an-drariny tan y am-Po nia, hono, ny polis y. Ahitsio
Mitazotazo: (tazotazo) mt. s.: Miboridana, mihanjaka, fa tsy fiteny afa-tsy amin'ny lehilahy. Ahitsio
Mitebiteby: (tebiteby) mt. s. (mitebitebe): Manahy sady matahotra no mitaitay, mihavatravatra: Voalaza fa manatona ny riuodoza: nitebiteby daholo ny iray tanàna. ? Be ahiahy, very hevitra: Tsy tokony hitebiteby ianao raha tsy nanao ratsy tsinona. Ahitsio
Mitefaka: (tefaka) mt. s.: Entimilaza zavatra vaky ka mipiaka, na tehamaina mahavoa ka mirefotra. Ahitsio
Mitefintefina: (tefintefina) mt. s. (mitefintefena): Basivava, misalovana amin'ny raharahan'ny sasany. Ahitsio
Mitefitra: (tefitra) mt. s.: Mieboebo, mihambohambo, miana-kendry na dia amin'ny zava-tsy hay aza. Ahitsio
Mitefoka: (tefoka) mt. s.: Mipoaka (toy ny fipoakan'ny basy): Nitefoka ny basy ka taitra ny ankizy. 1 Mirefotra: Nitefoka ilay rantsankazo uoahitsany ka taitra izy. Ahitsio
Mitehaka: (tehaka) mt. s. (mitehafa): Mampikatrokatroka ny felatanana roa ho mariky ny hafaliana: Nitehaka ny olona raha vao niditra izy. 1 Mamely amin'ny felatanana, mikasi-tanana: Rakoto no nitehaka ny zanakao fa tsy izaho. Ahitsio
Mitehika: (tehika) mt. p. (mitehefa): Mikasika: Tsy mitehi-tany mihitsy ny tongotra indraindray ao anaty fiarambahoaka. ? Miankina: Ataouy mitehika amin'ny rindrina ny tohatra. Ahitsio
Mitehina: (tehina) mt, s. (mitehena): Mitondra tehina: Taloha noheoerina ho fihaingoana fatratra ny mitehina. • Miankina: Mitehena amiko ianao raha mbola tsY afaka mandeha tsara. 1 Manosika lakana amin'ny tehin-dakana. - F,-p.: Mitehin-doha: ilazana ny lakana izay avy- any an-dohany no ivoizana azy — enti-milaza koa ny fiandohan'ny fahatongavana: Mitehin-doha ny lohataona: manomboka na miand'oha ho tonga ny lohataona. / Mitehin-kiho: manao ny tanana toa manery na mitehina ny valahana. / Mitehin-ko lehibe: miantombokaho lehibe. Ahitsio
Mitelina: (telina) mt s. (mite-lama): Managorodana na ma-marina any an-tenda: Mitelina vara. - F.-p.: Mitelin-drora: mankasitraka ambony ihany amim-pitsiriritana mafy ny zavatra tiana hohanina. / Mampitelin-drora: enti-milaza ny zavatra maha-te bihinana. / Mitelin-kafatra: manadino ny teny nampitondraina. Ahitsio
Mitelo: (telo) mt, s. (miteloa): Mizara telo, Ahitsio
Mitemitra: (temitra) mt, s.: Misy temitra: Tiako ny ahy ny trano mitemitra noho ny trano miloko. Ahitsio
Mitemoka: (temoka) mt. s.: Mipetraka eo amorony kely. 1 Mangalatra amim-pahakingana: Nisy nitemoka ilay famantaranandroko teto. Ahitsio
Mitemontemona: (temontemona) mt. s.: Mipetraka mininginingina amin'ny voditongotra. Ahitsio
Mitena: (tena) mt. p. (mitenà): Mitondra na manao isan' andro fitafiana izay tsy tokony hanaovana raha tsy ny alahady na andro iray: Tsy hividianako satroka intsony ianao raha mitena io satroka uaovao io. • Miakanjo fotsiny tsy mitafy lamba: Nitena akanjo indray Rasoa nanomboka tamin'ny taombaouao. Ahitsio