Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitenatena: (itena) mt, p. (mitenatenà): Manao itenatena raha miresaka: Aza mitenatena ahy eo ianao fa tsy niady isika na ambany noho ianao aho. Ahitsio
Mitendry: (tendry) mt. s. (mi-tendre): Mikasika zavamaneno mba hamoahany feo: Mahay mitendry valiha ve ianao? - F.-p.: Mitendry hanina: mihinana hanina kely foana. / Mitendry ilo: fomba narahina fahizay ho fanambarana ny fifaranan'ny fisaonana ny mpanjaka: nokasihina tamin'ny rantsantanana nisY menaka ny hatoka sy ny ila loba havia. Ahitsio
Mitentina: (tentina) mt. s. (mitentena): Mihosotra loko mitsipentimpentina: Mitentina mena ny lanitra manga rehefa takariva. • Mitsentsina: Soa ihany fa nitentina tsara ilay lakana ka tsy misy rano tafiditra na pitiny kely aza. Ahitsio
Miteny: (teny) mt s. na mi,-a. (mitenèna): Mamoaka tan, na "feo misy heviny fanaon' ny olombelona": Efa miteny ny zandrinay fa tsy mbola mandeha. • Miresaka: Niteny tamiko momba anao i rainao. • Manonona: Iza no niteny ny anarako taminareo ireo? • Milaza (arahin'nY "haie"): Raha uao niditra izy dia niteny hoe: "Ny Fiadanana anie ho aminareo ". - F.-p.: Tsy miteny: tsy misy antony (tomba fitenin' ny ankizy indrindra amin' izao andro izao, izay tsy azo lavina fa nalaina avy tamin' ilay fitenenana efa tranainy hoe: "Tsy miteny fa vola baoritra" nenti-nilaza ny maha-tsinontsinona ny vola madinika baoritra nony tonga ny vola madinika vy). * Ohab.: Miteny lango eo imason'ny vary: manakiana na manaratsy olona tsy eo, nefa misy havany na sakaizany manatrika. ¶ M,h,: Mivolana, milaza, miloa-bava, miloa-peo, loabolana, latsa-bava. — Miteniteny, mibedibedy, mikaramentsona, mitsatsaingona, mipentsompentsona, mipendimpendina, mimentsomentsona, mikamenona, miasa vava, mitantara, miangano, miarira, milazalaza, miventy, mitanisanisa, mamisavisa. — Miteniteny foana, miteniteny toa loha tapaka, mirediredy, miradarada, mibaradaka, mandefa teny tsy voahevitra. Miteny mafy, milelalela, miantsoantso, manao antso valala, mivazavaza, mirezatra, mikiakiaka, mihiakiaka. Ahitsio
Mitepo: Mitepotepo (tepo) mt s. (mitepotepoa): Mipaipaika, midondôna moramora, miemponempona: Rehefa marary mitepo haingana ny polisa. Ahitsio
Miteraka: (teraka) mt. s. (miteràha): Mamoaka avy ao ankibo, mandatsaka an-tany: Iza no anaran'ny reny niteraka anareo? ? Mahavokatra, manome: Mitera-bony avokoa ny hazo rehetra amin' izao fotoana izao. • Mahatonga, mitarika: Miteraka aretin'andaha ny aretina sasantsasany. • (vola) Misy zanany, manàna: Aoka hotsaroanao fa tsy niteraka ny volako tany aminao. Ahitsio
Miteronterona: (teronterona) mt s. (miteronterdna): Mipetraka amin'ny toerana avo milingilingy: Aza miteronterona eny ambony lampihazo eny Rangahy, fa aoka ho an' ny olona manan-kaja ny eny. Ahitsio
Mitery: (tery) mt s. (miterè): Mamotsitra, mamihina tohatr'omby mba hakana ronono: Lasa nitery ombY i Rainikoto. Ahitsio
Mitesontesona: (tesontesona) mt. s. (mitesontesàna): Tsy mahalala menatra miteny na manao zavatra amim-pieboeboana. Ahitsio
Mitete: (tete) mt. s.: Milatsaka mitsitaitaika toy ny patrakala: Misy rano mitete ao an' efitra. ? Misy loaka ka mandefa ny rano hilatsaka mitsitaitaika: Mitete ny tafonay any ambaniuohitra. / Mitete ity siny ity fa tsingino. Ahitsio
Mitetika: (tetika) mt. p. (miteteha): Mandidy na manapatapa-javatra atao madinika: Mitetika hena. • Mieritreritra zavatra mialoha ary maka ara-keviny izay mety ho fandehany: Mitetika ny tombom-barotra mety ho azony ny mpivarotra. • Mikasa hanao zavatra efa nodinihina tsara natao maty paika: Nitetika ny hamono an'Andrianampoinimerina i Mavolahy zanany. ¶ M.h.: Mitetika, mikendry, mikasa. Ahitsio
Mitety: (tety) mt. s. (miteteza): Mandeha manitsaka toerana maro: Mitety faritany maro. • Mamisavisa, milaza tsirairay: Mitety razana. - F.-p.: Mitety andro: mamantatra ny andro tsara sy manambina mba hanaovana na hanorenan-javatra araka ny vintan'ilay olona. / Mitety firazanana: mamakafaka ny niandohan'ny razana, mi-tanisa sy manambara ny ray aman-dreny, na ny efa maty na ny mbola velona. / Tsy mitety ny lany: tsy mihevitra izay ho lany na be na kely amin'izay atao, mandany tsy mitsinjo ny ho avy. Ahitsio
Mitevika: (tevika) mt. s.: Mana-na sofina voatevika: Efa mitevika sahady ny zandriny roa uolana. Ahitsio
Mitevy: (tevy) mt. p.: Mikapa sy mandoro ala mba hambolena; manao tavy: Mitevy ala. Ahitsio
Miteza: (teza) mt. s. (mitezà): Mijoro mahitsy tsara. Ahitsio
Mitezitra: (tezitra) mt. p. (mitezera): Mampiseho tsy fahafaliana amin'ny olona iray ka hetsehim-po hamely azy; mandevilevy: Nitezitra an--jandriny izy. / Mitezera fa aza manota. Ahitsio
Mitezotezo: (tezotezo) p.t.: La-va mahia. Ahitsio
Mitia: mt. p.: Tsy fampiasa afa-tsy amin'ny fombam-piteny hoe enti-mitia: Entina miraiki-po. Ahitsio
Mitiatiatra: (tiatiatra) mt. s.: Midoboka misy akony nifamalivaly: Mitiatiatra izany varatra izany. Ahitsio
Mitibatiba: (tibatiba) mt. s.: Feno (rano), mizihitra, mivozihitra, mizihizihy, midibadiba: Tsy afaka mihazakazaka aho fa mbola mitibatiba ny kiboko. Ahitsio