Teny nampidirina farany

Ambora
[admin]
: a.: Hazo mafy sy mateza tsy mety lo ka nanaovan'ny Ntaolo vata fandevenana ny Andriana. Natao fanompoana mihitsY ny fakana ambora ka izay voatendry nefa manao alasafay dia nosazin'ny mpibaiko ka nampilanjainy hazo sendra teny; izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: Todin'ny ambora tsy nentina ka mivongi-kazo tsy fantatra: enti-milaza ny sazy miandry izay manao tsirambina ny adidiny. (Monimiacées tambourissa). • A-zo ampiasaina ho fanaovana gararaka sy fanontsanam-bava koa ny hoditry ny ambora sy ny voany. Ahitsio
Ambontso
[admin]
: a.: Trondron-dranomasina misy vombony te-Io eo an-tampon-damosihy ary roa amin'ny fanambaniny; tsara nofo fa sady matsiro no malemy mora levonina (2040 am). Ahitsio
Amboampe
[admin]
: a.: Ny faritra anoloana amin'ny fe. at? ambonivohitra izany. ? Ny tena ao anatin'ny faritry ny tanàna: Mizara ho fokontany maro Antananarivo ambonivohitra. ? Ny olona mponina an-tanàn-dehibe, izay atao koa hoe Tambonivohitra: Hita ihany ny mahaambonivohitra anareo, Randria: tsy mivoaka raha tsy m ik iraro. Ahitsio
Ambonivohitra
[admin]
: a.: Renivohitra na tanàn-dehibe mifanahatahaka amin'ny renivohitra: Mandany be izany mivelona Ahitsio
Ambonina
[admin]
: (ambony), mt. ih. (ambonio): Deraina, hasohasoina. Ahitsio
Ambonimbary
[admin]
: a.: Anana tsy mitango apetraka eny ambonin'ny vary ao am-bilany, Ray efa madiva ho ritra iny ny vary, ka ny etona fotsiny no manamasaka azy eo, Ahitsio
Ambony
[admin]
: p.t.: Amin'ny toerana avoavo kokoa miolotra amin'ny hafa: Any amin'ny rihana ambony izy no mipetraka. 1 h.o.: Mihoatra amin' ny fahavo, amin'ny laharana: Ny jeneraly dia ambony no-ho ny kolonely. / Ambony fahaizana izy. 1 Fotoana ho avy: Hosoloako vao itY fiarako lb> amin'ny taona ambony. - t.i.f.: ambonina ) manambony, fanambony, mpanambony ) anamboniana, fanamboniana / fahambony ) fahamboniana. 1 ppk,: Enti-milaza toerana mifanaingina: Efa eo ambonin'ny toko ny vilany. 1 Enti-milaza toerana mihoatra fa mifanitsy: Mandeha any ambony lohantsika ny zanabolana. 1 p.mt.: Enti-milaza toerana avo: Mikendre ambony lalandaua. - Amboniny na ambony ampanga: mihoatra; ma-nome zauatm amboniny, ambony ampanga. Ahitsio
Ambongadiny
[admin]
: p. mt.: Amin'ny antontany na anentany be, mivaingana be na maro be, fa tsy tsikelikely na tsirairay. Mivarotra ambongadiny: tsy mivarotra afa-tsy betsaka ihany fa tsy mivarotra kely na vitsy (mifanohitra amin'ny mivarotra antsinjarany): Omeo kely siramamy lasiroa aho, tompoko. — Mpivarotra ambongadiny a-ho ka tsy mivarotra latsaka ny iray gony. Ahitsio
Ambombaina
[admin]
: (mbomba) mt. ih. (ambombao,ambombay): Entina mambomba, manarona: Ambombain'ny reniakoho ny zanany ny elany. Ahitsio
Ambolokely
[admin]
: a.: Karazam-balala madinika. Ahitsio
Ambolokely
[admin]
: a.: Tapa-kazo kely na ahitra bebe tonony ataon'ny ankizy mianatra manenona ho famahanan-tenona. Ahitsio
Amboloina
[admin]
: (ambolo), mt. ih. (amboloy): Alexia fofona: Namboloin'ilay alika fotsiny ilay biby nohazaina dia hitany. Ahitsio
Ambolo
[admin]
: ft.: Fahaiza mamantatra zavatra amin'ny fofony. 1 Fikarohan'ny orona amin' izay niavian'ny fofona. 1 Li. f.: amboloina, voambolo ( manambolo, fanambolo, mpanambolo i anamboloana, fanamboloana, Ahitsio
Ambolo
[admin]
: a.: Karazam-balala kelikely, maitso ny volony. * Ohab.: Ambolo bitaka, ambolo matavy: zava-tsy hay tsy azo ibitabitahana: tsy tokony hitsabatsabaka amin'ny zavatra tsy hay. Ahitsio
Ambolena
[admin]
: (voly), mt. ih. (amboleo): Enti-milaza ny zavamaniry na ny voly ampanirina amin'ny tany: Tsaramaso no nambolena tamin'it? tany (Raha ny tany ampaniriana voly kosa no tenenina, dia ny hoe volena no ampiasaina: Hovolena tsammaso itY tany it? amin'ny taona ho auy)• Ahitsio
Ambokony
[admin]
: p.mt,: Manaraka ambokony: manàiky be tsy manohitra fa mandeha amin' izao tsy am-piheverana; manàraka an-jamba fotsiny ary tsy mandinika. ¶ M.h.: be, befahatany, ambony ihany. Ahitsio
Ambohoina
[admin]
: (voho - amboho) mt. ih. (ambohoy): Avadika amin'ny vohony, amin'ny lafy ratsiny: Ambohoy hoe io sahafa io. Ahitsio
Amboho
[admin]
: p.mt. na ppk.: Ao ivoho, ao andamosina: Jereo ao amboho (p,mt.).1 Latsaka ao ambohoko ao ny fihogo (ppk.). Ahitsio
Ambody
[admin]
: ppk.: Teny mpampiankina enti-milaza toerana amin'ny fototry ny zavatra iray: Nitsilailay teo ambody hazo no nahitako azy. - F,-p.: Tmtra ambody omby: azo eo am-panaovan-dratsy indrindra. ¶ M, h.: an-tanana, tra-tehaka. Ahitsio
Amboazina
[admin]
: (amboa) mt. ih, (amboazy): Alikaina, atao ho alika: Tsy manaiky aho fa namboazinao. Ahitsio