Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitsatsà: (tsatsà) mt. s.: Zaraina mitovy: Nitsatsà taminay fito mianadahy ny loua nauelan'i Dada sy Neny. Ahitsio
Mitsatsaingona: (tsatsaingona) mt. s. (mitsatsaingdna): Miteny nefa mbola misy hafa miteny, manapaka tenin'olona mbola miteny: Notezeran-drainy Ikoto fa nitsatsaingona niteny raha mbola tsy vita akory ny teniny. ? h.Misalovana ny raharahan' ny hafa. Ahitsio
Mitsatsàka: (tsatsàka) mt. s.: Mamarana ny fitotoam-bary efa madiva ho fotsy; mamotsy ny vary. ? Enti-milaza hanina tsakoina ka toa heno tapaka miaraka amin'izay. Ahitsio
Mitsatsatsatsa: (tsatsatsàtsa) mt. s.: Mipitripitrika ohatra ny menaka anendasana ka rarahana rano kely. ? Mitsaontsaom-bava, mikamentsona, mikamenona. ? Maranitra mifilofilo tsara ohatra ny lelan'antsy. Ahitsio
Mitsatsiaka: (tsatsiaka) mt. s.: Rovitra ka heno ny fitriarany. Ahitsio
Mitsatsika: (tsàtsika) mt. s. (atsatsiho): Voatono eo ambony afo. ? h, i.: Mamindro. Ahitsio
Mitsatso: (tsatso) mt. s.: Nisy zavatra manatsatso azy, tonga matsatso: Nitsatso tao anaty damizana tao lahy ity divay ity! Ahitsio
Mitsefaka: (tsefaka) mt. s.: Mitriatra, vaky, mitresaka: Be ny mitsefaka amin'ity tamboho ity. Ahitsio
Mitsefotra: (tsefotra) mt. s. (mitsefora): Mipoaka kely: Nitsefotra ilay basy poleta fa efa nasiana tampim-peo. ? Mamoaka tampoka rivotra voangona. Ahitsio
Mitsehatseha: (tsehatseha) mt. s. (mitsehatsehà): Mandeha na mamindra moramora mailamailaka. Ahitsio
Mitsehontsehona: (tsehontsehona) mt. s. (mitsehontsehona): Mitaria, mitsaontsaombava, tsy mahatam-bava, rnanta vava. Ahitsio
Mitselaka: (tselaka) mt. s.: Mirehitra: Mora mitselaka ity hazo ity. ? Mamirapiratra, manjelanjelatra: Mitselaka ny sabatra eny anatin'ny laharan'ny miaramila. Ahitsio
Mitselatra: (tselatra) mt. s.: Mirehitra: Mitselatra haingana ny rauin-kazo maina. ? Misy tselatra: Mitselatra ny andro. Ahitsio
Mitselika: (tselika) mt. s. (mitseleha): Mailaka, kinga. ? Mandeha haingana: Mitselika Ikoto rehefa misy zavatra anirahana azy. ? Maka, mangalatra amim-pahamailahana: Nisy nitseiika lahy ny lambako nihantona teto! (mt, p.) Ahitsio
Mitselotseloka: (tselotseloka) mt. s. (mitselotseloha): Mandeha etsy sy eroa. Ahitsio
Mitsemboka: (tsemboka) mt. s.: Misahirana miasa mafy, misasatra: Fito taona naninjitra aho izao no nitsemboka tamin'ity asa ity. Ahitsio
Mitsena: (tsena) mt. p. (mitsenà): Mandeha mba hihaona amin'olona tonga avy lavitra: Hitsena ny zanany izy ka falifaly ers'. Ahitsio
Mitsentsina: (tsentsina) mt. s.: Misy tsentsina: Tavoahangy mitsentsina. Ahitsio
Mitsentsitra: (tsentsitra) mt. p. (mitsentsefa): Mitroka ranon-javatra amin'ny vava, mitroka ny ao anaty zavatra: Nitsentsitra voasary laoranjy ny marary. Ahitsio
Mitsetaka: (tsetaka) mt. s. (mitsetaha): Tafiditra, tafatsofoka lalina: Nitsetaka tao afovoan'ny mpianatra an-jatonyIbalita ka tsy hita. ? Miady, mifanentana tsara: Mitsetaka tsara amin'ny lohany ny satro n y. Ahitsio