Teny nampidirina farany

An-dakandrano
[admin]
: p, rit: Mana-raira ny lakandrano na ny lempona mifanila amin'ny hazondamosina. Ahitsio
An-dakamosina
[admin]
: p. mt.: Manaraka ny hazondamosina. Ahitsio
An-dakamboho
[admin]
: p. mt.: Manaraka ny hazondamosina. Ahitsio
Andafy
[admin]
: ppk, sady p,mt,: Enti-milaza toerana ampitan'ny rano na hady, izany hoe mifanandrify amin'ny misy ny tena fa elanelanin'ny rano na ny hady: Er? andafin'ny rano er? no misy anay (ppk.). Er? andafy atsimo no misy ny tsena (p,mt.). Mitovy firafitra amin9t? farany it? koa ny hoe any andafy izay ilazana ny tany any ampitan' ny ranomasina: Handeha hianatra any andafy izy raha avy taona. Ahitsio
Anavaratana
[admin]
: (avaratra), mt. ih. (anavarato): Alefa na atodidoha mianavaratra. Ahitsio
Anatsinomina
[admin]
: (atsimo), mt, at. (anatsinomy): Alefa na atodi-doha mianatsimo: Rehefa tonga teo amin'ilay tsangambato izahay, dia nanatsinominay ny dianay. Ahitsio
Anatsiko
[admin]
: o.: Zavamaniry ampiasaina ho ody fivalanan-dra ny hodiny (Securinega antsingyensis). Ahitsio
Anatrehana
[admin]
: ppk.: Teny mpampiankina enti-milaza toerana eo anoloana, izany hoe mifanandrify akaiky: Tsy nanan-kaualy izy teo anatrehan'ny mpitsara azy. Ahitsio
Anatrandraka
[admin]
: a.: Zavamaniry mahabe no manadio ny fivalanandrano (Lycopodialla cernua). Ahitsio
Anatra
[admin]
: a.: Torohevitra, fanorotoroana: Araho tsara ny anatry ny ray aman-dreny. 1 Fananarana, fampitandremana: Anatra lehibe ho anao izao fahavoazanao izao. 1 Hafatrafatra, filazalazana: Nanome anatra mafonja uitsivitsy ny filoha talohan'ny hiaingan'ireo hanao fanompoam-pirenena. - t.i.f,: Anarina / mananatra, fananatra, mpananatra / ananarana, fananarana / mianatra, fianatra, mpianatra / ianarana, fianarana / ampianarina ) fampianatra, mpampianatra i anatra / ampianarana, fampianarana. * Ohab.: Ny ana-dray amandreny toy ny tsipak'ombalahy: raha mahauoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina: tsy tokony hatao tsinontsinona na oviana na oviana ny torohevitra omen'ny ray aman-dreny. / Ataouy anatra imaso hifanatrehana, fa raha takona tonga fosa. / Mpiasabe uonton'anatra: any an-tsena avy no manao "rnbay lalana": ny zavatra rehetra —na dia izay tsara aza — dia mety hiova ho ratsy rehefa mihoapampana, mihoatra ny fetra. Ahitsio
Anaty
[admin]
: p,mt. na ppk.: Entimilaza toerana mifanohitra amin'ny hoe iuelany, tsy mivoaka: Hendry anaty toa samoina (p.mt). Ao anatin'ny tratra no misy ny fo (ppk,). Ahitsio
Anarina
[admin]
: (anatra), mt. th. (ana-ro): Omena torohevitra, atoro: Tsy laitra anarina io zaza io fa mafy loha. * Fiten.: Raha anarin-tsy zaka, ny tsetsetra no an'olona, fa ny tsitsitra no an'ny tena: fitenenana misy tsilalaon-teny enti-milaza fa ny ankizy tsy laitra anarina dia mampitsetsetra ny mpitazana fa mety hahafaty ny tena kosa. / anarin-tsy zaka,ka uoa uao manao hoe "Nankaiza ny tanteliko teto"?: ireo tsy laitra anarina dia mbola ho voa ka amin'izay vao hanenina bevava. Ahitsio
Anareo
[admin]
: s.o.: Mpisolo anarana misolo olona enti-manolo ny ianareo raha atao teny faine-no: Manontany anareo aho ka valio; na raha atao milaza tompon-javatra: Hay anareo it? tanimbary it?? / Ny anareo: enti-milaza zavatra ana-nana: Kely it? trano it?, ny anareo no tiako fa Jehibe. Ahitsio
Anarana
[admin]
: a.: Teny enti-milaza zavatra na biby na olona ka anavahana ary iantsoana azy: Rabe no anamn'ny rahalahiko. / Akondro no anaran'itY voankazo it9. - F.-p.: anaram-bosotra: tsy tena anarana fa anarana napetaka atao fiantsoana olona indrindra, izay mazàn nanomboka tamin'ny vazivazy na vosobosotra; / very anarana: enti-milaza ray na reny niteraka izay nanjary very anarana fa naka ny anaran-janany nampiana hoe Raini na Reni.: Vary anarana Ratsimandresy fony nitemka an'i Bao fa Jasa hoe Rainibao; / mandimby anaran-dray soa: mandimby ny voninahitra nananan'ny ray. Ahitsio
Anao
[admin]
: s.o.: Mpisolo anarana misolo olona, enti-manolo ny ianao raha atao teny fameno: Mijery anao izy; na raha atao milaza tompon-javatra: Anao ve it? satroka ity? / Ny anao: enti-milaza zavatra ananana: Iza amin' ireto boky ireto ny anao? * Ohab.: Anao aho ka mora fa raha an'olona aho sarotra: matetika tsy dia raharahaina firy ny zavatra raha eny amin'ny tena, fa raha vao lasan'olona iny, mahasarotiny izaitsizy. Ahitsio
Anantsonga
[admin]
: a.: Karazan'anana lehibebe ravina, fanao fangaron-daoka tsara (Brassica). Ahitsio
Anantsingita
[admin]
: a.: Karazan'anana mangidingidy fa mani-pofona. Ahitsio
Anantsinahy
[admin]
: a.: Karazan'anana fantatra koa amin'ny anarana hoe tsipolotra. Ahitsio
Anantsanantsana
[admin]
: (nantsanantsana), mt. at. (anantsanantsano): Atao mikarantsana, atao minantsanantsana. Ahitsio
Anantarika
[admin]
: a.: Karazan 'anana. Ahitsio