Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitototra: (tototra) mt. s. (mitotofa): Mirakotra. - F.-p.: Longoa mitoto-bozaka: enti-milaza fandrika feno fitaka. Ahitsio
Mitoty: (toty) mt. s.: Mikarakara tsara, mikajy, mitandrina: Ianao dia tsy mitoty mihitsy ka! Ahitsio
Mitovana: (tovana) mt. s.: MisY tovana, misy fanampiny na tohiny avy ao ambany na avy eo aoriana: Ho mafy ue io tady mitouana io? Ahitsio
Mitovevy: (tovevy) mt. s.: Mitongilana, mihilangilana, tsy marina, tsy miarina tsara. Ahitsio
Mitovo: (touo) mt. s.: Mijanona tsy manambady. 1 h.i.: Tsy mahay mitondra tenta * Ohab.: Mpitovo mananatra ny manana: enti-milaza ny tanora manorotoro hevitra, ka izy tsy mbola mitondra tokantrano indray no mba mananatranatra ny efa manambady. Ahitsio
Mitovona: (touona) mt. s.: Misy tovona, misy fanampinY avy eo ambony na avy eo anoloana: Ratsy bika ity iohatrano mitouona ity. Ahitsio
Mitovy: (tovy) mt. s. (mitouia): Mifanabaka, mifandraika, mifanaraka ny endrika na ny habe: Mitovy izy mirahalahy ireo. ¶ M.h.: Sahala, saingy misy maha-samy hafa azy kely ihany ireo teny roa ireo: ny "Sahala" dia enti-milaza indrindra fitoviam-bidy, lanja: Sahala ny anjaran'izy mirahalahy, fa ny "Mitovy" kosa dia fifanahafan'endrika na bika indrindra: Mitovy ny tarehin'izy mirahalahy. - F.-p.: Mitovy rano, mitouy tantana, mitouy lento: tsy misy avo sy iva toy ny fandrin-drano. ! Mitovy saranga: mitovy laharam-boninahitra. ¶ M.h.: Sahala, tsy misy valaka, tsy misy ivoasana, tsy misy hafa, kapoka iray, katroka iray, lasitra iray, tsy misy fankaiza, gamatra, na-vela tao, mitovy saranga, sahy mitahy, mifandanja, mifanentana, mifamatra, mifanerana, toy ny, tahaka ny, toa, ohatra, toraka, mova tsy, mahatoraka ny, mahaleo ny, tsy ambaka noho ny, tsy latsa-danja noho ny, vakin-tcaonjo roa, angady mondro sy reniakoho. Ahitsio
Mitozo: (tozo) mt. s. (mitozüa): Manohy miasa tsy mety kivy, mikiry, mikikitra: Mitozo mianatra ihany io zazalahy io na dia be aza ny fakampanahy manodidina azy, Ahitsio
Mitrabaka: (trabaka) mt. s.: Milentika, mitsofoka (enti-milaza zava-maranitra miditra anaty nofo). Ahitsio
Mitrafantrafana: (trafantrafana) rra. s.: Mitroatroatra, mitrifantrifana. Ahitsio
Mitraika: (traika) mt. s.: Mandbna, m am Oka. Ahitsio
Mitraka: (traka) mt. s. (mitrakà): Manarina ny loha: Aza miondrika fa mitrakà. ? Miarina miatrana tsara: Mitraka tsara ity zana-kazo ity ka hijoro hahafinaritra io rehefa lehibe; (mifan. aminy: miondrika, mitanondrika). Ahitsio
Mitrandraka: (trandraka) mt. s. (mitrandràha): Miasa tany amin'ny angady, mihady tany. ? lao.: Mikaroka lalina amin'ny alalan'ny famotopotorana. Ahitsio
Mitranga: (tranga) mt. p. (mitrangà): Miseho lany, izany hoe: ny ilany fotsiny no hita aloha: Indro mitranga avy ao anaty hazo ny volana ba liaka. * Ohab.: Mitranga mihemotra toa belon-jaza: enti-milaza ny olona miovaova hevitra ka mbetika marisika hanao zavatra iray, mbetika indray tapa-kevitra tsy hanao. ¶ M.h.: Miseho, mipoitra, mipongatra, mipoitra, miposaka, mamelovelo, manangasanga. Ahitsio
Mitranitrany: (tranitrany) mt. p.: Lava maranidranitra ohatra ny nify, ny taolana miranirany: Mahia loatra ity zaza ity fa mitranitrany ny taolany. Ahitsio
Mitratraingo: p.t. (t,tr.): Kilemaina, voatraingo, mikainkona. Ahitsio
Mitratraingo: (tratraingo) mt. s.: Mikotringatringa, mitaritari-tongotra. • Mibiloka, mibaraingo. • h.o.: Voan'ny fahavoazana, tratran'ny kilema. * Ohab.: Mietaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny adrisa, fa tsy enina anay mitratraingo: enti-milaza fa tsy ny fisehoana ety ivelany akory no azo ilazana olona fa hahomby. Ahitsio
Mitratreva: (tratreva) mt, s.: Mitrifantrifana, mivatravatra, mandeha mahery setra ka manimba sy mamotika izay sendra azy. Ahitsio
Mitrebika: (trebika) mt. s.: Milentika. Ahitsio
Mitrebona: (trebona) mt. s.: Enti-milaza zava-maran-doha, toy ny lefona, mitsatoka amin'ny tany. • Enti-milaza voan-javamaniry nambolena ka mitsimoka ary miseho mipoitra avy ao anaty tany. Ahitsio