Teny nampidirina farany

Am-parakatsakatsaka
[admin]
: p. mt.: Any lavitra dia lavitra tsy hi-ta any. Ahitsio
Ampanonona
[admin]
: na Fampanonona a.: Karazan'ankamantatra saingy ny filazana ilay zavatra hovinanina no amin' ny teny fohy no anaovana azy: Inona dry izany: Tanora banga, antitra vao boribory? (volana). Ahitsio
Ampanondro
[admin]
: a.: Anarana ilazana ny tadim-baliha ka ilay anaovana ny feo saikiny indrindra no lazaina amin'izany, mifanohitra amin'ny domatina izay ilazana ny feo beso ambany indrindra. Ahitsio
Ampanoa
[admin]
: (fr. panneau) a.: I-lay rafitra atao haingon'ny kibom-baravarana. Ahitsio
Ampanjatoana
[admin]
: na Ampiravahana a.: Halavan-drefy hatreo an-tendron - drantsantanana ka hatramin'ny fisasahan'ny lanton-tsandry, izay matetika fasiana ny firavaka amin' ny tanana (mitovy amin'ny irain-jehy sy sasany, na voantondro valo ambin'ny folo). Ahitsio
Ampanjanahina
[admin]
: (zanaka), mt. at. (ampanjanàho): Ampisamborina misy zanany: Te-Io alina izao ny volan-dRangahy io ampanjanahiny any rehetra any. Ahitsio
Ampanjahanina
[admin]
: (zanaka), mt. at. (ampanjahàno): Tsy avala hikotrika, sakanana tsy hikotrika (akoho). Ahitsio
Ampangoro
[admin]
: a.: Vary andrahoina atao nitra ny ranony ka somary may kely aza ny vody vilany ary misy takela-bary may miraikitra aminy izay antsojna hoe ampango, niavian'it? teny ¶ M. h.: vary maina. Ahitsio
Ampangorimbary
[admin]
: a.: Anaran' ahitra madinika mani-pof o-na. Ahitsio
Ampango
[admin]
: a.: Takela-bary mai-na maimay sady manitra miraikitra amin'ny vody vilany nahandroana azy. - F.-p,: Ranon'ampango: rano nampangotrahina miaraka amin'ny ampango ka manjary mivolom-bolamena antitra ary fisotro manana tsiro sy hanitra manokana (atao koa hoe ranovola). * Ohab.: Mikoan'ny nahiny ohatra ny ampango tra-maraina: miala ho azy amin'ny nahim-pony fa tsy ilaina esorina akory rehefa tonga ny fotoanany. Ahitsio
Ampangatsiahina
[admin]
: (hatsiaka), mt. at. (ampongatsiaho): A-tao tonga mangatsiaka. Ahitsio
Ampangandrano
[admin]
: a.; Zavamaniry fanao fanafody mamono ny sakoitra (Marattia fraxinea). Ahitsio
Ampangaina
[admin]
: (ampanga), mt. ih. (ampangao): Tondroina ho nanan ratsy, tonna: Ampangainao ho nanao izany a-ho, nefa tsy teto akory aho tamin'io fotoana io. Ahitsio
Ampanga
[admin]
: ft.: Fitoriana olona ho nanao ratsy. - t.i.f.: ampangaina, voampanga / miampanga, fiampanga, mpiampanga / iampangana, fiampangana / mahampanga. ? F.-p.: Ampanga fisaka: fiampangana miharo fanendrikendrehana, hasomparana; / ampanga lainga: fiampangana mifototra amin'ny lainga; / ampanga vilana: fiampangana mihoa-pampana; / miampanga tena: miaiky ny hadisoan'ny tena. Ahitsio
Ampanga
[admin]
: a.: Karazan-kazo madinika maniry eny an-tanety somary misy fasika; ny raviny mizarazara maro madinika. Ahitsio
Am-pandronjinana
[admin]
: p. mt.: Eo amin'ny toerana an-kilahila ifanosehana. Ahitsio
Ampandraofana
[admin]
: a.: Halavandrefy hatreo an-tendrondrantsantanana ka hatramin' ny afovoan'ny felatanana, izany hoe mitovy amin'ny antsasa-jehy na voantondro enina. Ahitsio
Ampanataovana
[admin]
: a,: Toerana misy fanataovana, izany hoe antontam-bato na zavatra ha-fa eny amoron-dalana izay natsipin'ny mpandalo nivoady na nangata-javatra. Ahitsio
Ampanarahina
[admin]
: (araka), p. t.: Enti-milaza ny ombivavy ampiraisina amin'ny ombilahy mba hahazoana taranaka. Ahitsio
Ampamolahana
[admin]
: a.: Halavandrefy hatreo amin'ny tendron-drantsantanana iray ka hatramin'ny filefitry ny kihon'ny tanana ilany (refy latsaka hakiho no halavany). Ahitsio