Teny nampidirina farany

Ambana
[admin]
: a.: Fihetsehana mody mamely na manao zavatra, nefa tsy mahakasika na tsy manao akory, fodiana marnely amin'ny fihetsehana fotsiny: Ambana tehina fotsiny dia nampandositra ilay alika. ~ Tahotra sy tebiteby ateraky ny loza mananontanona na ny tsy fahalalana ny vokatry ny zavatra iray natao: Ny ambany no tsy tanty fa rehefa mby an-koditra zaka ihany. - t.i.f.: ambanana, voambana / manambana, fanambana, mpanambana ! anambanana, fanambanana f mahambana. Ahitsio
Ambamboana
[admin]
: a.: Zavamaniry mampanolatra fery ny hodiny sy ny raviny (Panax multibracteatum). Ahitsio
Ambalavelona
[admin]
: a.: Aretina mitovitovy amin'ny kasoa, avy amin'ny ody mahery ataon' olon-dratsy mpisompatra ary mety hahavoa antokon'olona maro miaraka aza, araka ny filazan'ny olona sasany; raha tsy voatsabo dia miafara amin'ny fahafatesana. Ahitsio
Ambalaniva
[admin]
: (Ski) a.: Karazankira fanaon'ny Sakalava avaratra. Ahitsio
Ambalambalaina
[admin]
: (ambalam6ula) mt. ih. (ambalambalao): Enti-milaza zavatra tsY lazaina mazava fa fonomponosina: Nambalambalainy ilay izy ka tsy azoko mazava. Ahitsio
Ambalambala
[admin]
: a.: Teny tsy mazava loatra, na teny tsy azo mazava ny dikany: Teny ambaiambala no nataon'ny anao lahy dia basa izy. - t.i.f.: ambalambalaina / miambalambala, fiambalambala, mpiambalambala / iambalambalana, fiambalambalana. Ahitsio
Ambakoany
[admin]
: a.: Vor6nan-kofehy na fehezan-drindra nokarakaraina hotenomina ho lamba na horarina ho tsihy. Ahitsio
Ambakiloha
[admin]
: a.: Teny ilazana lamba kely ila, izay tsy mba ambainy roa mitovy no avitrana fa ambainy iray sy sasany: Akanjo saga ketrombozona sy lamba ambakiloha no nanaovany. (Kilalaon'afo: R. R. R. ). Ahitsio
Ambaka
[admin]
: noho p.mt.: Latsadanja, ambany, tsy mahaleo, tsy tsara, tsy mahay: Ianao ue dia ho ambaka noho ny zandrinao? ~ Tsy ambaka noho: tsy latsa-danja, mitovy na tafahoatra kokoa no-ho: Tsy ambaka noho ny teny hafa ny teny malagasy. Ahitsio
Ambakambakany
[admin]
: (t.tr.) a.: Vakivakim-bola. Ahitsio
Ambakaina
[admin]
: (ambaka), mt. ih. (ambakao): Fitahina amin' ny varotra, na eo amin'ny lanjany, na eo amin'ny fatrany, ans: Nambakain'ny mpivarotra ianao, anaka, raha io no hena-na dimampolo. ~ Fitahina noho ny fahatsorana be loatra na ny tsy fahalalana: Ny adala no tsy ambakaina: Andriamanitra no atahorana (ohab.). Ahitsio
Ambàka
[admin]
: ft.: Fifetsena, lainga hamitahana ny tsy mahalala, tetika hangalarana mba hahazoana tombony, na amin'ny varotra na amin'ny lalao. - t.i.f.: ambakaina, voambaka / manambaka, fanambaka, mpanambaka / anambakana, fanambakana. Ahitsio
Ambaka
[admin]
: (Tsm) a.: Fomban-tolona omby atao toy izao: ny tanana havanana mitazona ny trafony ary ny havia kosa manodidina ny vozony. Ahitsio
Ambaka
[admin]
: na Ambakavaka ft.: (It? faharoo it? no fampiasa kokoa): Fiambatrambarana na fiakanakanana rehefa miteny ka tsy mahatohy izay lazaina raha tsy miatoato kely hatrany. - t.i.f.: miambaka, fiambaka, mpiambaka / iambakana, fiambakana. Ahitsio
Ambainday
[admin]
: (ambay, lm') a.: Ny halavan'ny sakan'ny lamba anaovana ny lay, na ny halavan'ny lafn-tsambo, izay iankinan'ny tanjany sy ny heriny. 1 h.o.: Ny halehiben' ny fivelatry ny asa na zavatra iray: Mihevitra ny hanitatra ny ambaindain'it? orinasa it? aho. Ahitsio
Ambay
[admin]
: Ambainy a.: Ny sakan'ny lamba eo anelanelan' ny sisiny roa, ny sakan-damba: Kely loatra ny ambain' iiay lamba soga novidinao fa 60 sm. monja. Ahitsio
Ambadika
[admin]
: a.: Karazana diamanga na daka, mitovitovy amin'ny kapatokana (jar.): mihodina tampoka ilaY namely, amin'ilay tsy ampoizin'ilay mikatroka aminy iny, dia alefany any andamosina ny tongony - indraindray ny felatanany amin'izay mitehina amin'ny tany - ka mafy fiantefa izaitsizy izany, manoatra noho ny tsipaka anoloana na ny kopala. - F.p.: Mamely ambadika: mamely am-pitaka; mamadika. Ahitsio
Ambadika
[admin]
: ppk.: Enti-milaza ny toerana ao ivohon'ny zavatra iray: Miery ao ambadiky ny hazo ao izy, ~ F.-p.: Tany ambadik'Imanareza: enti-milaza zavatra nitranga efa ela dia ela ka tsy hita izay hiraharahana azy intsony. Ahitsio
Amato
[admin]
: (Ski) a.: Andry ampovoany amin'ny rindrina. Ahitsio
Amara
[admin]
: (Ski) a.: Mahazaka atao amin'ny hozatry ny voanio. Ahitsio