Teny nampidirina farany

An
[admin]
: Tovona fanaovana fototeny faharoa tsy dia manan-kevitra manokana: Aniara (zara), anjaika (zaika). Ahitsio
An'
[admin]
: An-, Am- (eo alohan'ny b sy ny p) ppk.: Teny mpampiankina fampiasa: eo alohan'ny anaran-tsamirery, ny mpisolo anarana na mpamaritra anarana manondro (izany, it?, izao...): a) raha a-tao teny fameno izy ireo: Nahita an-dRakoto aho ornaly. Tsy nahalala an'izany ueliueiy izy; b) raha ilazana tompon-javatra: An-dRalahy ve ireo omby ireo? Tsia, tompoko, an'izany olona avy any Antsahafiraisana izany, hono. 1 Eo alohan'ny anaran-toerana izay aorian'ny mpamaritra matoanteny milaza toerana koa: Lasa any an-tsena izy, fa tsy any ampantsakana akory. • Hoentimisolo ny amin- mba hilazana fomba na toetra: Mihira an-kafaliana (amin-kafaliana) ny ankizy. Ahitsio
Ampovoa
[admin]
: (jar. afovoa). Ahitsio
Ampongavilany
[admin]
: a.: Vilany tany nasiana tataviankena ny vavany ary mitoetra eo ambony halana mba hampihilangilana azy: velesina amin' ny rantsantanana na rantsankazo kely anankiroa ny ampongavilany; mikarantsana ny feony fa tsy mba midoboka toy ny amponga hafa. Ahitsio
Ampongavato
[admin]
: (Tsm) a.: Karazam-balala izay mampaneno elatra rehefa manidina. Ahitsio
Ampongatary
[admin]
: a.: Amponga na-tao hipetrahan'ny ankizilahy hatao hasoavana. Ahitsio
Ampongatapaka
[admin]
: a.: Amponga kely izay tsotra indrindra fa ny ilany ihany no misy hoditra hovelezina. Ahitsio
Ampongatany
[admin]
: a.: Atao koa hoe Amponga fan drotrarana: fandrotrarana mihenjana amin'ny tsatoka kely anankiroa no aingain'ny tapa-kazo kely eo ambonin'ny lavaka voarakotra tain'omby maina ary dia velezina amin'ny rantsan-kazo kely anankiroa. (Kilalaon'ny ankizy). Ahitsio
Ampongantsofina
[admin]
: a.: Elabakaka manampina ny fara vodin' ny fantson'ny tadiny ka mamindra ny fipaipaikan'ny rivotra voahetsiky ny feo amin'ny hozatra mankany amin'ny atidoha. Ahitsio
Ampongantaolo
[admin]
: a.: Amponga hoditra roa; toy ny diam-panorona ny bikan'ny tady mifamatopatotra manenjana azy eo amin'ny andilany; ampiasaina amin'ny lanonana isan-karazany. Ahitsio
Ampongandandy
[admin]
: a.: Soherindandy maty an-karanany. Ahitsio
Ampongalahy
[admin]
: a.: Amponga misy hoditra roa: ny ilany tsy faranana fa avala hikopaka toy ny ravin-tsofina, ny ilany mitovy amin'ny amponga tsotra izao ihany. Ny felatanana havia no mively eo amin'ilay misy sofiny (mikarantsana kokoa ny feony fa manify ny hoditra); ny havanana kosa mively ny ilany amin'ny tsora-kazo kely tokony ho vehana (midoboka kokoa ny feon'io fa matevina ny hoditra aminy). * Ohab.: Axa atao fively ampongalahy ny havana: ny ambaviny tambatambazana, ny andahiny dobodobohana: tsy tokony hasiana fiangarana ny fitiavan-kavana. Ahitsio
Ampongaina
[admin]
: (amponga), mt. ih. (ampongao): Dokafana izaitsizy, deraina fatratra. Ahitsio
Ampongabendanitra
[admin]
: (angl. pomegranate) a.: Hazo lehibebe mitondra voankazo sahalahala habe amin'ny paoma; ny raviny ataon'ny olona ody kibo raha mivalana, ary ny fakany mamono sakoitra (Dunica granatum). Ahitsio
Ampongabe
[admin]
: a.: Amponga misy hoditra roa, velezin'ny tanana havanana amin'ny tsorakazo sahabo ho vehana nasiana lamba bokony eo amin' ny tendrony ilany; ampiarahina mandrakariva amin'ny langorona. Ahitsio
Amponga
[admin]
: a.: Karazana vata miendrika kodiarana misy hoditra voahenjana ny lafiny roa, izay velezina amin'ny hazo kely atao hoe fiuety, ka mahatonga feo mikarantsana na midobodoboka. - t.i.f.: ampongaina / manamponga. Ahitsio
Ampondro
[admin]
: (Ski) a.: Tehin-dakana. Ahitsio
Ampondra
[admin]
: a.: Biby mitovitovy amin'ny soavaly fa kely, izay atao koa hoe boriky. Ahitsio
Ampondo
[admin]
: na Ampondontsifa (Ski) a.: Kimbalombalontandroka, izany hoe ilay tapany taolana ao anatin'ny tandroka. ',mpondontsifa a.: (jar. Am• pondo). Ahitsio
Ampomboina
[admin]
: (ampombo) mt. ih. (ampomboy): Toroina, torotoroina, mongomongoina. • H. i.: Kapohina, velesina, havokavohana. Ahitsio