Teny nampidirina farany

Ampahany
[admin]
: a.: Tapany, ilany: Misy ampahany amin'it>, lalana it? mbola tsy vita tsaamborifotsy ra. 1 Sasany: Nisy ampahany tamin'ny mpivory tsy nanaiky tsy nandà. Ahitsio
Ampahafolo
[admin]
: a,: Ampahany amin'ny zavatra iray nozaraina folo: Enina ampahafolon' ny atody nakotriko no foy. Ahitsio
Ampahafito
[admin]
: a.: Ampahany amin'ny zavatra iray nozaraina fito: Enina ny roa ampahafiton'ny iraika amby roapolo. Ahitsio
Ampahadimy
[admin]
: a.: Ampahany amin'ny zavatra nozaraina dimy: Omeo azy ny telo ampahadimin'io mofomamy io. Ahitsio
Ampaha
[admin]
: (Ski) a.: Saka dia mainty, izay kelikely vatana kokoa noho ny saka fahita andavanandro. Ahitsio
Amosaviana
[admin]
: (mosavy), mt. at. (arnosauio): Asiana mosavy. Ahitsio
Amorona
[admin]
: ppk.: Eny amin'ny sisiny; manaraka ny morona na ny sisiny: Aza mijorojoro eny amoron-dalana. Ahitsio
Amontotra
[admin]
: (montotra), mt. fit.: Ilazana izay entina hampandondona zavatra, hampahamontotra, hampahatezitra olona. Ahitsio
Amontana
[admin]
: a.: Hazo lehibe midoroboka, mitovitovy amin' ny aviavy saingy ny raviny no lehibe sy matevina kokoa, ny voany boribory sahala habe amin'ny ankiben-tongotra. Ny amontana sy ny aviavy dia fahita fahizay tamin' ny tanna nonenan'andriana. Ahitsio
Amonjotra
[admin]
: (monjotra), mt. at. Atao tonga monjotra, tsy faly. Ahitsio
Amonjomonjo
[admin]
: (monjomonjo), mt. at. (amonjomonjoy): A-vela himonjomonjo: Aza amonjomonjo ny ankizy, Ahitsio
Amonia
[admin]
: Jar. Pnemonia. Ahitsio
Amongo
[admin]
: (mongo), mt. fit. (amongoa): Entina manamongo, manorotoro: Inona no hamongonao io uato io? Ahitsio
Amondra
[admin]
: a.: Teny ilazana ny adrisa rehefa avy nanatody. Ahitsio
Amiramirana
[admin]
: (miramirana), mt at. (amiramirano): Atao tonga miramirana, falifaly. Ahitsio
Amina
[admin]
: ppt.: Fiovan'ny teny hoe aman: Miteraha lahy amina uauy. Ahitsio
Amidy
[admin]
: (uidy), mt. at. (arnidio) Omena hovidina: Amidinao ve it? uorona it?? 1 mt. fit.: Entina mividy: Iny vola roapolo, ka ariary folo hamidy siramamy ary ariary folo hamidy sigara. Ahitsio
Amiba
[admin]
: (fr. amibe) a: Karazana mikraoby bibikely, mivelona ao anaty rano maloto, ka miteraka ny aretina atao hoe fivalanandra amibianina raha tafiditra any anatin'ny tena. Ahitsio
Amianta
[admin]
: (fr. amiante) a.: Mineraly tsy mety may sy tsy mandray hafanana. Ahitsio
Amiana
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry misy tsilotsilony ny raviny ka mampaharary hoditra, na mahaboka mihitsy aza, hoy ny olona sasany, raha voakasika. Ahitsio