Teny nampidirina farany

Andilana
[admin]
: a.: Valahana, ilay faritra etiety na manify kokoa amin'ny tenan'ny olombelona eo anelanelan'ny taolantehezana sy ny maoja ary toa mampitohy ny tenabe amin' ny rantsambatana ambany. - F,-p,: kely and nana: mahia na miezoeo. * Ohab.: Ny vano no lava tenda, mafy olom-pehezina; ny fangaraka no kely andilana, ny isan-jato no tsy tanty: ny raharaha rehetra — na ny an'ny mpitondra na ny olona entina — dia samy mampiferin'aina ny mpanao azy avokoa (ny isan-jato dia fanompoana izay nifampizaran'ny olona tsizatozato ny manao azy). Ahitsio
Andiany
[admin]
: a.: Olona na biby maromaro miara-dia, na manao dia be na nriara-manidina raha vorona: Andiam-borona; / andian'omby, ¶ M.h.: antokony, iray tari-ka, mpiray dia. Ahitsio
Andevozina
[admin]
: (andevo), mt. ih. (andevozy): Atao mpanompo, entina amin'izay itondrana azy, ampanaovina izay tiana. Ahitsio
Andevo
[admin]
: a.: Ny ambany indrindra ara-pirazanana amin'ny foko iray taloha izay nanompo ny hafa, izany hoe tsy na-nana ny zon'ny olona afaka fa teo ambany fifehezan'ny tompony lalandava: Ny ffuavahana kristianina no anisan' ny nanafoana ny andeuo teto ambonin'ny tany, ~ Mpanompo: Izaho angaha andeuonao no anananao fahefana? i andevozina / manandevo, fanandevo, mpanandevo / anandevozana, fanandevozana / maha-andevo, miandevo, fiandevo, mpiandevo. - F.-p.: andeuo am-patana: andevo nikarakara ny raharaha ao an-trano; / andeuo andapa: ireo mpanompon'ny mpanjaka, manendy, madiotanana, tandonaka; / andevo havana: ireo olona mipetraka amin-kavana ka manompo azy toy ny andevo; / andeuom-behivavy: h,o. olona mitavozavoza, dondrim-belona; / andevo ompihely: andevo teraka ary velona ao an-trano ka toy ny anisan'ny ankohonana mihitsy. Ahitsio
Andeha
[admin]
: (leha), mt.p.: Teny enti-mandidy, (eo alohan'ny milaza ny ankehitriny): Andeha mianatra ianareo fa ampy izay enim-bolana tsy nianarana izay. ? Enti-mitaona (eo alohan'ny milaza ny ho avy): Andeha hianatra isika fa miandry antsika ny tanindmzana. Ahitsio
Andefitra
[admin]
: a: Ny sisin'ny fandriana na ny farafara manaraka ny rindrina. Ahitsio
Andefimandry
[admin]
: a.: Ny vady marina aradalàna, mifanohitra amin'ny uazo na sakaiza. Ahitsio
Antlavany
[admin]
: (jer. An-tsakany). Ahitsio
Andao
[admin]
: mts.: Fihasimban'ny hoe andèha: Raha arahina matoanteny izy, dia entina mitaona: Andao hitsangantsangana. Raha mandeha irery, dia mitovy hevitra amin' ny hoe roso na basal. Ahitsio
Andaniny
[admin]
: p.mt.: Amin'ny lafiny iray, mifamaly amin'ny hoe an-kilany; raha ampiasaina ho toy ny anarana ireo teny ireo dia tsara raha soratana hoe: ny andaniny, ny ankilany. Ahitsio
Andamosina
[admin]
: ppk,: Enti-milaza toerana eo ivohon'ny zavatra iray: Miery ao andamosin'ny lalimoara i Fara kely. ¶ M.h.: ambadika, ivoho. Ahitsio
Andalasina
[admin]
: (andala) mt. ih. (andalaso): Havokavohana, kapohina na velesina mafy sady maharitra ela. Ahitsio
Andalanina
[admin]
: (andalana) mt. ih. (andalano): Ampandehanina na alefa miadana, tsikelikely: Andalano ny fiasanao fa aza rotorotoina befahatany, Ahitsio
Andalandrambony
[admin]
: a.: Ny sisiny alefitra amin'ny tenona na ny rary. Ahitsio
Andalandalana
[admin]
: t.u.r,: Tsikelikely. - t.i.f : Miandalandalana. Ahitsio
Ambaratonga
[admin]
: zanatohatra: Misy andalana siuy ny gradin'ny miaramila. ~ Karazana: Maro andalana nY fm kampanahy, Ahitsio
Andalana
[admin]
: a.: Laharana: Ataouy dimy andaiana ireto dabilio ireto, 1 Laharan-tsoratra: Isao mby andaiana firy isantakila amin'it? boky it9. / Rehefa miova andalana dia soratana atoo sora-bauenty ny tarehintsoratra voalohany amin'ny teny voalohany. 1 Ahitsio
Andalambary
[admin]
: a.: Vary vao voajinja vita andaharana eny an-tsaha ambara-pitaona azy ho eny an-tanàna. Ahitsio
Andala
[admin]
: a.: Fikapohana amin' ny rotsa-kazo, karavasy, kotopia... - t.i.f.: Andalasina 1 anandalasana, fanandalasana. Ahitsio
An-dakira
[admin]
: p. mt.: Any lavitra dia lavitra, tsy hita popôka. Ahitsio