Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitsingadina: (tsingadina) mt. s.: Mianjera, mivarina: Nitsingadina tany an-tevana ny ombin-dRakoto, ka maty. ? Mikodiadia: Aza avala hitsingadina eo amin'ny vouoka ireo ankizy ireo sao ho azon' ny sery. • h.o.: Resy, maty antoka: Nitsingadina mihitsy aho tamin'ny nivarotako ny tanimbariko. Ahitsio
Mitsingalahala: (tsingala) mt. s.: Mikofokofoka, mitrifantrifana ; miovaova, mivadibadika. Ahitsio
Mitsinganga: (tsinganga) mt. s.: Miainga ny ilany iray: Misy mitsinganga ny uolonao. Ahitsio
Mitsingatotra: (tsingatotra) mt, s.: Potraka ka miainga ny ilany vao mianjera; lavo ka mitsingadina mankany an-damosina ny fidabony: Natosiky ny namany Ibalita ka nits in ga to tra. Ahitsio
Mitsingedana: (tsingedana) mt. s.: Mandry mivalampatra mitsotra toy ny amalo-maty; mivalandotra, mitsingadina: Mitsingedana eo ambon y ahitra ny ankizy sasany rehefa avy milalao. Ahitsio
Mitsingerina: (tsingerina) mt. s.: Miverina (enti-milaza andro na fotoana izay toa mihodina ka tonga amin'ny nialany ihany), miherina: Mitsingerina isan-taona ny fetin'ny fahaleovantena. Ahitsio
Mitsingevina: (tsingevina) mt.s.: Misavilivily, mikipilipily. Ahitsio
Mitsingevotra: (tsingevotra) p. t. (t.tr.): Mihevingevina. Ahitsio
Mitsingidina: (tsingidina) mt. s.: Mikodiadia: Nitsingidina ny zazakely ka naratra mafy tokoa. • Mitsilailay, mitsinkasina: Nitsingidina teo amin'ny mololo ireto ankizy ireto ka maso daholo ny tenany rehetra. • Mandry amin'ny tany tsy misy kidoro na tsihy na lafika: Andeha hividianana kidoro ny vahiny fa tsy azo atao mihitsy ny hamela azy hitsingidina amin'izao fotsiny. Ahitsio
Mitsingilahila: (tsingilahila) mt. s.: Mirona, mirondrona, mivembena: Mitsingilahila ity andry ity ka atahorako hianjera. ? h.o.: Mitsingilahila laua ny toeran'ny mpanao politika ka tsy mba tiako. ? Misalasala, miroahana, miahanahana: Mitsingilahila mihitsy aho amin'ny hiuidianako ity trano ity. Ahitsio
Mitsingina: (tsingina) mt. s. (mitsingina): Mandray amin'ny loha rantsana, mikasika kely foana: Nananosarotra er~ izy nitsingina ilay mosara, fa naloto, hono. • Maka izay voafihina amin'ny loha rantsana, maka pitiny kely foana: Asio sira indroa mitsingina ity salady ity. ? Manendry kely foana amin'ny hanina; miangolangola er? rehefa mihinana ka zara raha maka kely amin'izay sakafo aroso eo anoloany (endrika verindroa no ampiasana azy matetika amin'ity hevitra ity): Mitsingintsingina Rasoa rehefa mihinana. Ahitsio
Mitsingoana: (tsingoana) mt. s.: Mianjera ka ny ambany no lasa ambony. Ahitsio
Mitsingoloka: (tsingoloka) mt, s. (mitsingoloha): Mirons ka ny loha no atao ambany ary ny tena sisa rehetra atao ambony: Nitsingoloka teo andavarangana izy ka nianjera. * Mifotitra, mivadika ambony ambany, mitotongana: Hita mitsingoloka izay rehetra jerena amin'io masolasitra io. ? MitadY hanambaka an-kafetsena: Aza mitsingoloka olona fa tsy tsara mihitsy (mt. p.). ? Mile vaniny amin'ny zavatra faran'izay madinika hamelezana ny ha-fa: Loza mihitsy raha hitsingoloka Rangahy ity. Ahitsio
Mitsingozahoza: (tsingozahoza) mt. s. na p. t.: Reraka zara raha afa-mandeha, mihozangozana, mangozohozo: Mbola mitsingozahoza izy ka tantano. Ahitsio
Mitsininganingana: (tsininganingana) mt. s.: Mipelipelika, mihindrahindra, mihavatravatra, mihefikefika. Ahitsio
Mitsinjaka: (tsinjaka) mt. s. (mitsinjaha): Mandihy mitsambikimbikina, mihinjakinjaka, mitapolapolaka Ahitsio
Mitsinjara: (tsinjara) mt. s.: Mizarazara ho tokony maromaro: Mitsinjara folo ity lahatsoratra ity. Ahitsio
Mitsinjo: (tsinjo) mt. p. (mitsinjoua): Mitazana lavitra avy amin'ny toerana ambony: Mitsinjo ny eny an-tsaha rehetra eny izahay. • Manatrika: Tsy tsara, hoy ny Ntaolo, ny manorin-trano mitsinjo vasa lohasaha. ? Mitandrina, miambina: Mitsinjo sy mitahy ny uelona ve ny Razana? ? Mikarakara: Tokony hitsinjo ny ho auintsika isika dieny izao. - F.-p.: Mitsinjo avo auaratra: mihevitra loatra ny fananan'ny ray aman-dreny ka mihaitraitra tsy mety miasa na miahy tokantrano. / Tsinjo voron'i Mazoto: enti-milaza ireo mikendrikendry na mijerijery lavitra fotsiny raha misy haza tetehina ho azo; kanefa nony misy mahazo, manantena ny hiombona amin'ilay nahazo. / Tsy ahitamitsinjo: takariva somambisamby. * Ohab.: Tsy mitsinjo vody andro ho merika: tsy mahalala mitahiry vola ho amin' ny fotoana mety hahasahirana. ¶ M. h. : Miahy, mitsimbina, mitandrina, mandala, mitandro, misaingy. Ahitsio
Mitsinkafona: (tsinkafona) mt. s.: Mihevaheva eny ambony rano: Mitsinkafona foana ny lakana raha tsy be loatra ny olona entiny. ? Misavoana: Mitsinkafona ny diloilo raha afangaro amin'ny rano. • Mitranga ho hitan'ny be sy ny maro: Ela ny ela ka nitsinkafona ny fitaka rehetra nataon y. Ahitsio
Mitsinkasina: (tsinkasina) mt. s. (mitsinkasina): Mianjera mitsimbadimbadika, mikodiadia: Nahahitsaka hoditr'akondro izy ka nitsinkasina tao an-tohatra. Ahitsio