Teny nampidirina farany

Andrana
[admin]
: a.: Fampiasana zavatra mialoha mba hitsapana ny toetrany na ny fandehany: Nampandehanina ilay fiarakodia vao novidina, nefa tsy aisy dia nampanaovina azy fa vao andrana fotsiny. ~ Fitsapana fotsiny fa tsy mbola tena izy, fanalam-botso-tanana: Tsy kanety akory ny fanambadiana ha ndeha hasiana andrana? ~ Fihinanana kely amin'ny zavatra iray mba hahalalana ny tsirony: Aoka izay fa lany andrana eo itY laoka. - t.i.f.: andramana, voandrana ) manandrana, fanandrana, mpanandrana ( anandramana, fanandramana. Ahitsio
Andramana
[admin]
: (andrana), mt, ih. (andramo): Tsapaina kely mialoha: Vao nandramana ilay angady dia tapaka. 1 Fantarina kely ao am-bava ny tsirony: Andramo kely ny siran-daoka, ry Fara a! - F,-p.: Manco mangidy tsy andramana: manombantombana olona na zavatra mialoha ho ratsy, na dia mbola tsy nifampikasoka taminy na nampiasa azy akory aza; mitsara ivelany fotsiny. Ny ohabolana nakana an'io dia hoe: * Aza atao mangidy tsy andramana toy ny hentona: mazàna no rakotra molaly ny hentona, ary ny molaly malaza ho mangidy, ka raha vao mijery ny hentona fotsiny dia milaza azy hoe mangidy ny olona na dia tsy nanandrana akory aza. Ahitsio
Andrakomora
[admin]
: a.: Zavamaniry famonoana bibikely toy ny parasy, moka, sns... (Cadia pedicellata). Ahitsio
Andraka
[admin]
: ppt.: Mitovy amin' ny mandraka: Andraka androany. Ahitsio
Andraina
[admin]
: (andra), mt. ih. (an drao): Antenaina, jerena: Ny lanitra no andraina. Ahitsio
Andraikitra
[admin]
: a.: Zavatra tsy maintsy atao ho fiadidiana olona na zavatra ka ny tena no tompon'antoka aminy: Andraihitry ny ray aman-d reny ny mamelona ny zanany. ¶ M.h.: adidy. - t.i.f.: miandraikitra, fiandraikitra, mpiandraikitra ) Ahitsio
Andray
[admin]
: t.p.: Tenim-piontanana enti-milaza fahatairana: Andray Loza inona it? nataonao, Rasoa? Ahitsio
Andra
[admin]
: p.t.: Fetsy ratsy, konjo: Andra lahy, andra vavy. Ahitsio
Andra
[admin]
: ft.: Enti-milaza fitrakan'ny loha hijery ny ambony, - t.i.f.: andraina, tafandra / miandra, fiandra, mpiandra ( iandrana, fiandrana. Ahitsio
Andolo
[admin]
: a.: Tany fandevenana. Ahitsio
Andohasàna
[admin]
: a,: Vola omena mialoha ny mpanao fanafody na ny mpisikidy. Ahitsio
Andohariana
[admin]
: p,mt.: Am-bavahoana, madiva ho faty. Ahitsio
Andohamalona
[admin]
: a.: Faritra amin'ny lohalika eo ambonin' ny ampelandohalika. Ahitsio
Andohalambo
[admin]
: a.: Rafi-bato na biriky, izay vita mitatao mivohon-tsotro ka atao tataom- baravarana na vavahady. Ahitsio
Andoha
[admin]
: a.: Teny mitovy hevitra amin'ny hoe loha, saingy ilazana ny ao anatin'ny loha ihany: Mampanelonelo ny andohako izany fofon-dranomanitra izany. Ampitahao ireto fehezanteny ireto: Marary ny lohako fa voadona (ny iuelany). Marary ny andohako fa nianatra be loatm aho (ny anatiny), Ahitsio
Ando
[admin]
: a.: Fitambaran'ny pitidrano kely hita eny an-tendron'ny ahitra amin'ny ma-raina sy ny hariva, vokatry ny fivonganan'ny etona ho tonga rano. - F,-p,: Ranon'ando: rano avy amin'ny fihintsanan'ny ando. * Fiten.: Ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany anie homba anao lalandaua: teny enti-milaza tsodranom-pitahiana, noho ny ando mahatsara ny zavamaniry fa tsy mba manimba azy toy ny fanala. Ahitsio
Anditra
[admin]
: p.mt,: An-kery. Ahitsio
Andininy
[admin]
: a,: Fitsinjarazarana ny teny ao amin'ny toko iray ka misy isa filaharanY mba hahamora ny fitadiavana sy fitadidiana azy: Jereo Lioka, toko 1, andininy faha-52. ? Fizarazaran'ny tononkalo na tononkira iray, izay samy misy andalana maromaro mitovy isa: Misy andininy folo ny Midona moramora nataon'NY AVANA. Ahitsio
Andimy
[admin]
: a.: Anaran'ny fanorona misy sorany dimy ny sakany sy ny lavany. Ahitsio
Andilana
[admin]
: a.: Valahana, ilay faritra etiety na manify kokoa amin'ny tenan'ny olombelona eo anelanelan'ny taolantehezana sy ny maoja ary toa mampitohy ny tenabe amin' ny rantsambatana ambany. - F,-p,: kely and nana: mahia na miezoeo. * Ohab.: Ny vano no lava tenda, mafy olom-pehezina; ny fangaraka no kely andilana, ny isan-jato no tsy tanty: ny raharaha rehetra — na ny an'ny mpitondra na ny olona entina — dia samy mampiferin'aina ny mpanao azy avokoa (ny isan-jato dia fanompoana izay nifampizaran'ny olona tsizatozato ny manao azy). Ahitsio