Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitoraka: (toraka) mt. p. (mitoraha): Manipy vato aminjavatra mbahahavoa azy: Nitora-bato ny uoronay izy. ? Mizotra mahitsy: Nitoraka nianatsimo izy nony tonga teo amin'io havoana io. Ahitsio
Mitoreo: (toreo) mt. s.: Manao feo mitaraindraina, mampahonena: Mampalahelo izany vorondreo mitoreoreo any ambony any izany. • Mangataka miangavy fatratra: Tonga nitoreo vola teo ny zanakao, nefa tsy hitako izay homena azy fa izaho axa vaua takiky izao. Ahitsio
Mitoretra: (toretra) mt, s.: Mitangongo (ny voa vokatra tsara eny ambony hazo). • Mikainkona, mifendrotra. • Mikisinkisina, mitaredretra, milasilasy. Ahitsio
Mitorevaka: (toreuaka) mt. s. (mitoreuaha): Mipetraka fotsiny tsy manao na inona na inona, midonana-poana, varimbariam-poana. Ahitsio
Mitoringana: (toringana) mt, s.: Mandringa, mikotringa: Aretina no nahatonga an'io zaza io hitoringana. ¶ M.h.: Man dringa, mikotringa, mikotrifa, mikolepaka, mitolitsika, mitolila, midraikodraiko, midehadeha, mitolilalila. Ahitsio
Mitoroka: (toroka) mt, s. (mitordha): Miampanga tsy marina, milaza ho nanao ny zavatra tsy natao, manendrikendrika: Nitoroka ahy ho nanompa azy izy. ¶ M.h.: Manendrikendrika, manombotomboka, manendry. Ahitsio
Mitorovoka: (torouoka) mt. p. (mitorouoha): Mipetraka miarinarina amin'ny tany na eo ambony tsihy, ny lohalika atsangana misafosafo amin'ny saoka: Nitorouoka nanodidina an'i Dadabe ny zafy keliny enin-dahy. Ahitsio
Mitory: (tory) mt. p. (mitoria): Milaza sy mivaofy ny tanin' Andriamanitra: Mahay mitory teny io mpitondra fivauahana io. Ahitsio
Mitory: (tory) mt. p. (mitoria): Manasilaka ny tsiratsirany: Mitory zauamaniry hatao kofehy. - F.-p.: Mitory rofia, rongony: manasaratsarakany tsiratsiraky ny rofia na ny rongony hielakelaka hahazoana manohy azy ho kofehy. ! Mi-tory hisatra: mamakivaky ny hodi-jozoro alohan'ny handrariana azy. (Mitoritory ravina: enti-milaza fanaovana dinidinika eo amin'ny raharaha lehibe mikasika ny fianakaviana. Ahitsio
Mitory: (tory) mt. s. (mitoria): Miampanga amin'ny manampahefana miandraikitra ny raharaham-pitsarana: Mahazo mitory ianao fa tsy raharahako. • Manambara, milaza: Tsy mamaly ianao rehefa anontaniana; mitory izany fa ianao mihitsy no nanao io hadisoana io. Ahitsio
Mitory: (tory) rat. p, (mitoria): Manisy soritra manelanelana na manavaka: Mitory tanimbary. Ahitsio
Mitosaka: (tosaka) mt. s. (mitosaha): Mitobaka betsaka indray mandeha: Nitosaka ny rora avy tao am-bauany. ? h. o.: Miditra tampoka betsaka: Nitosaka ny mpianatra niditra tao an'efitrano. ? Tapa-ka, vaky. Ahitsio
Mitosy: (tosy) mt. p. (mitosia): Mikasika (amin'ny lalao kanety), Ahitsio
Mitosy: (tosy) mt. s. (mitosia): Manao fihetsehana miangolangola mba hanehoam-pitiavana na hierenam-pitia amin' ny olona ifampiresahana: Mitositosy amin-dreniny er? io zaza io. Ahitsio
Mitotàtra: (totôtra) mt. s.: Milefaka (hozatra). Ahitsio
Mitoto: (toto) mt, s. (mitotoa): Mamotipotika zavatra: Mitoto uoanjo. • Mikosoka ny varyakotry hialan'ny hodiny: Mitoto uary. * Ohab,: Mitoto uary diavolana ka moka fanahy ny akoho: tsy tokony hatao ny mi-tondra ny sasany amin'ny fakampanahy, / Nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka: enti-milaza ny nahavita raharaha na adidy ka nahatanteraka izany hatramin'ny farany (Fiten.). Ahitsio
Mitotojanjina: na Mitotozanjina (totojanjina na totozanjina) mt. s.: Mihanjaka miseho vatana, tsy miakanjo. ¶ M.h.: Mitanjaka. Ahitsio
Mitotongana: (totongana) mt. p. (mitotongàna): Mihilana, mihohoka: Vonjeo fa mitotongana ilay siny feno rano. • Mihena, miletsy, mitambotsotra: Nitotongana ny uidin' ny lauanila taona ito. ? Mietry, mandrorona: Nitotongana Rangahy iny noho ny fisotroany toaka. Ahitsio
Mitotorebika: (totorebdta) mt. s.: Mandihy somary mitsinjaka falifaly. Ahitsio
Mitotototo: (totototo) mt. s. (mitotototoa): Mivezivezy manao dia maika ets? sy eroa tsy misy vokany toy inona; miraparapa, mipapapapa, miapanapana: Nitotototo hatraiza hatraiza izy, nefa tsy nahazo ohatrinona akory. 1 Miroahana, miahiahy be: Mitotototo be ihany riy saiko. Ahitsio