Teny nampidirina farany

Ampamoaka
[admin]
: a.: Fanadinana fakana am-bavany, fanadihadiana, famotopotorana, f amakafakana: Nampanao ampamoaka momba ilay halatra omaly tao amin'ny Tranombola ny fanjakana. Ahitsio
Ampamaky
[admin]
: a.: Anaran-karatra Ahitsio
Ampalo
[admin]
: (Ski) a.: ftivotra avy any andrefana. Ahitsio
Ampalibe
[admin]
: a.: Hazo Inhibe tsy fahita afa-tsy amin'ny tany mafana, be tavolo ny voany ary anisan'ny lehibe indrindra amin'ny voankazo rehetra fa mety mahatratra 15 kilao; ny tsirony, mamy sy matsiro, saingy misy fofony maherihery kosa. Ahitsio
Ampaly
[admin]
: a.: Haro madinidinika misy raviny maraorao ka ampiasaina ho fanadiovana, fandamana na fandambolamboana zavatra, toy ny hazo. Ahitsio
Ampahibemaso
[admin]
: pin t.: Ankarihary, anoloan'ny olona rehetra ary tsy afinafenina: Tsy niafinafina akory izy nanao izany fa teo ampahibemaso tao. a F.-p.: Milaza ampahibemaAmpalesina na Ampalina (ampaly) mt. ih. (ampaleso, ampalio): Lamaina amin'ny ampaly, izany hoe atao malambolambo tsara (fiteny amin' ny hazo, taolana, tandroka na ny metaly fotsiana koa aza). 1 H. o.: Enti-milaza zavatra hatsaraina fatratra ny filaza azy mba hahafinaritra ny mpihaino na mba tsy hanafintohina ny sasany. ~ Fiten.: Miteny iray toa novankonina, miteny iray toa nain pales ma: enti-milaza o10-na roa na maro samy mahay miteny, ka izay rehetra mise-ho mahavaky vava daholo, na dia tsy mitovy akory aza ny zavatra lazainy. Ahitsio
Ampahenina
[admin]
: a.: Ny ampahany amin'ny zavatra iray nozaraina enina: Mitovy ihany ny antsasany sy ny telo am-paheniny. Ahitsio
Ampahefatra
[admin]
: a.: Ampahany iray amin'ny zavatra nozaraina efatra: Ny ampahefatry ny roapolo dia dimy. Ahitsio
Ampamelomantokana
[admin]
: a.: Halavan-drefy hatreo an-tendron-drantsantanana havia ka hatramin'ny hitsin'ny no-no havia ihany koa, izany hoe telon-jehy sy sasany na voantondro roa amby efapolo. Ahitsio
Ampamelomandroa
[admin]
: a.: Halavan-drefy hatreo an-tendrondrantsantanana havia ka hatramin'ny hitsin'ny nono havanana, izany hoe mitovy amin'ny efa-jehy sy sasany, na voantondro efatra amby dimampolo. Ahitsio
Ampamatoran-janak'omby
[admin]
: p. mt.: Mari-potoana folakandro ilay mby amin'ny toerana famatorana zanak'omby iny ny taratry ny masoandro tao amin'ny tranon'ny Ntaolo, izany hoe eo amin'ny 3 ora amin'ny famantaranandro ankehitriny. Ahitsio
Ampala
[admin]
: (Ski) a.: Folon-dambo filalaovana misy sari-na lehilahy mitondra famaky. Ahitsio
Ampaka
[admin]
: a.: Loka kanety ataon'ny ankizy: izay mahafaty dia maka ny kanetin'ny resy: Ampaka roa, / ampaka telo: kanety roa, telo no indray alain'ilay maharesy. Ahitsio
Ampaingoina
[admin]
: (paingo) mt, ih. (ampaingoy): Enti-milaza ny olona asiana gadra ny tongany, na ny vorona asiana fatotra ny tongony. Ahitsio
Ampaingo
[admin]
: a.: Fato-pohy, gadra fohy (jer. parapaingo). Ahitsio
Ampahimandry
[admin]
: (Tsm) a.: Longoa, hady na lavaka tsatohana volotsangana na hazo maranitra mba hamandrihana lambo. Ahitsio
Ampahavalo
[admin]
: a.: Ampahany iray amin'ny zavatra zaraina valo. so; / mamoaka ampahibemaso: milaza mba ho fantatry ny olona rehetra: Efa namoaka lalàna ampahibemaso momba izany ny fanjakana. Ahitsio
Ampahatelo
[admin]
: a.: Ny ampahan' ny zavatra iray izay nozaraina tain mitovy. Ahitsio
Ampahasivy
[admin]
: a.: Ampahany iray amin'ny zavatra nozaraina sivy. Ahitsio
Ampahany
[admin]
: a.: Fizarazarana mitovy ny venty na vongana iray ka ny filaza azy amin'ny kajy dia amin'ny alalan'ny tarehimarika roa mifanao ambony sy ambany sarahin' ny tsipika roa, ka ilay ambany milaza ny isa nizarana ny vongana, ary ilay ambony, ny isa nalaina tamin'ireo fizarazarana, oh. 3/7, ampahany milaza fa nozalaina 7 ny venty ka 3 no nalaina tamin' izany. Ahitsio