Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitoloky: (toloky) mt. s. (mb tolokia): Mihomehy, mikimokimoka. Ahitsio
Mitolona: (tolona) mt. P. (mitolona): Mibeda: Nitolona an'i Beva i Balita fa tsy nahalavo azy. • Manodidina ny sandry: Nitolona ilay vatankazo bontona Rakoto ka tsy nahafehy azy tao anaty sandriny. • mt. s.: Miady amin' manohitra, manoha: Tokony hitolona amin'ny fitiavan-tena voalohany indrindra isika. ¶ M.h.: Mibeda, mangeja, mangia, mamia, mamihina. Teny misy heuitra ifandraisana: Mifampitolona, Miady, mipaka, mifandronjina, miambàkana, mifandray, mifamofoka, mifandrozona, mifamatraka, mifanakodia, mifanongana, mifamira, mifampitangazona, mifandrirotra. mifanakorofoka, mifanenda, mifanao taingim-bozona, mifampionkina, mifanao taribaniana, mifandatsa-boa, mifandaraboka, mifandrangotra, mifandriro-bolo, mifandria-damba, manao balahazo, mifanala fihina. Ahitsio
Mitolotra: (tolotra) mt. s. (mitolora): Omena, tolorana: Nitolotra hena ratsy ny mpandeoina. • Manolotra, mahafoy: Nitolo-batana ny fahaualo. Ahitsio
Mitomamotamo: (tomamotamo) mt. s.: Mivolon'ny tamotamo, vonivony tanora. Ahitsio
Mitomandavana: (tomandauana) mt. s.: Mitohy na mitsotra lava. Ahitsio
Mitomany: (tomany) mt. s, sady mt. p. (mitomania): Mandatsa-dranomaso miaraka amin-tsento noho ny alahelo: Mitomany ny zazakely fa ampangino. ? h.i.: Mangataka, mitalaho mafy amin-dranomaso: Nitomany ny ho any Iariuo foana izy. - F.p.: Mitomany ualala: enti-milaza ny alika mivovâ maharitra ela somary mitaritarika lava mampatahotra. / Mitomany homana: tsy mety afa-po fambola mitaraindraina ihany hahazo baba kokoa na dia efa eo am-pihinanana aza. * Ohab.: Mitomany hena momba famaky: enti-milaza ny olona kahihitra izay miferinaina amin'ny fandaniana kely tsy azo ialana. J Mitomany vorona an-danitra: enti-milaza ny faniriana tafahoatra izay tsy azo tanterahina. ¶ M.h.: Tomany, mikehina, mitoreo, manganohano, mifararemotra, mihandrohandro, lem-bolomaso, mifendrotra, mifokofoko, latsadranomaso, jemby, mikonainaika, miketaketa, mitolokoloko, migogogogo, migigika, mitanisanisa, manezakezaka, midradradradra, miafatrafatra, mikiakiaka, midradraka, mitrifantrifana, mijafajafa, manangan-torana, miatatra, manala ny lohany, miapokapoka, manao ranomaso havozona, mifia-dranomaso, mijoy, mifaditra ahitra, tsy mahajery olona, mifako bozaka aman'ahitra. Ahitsio
Mitombaitra: (tombaitra) mt. s.: Sandra fahavoazana lehibe noho ny antony madinika tsy nampoizina: Nitombaitra Rakoto fa nibolisatra tamin'ny hoditr'akondro dia nianjera ary tapaka ny tongony. Ahitsio
Mitombana: (tombana) mt. s. (mitombàna): Miseho ho manana toetra toy izao sy toy izao: Mitombàna ho lehilahy fa aza kanosanosa mifararemotra eo. Ahitsio
Mitombina: (tombina) mt. s. (mitombèna): Mipetraka (olona na biby ihany): Tsy afaka mitombina izy fa misy uay lahy kely ao amin'ny fipetrahany ao. ? Tsara fototra: Mitombina tsara ity tranonao ity izany. ? Mipetraka milamina tsy manana ahiahy: Mitombina tsara amin' ny fokontany uao nifindrany izy. • Misy antony, misy fototra tsara: Tsy mitombina ueliuely izany ahiahinao izany. Ahitsio
Mitombo: (tombo) mt. s, (mi-tom boa): Mihalava, maroroka, mihalehibe: Mitombo dia mitombo ity zaza ity. / Nitombo fahendrena izy. • Mihamaro, mihabe, mihabetsaka: Vetiuety foana dia nitombo ny isan'ny mponina, • Mütatra, mandroso: Tsy mitsaha-mitombo ny varotr'io Rangahy io. ? Misondrotra: Nitombo be ny rano hatramin'ilay orana farany tao. • Mihatsara: Izay tiana mitombo tarehy. ¶ M.h.: Mihalehibe, miitatra, mamokatra, manjanaka, ma-nana I mihombo, mihamafy, mihasarotra, manao hararaotra. — Mampitombo, manitatra, manabe voho, manao be filaza, manao laza masaka, manao filazan-dRamitraho, manao lazam-balala, manao tera-bao filaza, manao kitsanitsany, manao laza rezatra, manao laza habobo, milaza valamaty, matavy filaza, masadroatelo. Ahitsio
Mitomboka: (tomboka) mt. s. (mitomboha): Misy kase, misy marika natao tamin'ny vy mahamay matetika: Valopy tsy mitomboka ity. / Mitomboka ny tarehiny, ? h.o.: Isaina, heverina ho toy ny izy ihany: Mitomboka ihany ny andronao raha marary ianao. Ahitsio
Mitomboka: (tomboka) mt. p. (mitomboha): Mamaky bainga amin'ny angady. Ahitsio
Mitomboka: (tomboka) mt. s.: Miandoha: Mitomboka rahampitso ny uakansy (ny fiteny matetika anefa amin'io hevitra io dia ny hoe: miantomboka, na manomboka). Ahitsio
Mitominjaka: (tominjaka) mt. s.: Mihetsiketsika be nefa tsy mahavita inona firy. Ahitsio
Mitominjana: (tominjana) mt. s.: Manao asa mahatrotraka. Ahitsio
Mitomoetra: (tomoetra) mt. s. (mitomoera): Mitoetra, mipetraka, mijanona: Mitomoera andro oitsiuitsy atys aminay. Ahitsio
Mitompo: (tompo) mt. s.: Mikiry amin'ny heviny. - Mitompo teny fantatra: mikiribiby mitana ny heviny izay heveriny ho hany marina. fitenenana: aza mitompo teny fatratra hoatra ny antsy kely be zara . Ahitsio
Mitonàka: (tonàka) mt. s.: Mipetra-potsiny tsy manao na inona na inona; midonanapoana. Ahitsio
Mitonantonana: (tonantonana) mt. s.: Mivezivezy foana tsy misy antony, tonga fotsiny tsy misy zavatra hatao: Ity izaho nitonantonana tany, nefa ry zalahy taty nigalabina aoka izany! Ahitsio
Mitondra: (tondra) mt. p. (mitondrà): Mamindra toerana zavatra entina miaraka amin' ny tena ka ny tanana no anaovana izany, na atao eo ambony loba, na eo an-tsoroka: Iza no hitondra ity entana ity ianareo roa lahy? ? Mitarika: Omby mitondra sarety. • h.o.: Mahay mitondra fikambanana Ramatoa io. ? Manatitra: Ikoto no ni-tondra ilay taratasy tany aminy. ? Mampiely, mampahita, mahatonga: Tohony hotadiauina izay nitondra io aretina io teto amin'ny fokontany. • Manao tsara na ratsy amin'olona: Mitondra tsara ny mpiasany izy. • F.-p.: Tsy mitondra roa: tsy mitahitahy na kely aza, tsy mitsimbina, tsy mitsitsy. I Mitondra loha mody: tonga nefa tsy nahavita na inona na inona avy tany amin'izay naleha; niverina fotsiny tsy nahazo izay nalaina. I Mitondra teny tsy uoafehy: enti-milaza olona mitondra hafatra tsy mazava tsara; na ny teny nampilazaina, teny misaritaka tsy misy famaritan-kevitra. j Mitondra kabary: entimilaza iraka milaza amin'ny vahoaka ny tenim-panjakana; ilazana koa ny olona mandranto ady sy mils tonony any amin'ny hafa. j Mitondra loza: mampiditra fahoriana, mitarika loza. I Mi-tondra roa: enti-milaza ny olona izay sady manana anjara lova any amin'ny rainy no manana any amin-dreniny. j Mitondra teny miuoaka: mamboraka na manely ny tsiambaratelo any ivelany. I Mitondra teny tanora: enti-milaza ny kabarY tsy voaomana tsara. I Mahay mi-tondra tena: ilazana ny olona mendri-toetra tsy mba manaraka ny fitondran-tena ratsy ara-nofo, ny fimamoana s.n.s... ¶ M.h.: Milonjo, mivongika, mivongaingy, mivongaingika, mivesatra, milonjehitra, manindao, manongaka, mivatsy, mivingitra, mamingivingy, mibata, mibeta, miloloha, manao an-tsangory, manao an-tsampy, manao an-tonery, miantsoroka, milanja, manasaboady, mibaby, mitrotro, mivimbina, mitsintsina, misakelika, misakobona, mikenakena, mitaona, mitraoka, manainga, manentana, mita-titra. — Mitondra, mizaka, miaritra, mihafy. Ahitsio