Teny nampidirina farany

Alotsaka
[admin]
: (lotsaka), mt. at. (alotsafa): Atsoboka, asitrika ao anaty rano. Ahitsio
Alopilopy
[admin]
: (lopilopy), mt. at. (alopilopio): Atao mitsilopilopy, mipendrampendrana. Ahitsio
Alonilony
[admin]
: (lonilony), mt. at. (alonilonio): Atao izay hahatonga malonilony, sosotsosotra, kitokitoina. Ahitsio
Alonika
[admin]
: (ionika), mt. at.: Atao izay hahatonga osaosa. Ahitsio
Alonjehitra
[admin]
: (lonjehitra), mt.at. (alonjehero): Atao milonjehitra, aforitra hitanondrika ny loha. Ahitsio
Alonina
[admin]
: (alono), mt. ih. (alony): Ananan'ny sasany alahelo noho ny soa azony na ananany: Nalonin'ny namako aho tamin'ny laharana ambony azoko tamin'ny fanadinana. Ahitsio
Aléria
[admin]
: (lona), mt. at. (alony): Aroboka ao anaty rano: A16 na ao anaty rano ny hoditra vao tsara. 1 Apetraka ela: A-za alôna eia ioatra ao ny hena sao lo. Ahitsio
Alona
[admin]
: a.ft.: Enti-milaza alahelo noho ny soa azon'ny sasany. - t.i.f.: alonina / mialona, fialona, mpialona / ialonana, fialonana. Ahitsio
Alona
[admin]
: a.: Karazan'onja madinika izay hita soritra noho ny fivalombalony eny ambony rano eny. - t.i.f.: manalona. Ahitsio
Alomano
[admin]
: (lomano), mt. at. (alomanosy): Asaina na avala milomano. Ahitsio
Alomanehaka
[admin]
: a.: Aretin-jaza mahatonga azy hisefosefo la-va, ho mora misanehaka. Ahitsio
Aloloha
[admin]
: (loloha), mt. at. (alolohavy): Atao andoha: Alolohavy ahy kely it? siny Ahitsio
Alokola
[admin]
: a.: Laharan-tsikidy fahafito amin'ny sikidy alanana. Ahitsio
Aloko
[admin]
: (loko), mt. fit. (alokoy) Entina mandoko; ampiasaina mba handokoana. Ahitsio
Alokely
[admin]
: a.: Vary vitsivitsy (raha maro izy dia atao hoe alobe) maningana masaka alohan'ny namany rehetra eo am-paniriana eny an-tanimbary. - F.-p.: Manao alokely: entimilaza ny vary masaka alohan'ny namany ka mova tsy ny manaloka kely azy ireo. Ahitsio
Aliika
[admin]
: (loka), mt. at. (alokao): Atsipy, atoraka, alefa. Ahitsio
Aloka
[admin]
: a.: Fahitana ny fanahy raha mbola velona izao ny vatana, amin'ny aloky ny te-na tarafin'ny hazavana, samy hafa amin'ny tandindona (jereo itj') . Voalazan'ny Ntaolo fa misy aloka intelo miantoana hita amin'izany: ny aloka mainty (ny vatana), ny aloka ambonin'ny mainty (ny ambiroa) ary ny aloka ambony indrindra (ny avelo) Ahitsio
Alôka
[admin]
: (loka), mt. at. (alokao): Atao loka, enti-milaza izay ifanambazana: Vola sa zavatra àry no haldka? Ahitsio
Aloka
[admin]
: a.: Faritra maizina ao ivohon'ny zavatra iray voataratry ny hazavana: Mipetrapetraha eo amin'ny alok'it? trano it?. • Toerana voaro amin'ny hainandro: Er? no misy aloka hisakafoantsika. • t.i.f.: alofana, aaloka, voaloka, tafaloka / manaloka, fanaloka, mpanaloka / analofana, fanalofana / mialoka, fialoka, mpialoka / ialofana, fialofana / mahaloka ) alokaloka / maloka. - F.-p.: Alok'akoho: aloka kely tsy maharo firy; * Ohab.: Nanao tsy ho tratry ny aloka, kanjo tratry ny alok'akoho: nihevi-tena tsy ho voan-javatra na oviana na oviana, kanjo zavatra kely foana dia nahavoa. / aloka avivitra: aloka madiva hidify; • h.o.: Sakaiza nantenaina nefa nitsoa-pahana amin'ny loza na voina naazo ny tena; / manitsaka alok'oiona: miavona sy mireûareha amin'olona. Ahitsio
Aloy
[admin]
: Aloiloy a.: Karazana lalitra madinika kely izay manidintsidina manao andiany be dia be rehefa takariva, na aorian'ny orana, ary velona ora vitsivitsy monja. Ahitsio